jeudi 27 avril 2023

Kilalao...Tsy Kilalao ?

Kilalao...Tsy Kilalao ?


"STEALTH HAWK" no anarany, misy fanampiny, "BLACK HORNET". Fahagagana vaovao nentin'ny teknolojia ity angindimby kely ity, jerena tahaka ireny kilalaon'ankizy vita amin'ny vifotsy mitobaka eny an-tsena ireny, kilalao... kanefa tena tsy kilalao. Indro, fintinina amin'ny teny fohy, ny tantaran'ny nahaterahany.


Amin'ny fifaninanan'ireo firenena vaventy hanana fitaovam-piadiana faran'izay raitra dia nanatona orinasa anankiray ny Ministeran'ny fiarovana amerikana, nampanamboatra angidimby lehibe mahazaka baomba am-polony maro, tsy misy mpanamory fa baikoina avy ety an-tanety, misy fiarovana manokana mba tsy hahafahan'ny fahavalo manova ny baiko ("anti-piratage"), tsy re tsaika, misy milina mpamokatra herinaratra ahafahany manidina mandritra ny ora maro, azo ampiasaina na maizin-kitroka aza, tsy matahotra tafiodrivotra na ora-mikija. Nisy fetra ny fifanarahana natao ("contrat") hany ka nony tapitra ny fe-potoana dia nisy hevitra niitsiry tao an-tsain'ny mpitondra ilay orinasa : hanamboatra "STEALTH HAWK" ho an'ny sarambabem-bahoaka, hamidy toy ny entam-barotra rehetra, tsy ngeda toy ny an'ny tafika fa bitika, toy ny kilalao, ary tsy hitondra baomba fa... fakan-tsary, "drone" toy ny efa fahitantsika ireny.

Natao ny andrana, nahafapo. Mbola nisy aza ny fanatsarana natao : azo ampidirina anaty efitrano ilay izy. Tezitra ny talen-dry zareo indray andro, tao amin'ny biraony, teo am-panoratana "message" ho an'ny vadiny tamin'ny findainy iny indrindra izy no nisosa teo ambony lohany, tsy re tsaika ilay angindimby, azo sary mazava tsara mbamin'ny hafatra teo amin'ny findainy. Nisafoaka ingahirainy, fa iny andrana farany iny no naha-tapa-kevitra azy fa azo amidy amin'ny daholobe amin'izay ilay "kilalao".

Ho an'ireo liana te-hahafantatra misimisy kokoa ny lafiny teknika mikasika ity "drone" ity dia indreto ny antsipiriany : bitika, faran'izay bitika, 33 grammes ny lanjany, tafiditra anaty felatanana iray, azo atao am-paosy toy ny finday rahefa aforitra ny elany, "caméra 4K Ultra HD no ao anatiny, "objectif grand angle", "zoom avant/arrière"; misy "batterie" ahafahany manidina mandritra ny 25 minitra; mandray baiko raha mbola ao anatin'ny faritra 2 kilaometatra manodidina.

Vao tamin'ny asabotsy lasa teo izahay no nanatrika mariazy tetsy amin'ny Yandy Bypass teto Antananarivo. Nampiasa "drone" ny tompon'ny hotely hakana sary tamin'ny nidirana hatreo ambavahady ka mandra-pizotra tany an-trano. Tsy azo natao kosa anefa ny nampiditra azy tao an'efitrano filanonana ndrao hampidi-doza raha mitontona eny ambony lohan'ny olo-nasaina. 
Misy lalàna mifehy ny fampiasana ireny "drone" ireny eto amintsika, voarakitra ao amin'ny "Décision N°75b ACM/DGE/DRG tamin'ny 15 mars 2015". Ny olon-drehetra te-hampiasa "drone" ao anatin'ny faritra voafetra dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana avy amin'ny ACM-Aviation Civile de Madagascar, dimy andro mialohan'ny hampiasana azy. Raha misy faniriana hampiasa "drone" ivelan'ny faritra voafetra dia ny Talen'n ACM irery ihany no manapa-kevitra rehefa avy nandinika ny atotan-taratasy momba izay hampiasana azy. Voalaza koa fa voarara ny fampiasana "drone" milanja mihoatra ny 25kg... ilay "STEALTH HAWK" anefa 33gr... fa tsy izay mihitsy akory no hahazoana alalana hampanidinana azy eny amin'ny habakabaka eto amintsika.

AZA MBOLA ALEFA LAVITRA IZANY ALOHA NY FANIRIANA.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

mercredi 26 avril 2023

MITENY, MIHAINO, MANGINA...

MITENY, MIHAINO, MANGINA... 

Zavatra telo ataontsika isan'andro ireo, tsy mahay miaraka, samy manana ny fotoanany.
Efa fantatsika ny DALAI-LAMA, ilay filoha fara-tampon'ny bouddhiste any Tibet ary eken'izao tontolo izao ho mpandinika ikoizana ny fiainantsika olombelona. Nisy lahatsoratra efa navoaka teto nitanisana ny sasantsasany tamin'ireo hevi-dalana naposany mikasika lafim-piainana samihafa. Anio kosa dia izay fiheverany ireo zavatra telo loha nolazaina tetsy aloha no haseho eto. Anjaran'ny tsirairay ny mandalina izay tena tiany holazaina.
Dalai Lama (Dalaï-lama)


NY MITENY

  •  "Ny miteny be loatra dia toy ny olona mamafy voa ifangaroan'ny ahi-dratsy sy ny sakafo mahavelona. Raha vitsy anefa ny teny miloaka ny vava dia ho mora kokoa ny manesotra izay mitsimoka ka mety hisy poizina mahafaty."
  • "Ny teny miloaka ny vava dia tsy hafa fa taratr'izay ao anaty."
  • "Namapianarin'ny raiamandrenintsika isika hiteny fa matetika dia ampianarin'ny fiaraha-monina hangina."
  • "Ny olona mahay miteny dia ireo izay mahafantatra ny fotoana tokony hitenenany."
  • "Atombeno tsara ny eritreritrao satria ny eritreritra dia hivadika ho teny, ny teny dia ho zary asa, ny asa ho tonga fahazarana, ny fahazarana no handrafitra ny toetra, ny toetra no hamaritra ny safidy, ny safidy anefa no hiantoka ny fiainanao."


NY MIHAINO

  • "Rahefa miteny ianao dia tsy manao afa-tsy ny mamerina izay efa fantatrao, fa rahefa mihaino kosa ianao dia tsy maintsy hahafantatra zava-baovao".
  • "Raha te-hahafantatra ny tena toetry ny olona anankiray ianao, aza izay teneniny no inoana, izay ataony no diniho."
  • "Izay mahay mihaino anio no tena hohenoin'ny olona rahampitso."
  • "Manolona ny olona hitanao fa be resaka loatra, aza omena lamosina izy, tsy fahalalam-pomba izany, meteza fotsiny ho toy ny vatan-kazo."
  • "Ny fahaiza-mihaino no didy voalohany eo amin'ny fitiavana".
  • "Tsara lavitra ny mihaino amin'ny alalan'ny fo toa izay mhaino amn'ny alalan'ny atidoha."
  • "Mihainoa aloha vao miteny, mitsakoa vao mitelina."

NY MANGINA

  • "Ao anatin'ny fahanginana no ahenoana ny marina rehetra."
  • "Fadio ny manoka-bava raha tsy mbola matoky ianao fa izay hambaranao dia manan-danja kokoa noho ny fahanginana."
  • "Ny fahanginana dia tsy midika na oviana na oviana ho fahalemena fa hery lehibe miboiboika ao anaty."
  • "Matetika dia ny fahanginana no valin-teny mendrika indrindra."
  • "Ny fahanginana no fomba fitenin'ny mpifankatia : tsy izay tenenina no zava-dehibe fa izay tsy tenenina."
  • "Ny fahanginana no hany sakaiza mahatoky, tsy mba mamadika izy."
  • "Ny fahanginana no firavaka volamena tsara indrindra, mahagaga fa vitsy ny vehivavy no tia azy."

lundi 24 avril 2023

Akoholahy Mpiady hoe ?

Akoholahy Mpiady Hoe ?



TSY DIA MATEVINA ny fahalalako ny tantaran'ny akoholahy mpiady. Ny fantatro fotsiny dia ny hoe "tsy misy ny akoholahy mpiady gasy hiringiriny". Ny tantara mantsy dia milaza fa tany amin'ny 6000 taona talohan'i Jesoa tany no nisy ny fiompiana akoho voalohany indrindra teto ambonin'ny tany ka tany Formose, Taïwan ankehitriny io no niatombohany. Nihanaka avy eo tany amin'ireo firenena aziatika toa an'i Japon, Inde, izay vao tany Europe, Amérique, Afrique. Rahefa nikaroka aho vao nahafantatra fa ireto akoholahy mpiady eto amintsika ireto dia fifangaroan'ny Malay, avy ao Asie atsimo-atsinanana, ny Asil avy any Inde, ny Shamo avy any Japon ary ny akoho OEG avy any Espagne. Hisy izao ireo hizizo hoe tena gasy "pur sang" kosa ry Kalamena sy Mavolamba ary ry Kalamainty... tsy maninona, tahaka ny voasary natao "greffe", "métis" ireny, tsara noho ny "original".

Efa maro eto amintsika ankehitriny ny toerana fampiadiana akoholahy. "Kianja" no fiantsoana azy raha kelikely, "gallodromes" raha voamboatra manokana, mitafo, misy "gradins", "kiosque" ho an'ny filokana. Eto Antananarivo sy ny manodidina ihany dia efa misy folo mahery ny "gallodromes", anisan'ny malaza ny eny Itaosy, Alasora, Ambatoroka, Tanjombato... Fialamboly efa nisy tena hatry ny ela tokoa ny fampiadiana akoholahy. Misy koa anefa ireo manandratra azy ho fanatanjahantena; efa an-taonany izao no mitaky ny hananganana azy ho Federasiona ireo mpiompy sy tompon'akoholahy mpiady. Anisan'ny miady ho an'izan ilay hoe BCM-"Batay Coq de Madagascar" izay mpikarakara ny fifaninana lehibe eto amintsika. Tamin'ny nankalazany ny faha-5 taona nijoroany izao dia nikarakara "exposition" goavana tetsy amin'ny "Kianka Kanto" tetsy Mahamasina ry zareo. Nisy koa "compétition internationale" izay nahitana an'i La Réunion sy Afrique du Sud, ankoatr'ireo teto an-toerana avy any Toamasina, Sambava, Antsirabe, Fianarantsoa... Misy Vondrona matanjaka be ao amin'ny facebook ao, "Serasera Akoholahy" no anarany misy mpikambana mihoatra ny 10.400.
 
Amin'ny fifaninana lehibe dia mahatratra 70 ka hatramin'ny 100 ny akoholahy soratana anarana handray anjara. Tsy mbola tahaka ny any am-pita ka hoe lanjaina izy ireny, ny hahavony izy mitsangana iny no ampitahaina. Izay hita ho tena matanjaka ihany no miditra an-tsehatra. Maharitra adiny iray na mihoatra aza ny ady anankiray : izay mitsoaka mandositra in-telo na poa-maso roa, na vaky vava no ifanekena fa resy. Vola be tokoa no mikoriana amin'itony adin'akoholahy itony. Ho an'ireo tompon'akoholahy mpiady dia fandre, rahefa mitonona anaram-bola eo amin'ny loka ry zareo, ny hoe roa na telo tapitrisa akory aza. Tsy mahagaga raha misy manombana hatramin'ny 3 na 4 hetsy ny hividianany ny akoholahy iray vao nivoaka mpandresy. Ho an'ireo mpijery ka miloka dia malalaka, samy manana ny vola apetrany ny tsirairay.

Vola tsy tambo ho isaina koa anefa no ilaina raha hiompy akoholahy mpiady, tsy latsaka ny 6 hetsy isan'akoho mandra-pahatonga ny 13 na 14 volana hahafahana mandrotsaka azy an-tsehatra. An-koatry ny vakisiny sy ny odi-kankana ary ny "vitamines" isan-karazany manko dia mitaky fitandremana hentitra koa ny sakafony : tsy maintsy misy "glucides" (katsaka, mangahazo, apombo); "protides" (soja, trondro maina, voanjo); "minéraux" (akorandriaka, taolana)... Ary dia mandany fotoana ihany koa satria ampanaovina fanazaran-tena toy ny mpanao fanatanjahantena rehetra izy ireny.

... KOA MAZOTO ARY VE IANAO ?
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Poizina mahery vaika

POIZINA MAHERY VAIKA

Nandeha nitady hevitra tany amin'ny reniny ity vehivavy iray sady nitaraina ny zavatra nataon'ny vadiny azy: Neny a! Tena tsy zakako intsony ny ataom-badiko...Tiako vitaina any ny momba an'iny, saingy matahotra aho sao dia ho tratra hoe izaho no namono azy.

Mba afaka manampy ahy ve i Neny ?

- Neny: Eny! afaka manampy anao aho saingy izao !

Mba tsy hananan'ny olona ahiahy aminao hoe ianao no namono azy dia tsy maintsy manova toetra sy fihetsika aloha ianao. KA izao no tsy maintsy ataonao :

- Aza mila ady aminy mihitsy aloha.

- Karakarao tsara izy, omeo tambitamby izy, omeo fitiavana, mba henoy izay zavatra ilainy,

- Asehoy hoe tena tia azy ianao, ary mba manaova koa manjamanja e!

- Aza mampiseho fitiavan-tena, ary aza masiaka aminy...

Raha vitanao ireo dia tsy hisy hametraka ahiahy aminao izy.

Mety ho vitanao ve izany ?

Eny vitako raha izay izany foana ry Neny a!

Eny ary hoy i Neny! Ity misy poizina. Ataonao amin'ny sakafo izay karakarainao ho azy isan’andro.Tsy tonga dia maty eo noho eo izy, fa hikiky tsikelikely ao anatiny io, ka ho faty izy amin'ny farany…
Lasa nody ilay vehivavy ary nanatanteraka izay rehetra nampanaovin'ilay reniny azy…

Afaka iray volana taty aoriana, niverina tany amin'ny reniny ilay vehivavy :

Neny a! neny a!..

Tsy tiako ho vonoina indray ny vadiko.Niova izy fa tsy toy ny taloha, lasa tia ahy izy, ary izaho lasa tia be azy.Tena niova ny fitiavany ahy, lasa malefaka fiteny, manao teny mamy sy manolotra fanomezana kely, ho ahy foana izy.Tena lasa tia azy tanteraka aho. Inona no hevitra mba tsy hampandaitra ilay poizina ? Mba ampio aho ry Neny fa tsy tiako ho faty izy a! Malahelo azy aho, ary tena malahelo.
Izao anaka! azy manahy ianao, tsy ho faty izy tsy akory, satria tsy poizina ilay nomeko anao iny fa vovo-tsira ihany. Ny marina dia ianao no tena poizina tao an-tokatranonareo.Mitana alahelo, kizitina,mpivazavaza, mpiatsara vela-tsihy, tia tena ka saika nahafaty ilay fifankatiavanareo.

Fa rehefa nanova toetra kosa anefa ianao, nampiseho fitiavana taminy ianao, dia niova koa izy.
Izay nataonao taminy ihany no navaliny anao.......Tokony ho mendrika ianao eo anatrehany, dia ho mendrika koa izy.

Na lehilahy na vehivavy, mahaiza aloha mitia sy maneho fitiavana, dia ho hitanao fa ho tia anao koa izy. Izay ataonao aminy ihany no mety mampiova ny fitiavany anao.

Am-bava homana , am-po mieritreritra !

Ny dobo tsy hita no mahamanina


NANAITRA AHY ny nahafantarako fa tamin'ireo tanora nisara-panambadiana tamin'ny 2022 dia saika mitovitovy ny isan'ny lehilahy sy vehivavy nisaraka noho ny fampirafesana nataon'ny anankiray, tsy nino ilay anatranatra hoe "NY DOBO TSY HITA NO MAHAMANINA."



Mpiray tanàna aminay i Ramatoa Lydia R., mpitsara etsy Anosy, anisan'ny miandraikitra ilay hoe "réconciliation", fampihavanana ireo mangataka fisaraham-panambadiana. Ny resaka nifanaovako taminy rahateo moa no nahatonga ahy hamoaka ity lahatsoratra ity. Fa dieny izao dia miala tsiny aminareo aho : tsy ny voambolana fampiasako eto isan'andro no ho hitanareo eto fa voambolan'i Lydia. Somary vatambatam-piteny izay manko izy, mampifangaro teny gasy sy teny frantsay, fa izay no tena nampitsatoka tato an-tsaiko izay nolazainy ahy... ary dia haveriko aminareo araka ny nandrenesako azy.
"Non, c'est faux ! Tsy marina intsony ankehitriny io ohabolan'i dadabe sy nenibe io. Matoa tsy nisy ny dobo hafa nanintona ny maso taloha dia satria ny vehivavy nihiboka an-trano, tsy nifanerasera tamin'ny lehilahy hafa; ny lehilahy koa tsy nahita dobo hisafidianana satria vitsy ny vehivavy nivoaka ny trano. Fa izao, "tout a évolué !" Na ny fahitana ny fiainan'ny vahiny any ivelany amin'ny télé fotsiny aza dia efa mampiana-dratsy ny ankizy. Ny facebook moa ho an'ny sasany dia zary fitaovana fivarotan-tena. "Tout est permis". Taiza ianao taloha no nahita vehivavy gasy "faire la cour à un homme ?" Very hasina ny fanambadiana.

Nanontaniako izy hoe : inona kay no tena mahatonga ny fitadiavana dobo hafa ?
"Io samy manana ny "motivation"-ny. Marina fa misy ny vehivavy efa manambady, tsy nahafehy tena ka nanandrakandrana, nahita tsaratsara kokoa, "plus viril", "mieux membré"; na koa nifanena tamin'ny lehilahy efa manambady "plus aisé", mahatolotolotra firavaka, vola... takalon'ilay zavatra. "Mais en général", tsy "d'ordre matériel" fa "émotionnel" no mahatonga ny vehivavy "mariée" tsy ho tamana ao an-tranony. Ao izy tsinona tsy mahare afa-tsy resaka asa; ny fialamboly tsy itovizana fa ny an-drangahy boxe na NBA; na miray ao am-pandriana aza, zara fa vita, tsy mba misy "préliminaires"; tsy misy "romantisme", "routine" isan'andro vaky izao. Ny vehivavy dia mila "ambiance sécurisée", mila olona tena miara-miaina aminy, afaka sy mahay mihaino azy. Mila mahare teny mamy ireo sofiny ireo, mila orokoroka io tarehiny io, mitaky tambitamby sy safosafo io vatany io. "Bref", ho an'ny vehivavy, tsy vitan'ny nofo ihany, mora manaraka koa ny azy ny saina sy ny fo !"

"'Ny anareo lehilahy indray dia "bassement sexuel" : "un trou est un trou", tsy an-kifidy. Indrindra ireo "génération quadra" ireo, ireo no tena mpandravarava. Rahefa tafahaona dia ifaninanana ny mamoaka "statistiques" : firy indray no azo? Vetaveta tsy vanona iray trano. Dia mifampitantara eo ny namiravirany ny "victime"-ny, mbamin'ny fihetsiny eo am-pandriana, ny fisentosentony, ny fivadibadiky ny masony, izy tahaka ny tsy nanao n'inon'inona avy eo. Ary ny tena manafintohina dia tsy mba misy "limite"-ny an : na zaza mbola mianatra na efa renim-pianakaviana. Sendra azy ny vehivavy efa nana-tokantrano, voarebirebiny, tratran'ny vadiny, iny ny "divorce". Izy tahaka ny tsy teo, manana ny "tompon-toerana any an-tranony". Io "tompon-toerana" io indray anefa ny tena marina dia "remplaçante" ihany satria iny indray izy no maka tsy hay intsony hoe "firième bureau". Mba tratran'ny vadiny avy eo dia mody mipitrapitra rahefa voasazy handoa "pension". Oh la la !

AM-BAVA HOMANA, AM-PO MIERITRERITRA
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina


dimanche 23 avril 2023

Sesitany tany Sainte-Marie

Sesitany tany Sainte-Marie



Komba Zen Forest

EFA HADALANA KOA MANKO... 1984, sady Conseiller technique (non permanent) tao amin'ny Ministère de l'Economie aho no lefitr'i Narison Radanielina, Talen'ny Zones Extérieures-n'ny Jirama izay nitantana ny faritra rehetra ivelan'Antananarivo, andraikitra roa nanery ahy hiasa hatramin'ny 14 ora isan'andro. Nanangasanga ny "fatigue générale".

Indray tolakandro, nisy fivoriana niarahan'ny Tale rehetra tao amin'ny biraonay sy Radanielina tao Antsahavola. Nikasika "organisation" ilay izy ka izaho no nitarika ny fihaonana. Sady efa tsy ampy torimaso aho, moa tsy nisakafo koa ny antoandron'iny hany ka sorisorena sy taitaitra be ihany. Ny tena nahasosotra ahy koa dia i Radanielina tokony hanampy ahy tamin'ny fanazavana nataoko indray no toa namingampingana ahy. Nanangam-bovona aho, ompa variraraka tsy sahiko averina eto no nataoko azy, nitolagaga ny iray trano, nitsaitsaika tsirairay nihazo ny varavarana. Izaho koa, rahefa avy naparitako daholo ny taratasy sy fitaovana teo anoloako dia namonjy ny biraoko, tafatory nihohoka teo ambony latabatra. Nony taitra, adiny iray avy eo angamba, novohaiko ny varavarana, voahidy avy any ivelany. Nantsoiko tamin'ny téléphone i Radanielina. "Hay taitra ialahy ? Andraso fa ho avy aho.

"Fa inona ireny nataon'ialahy ahy ireny ? " - "Inona ? hoy aho (tsy tsaroako akory hoe nisy fivriana notarihiko). "Nompain'ialahy teo imasom-bahaka aho !" - "Ahoana tsara hoe ?" - "Dia tsy mba mifona akory ialahy !" - "Inona hifonako, koa zavatra tsy nataoko ko !"... Noraisiny ny téléphone, niantso ny teny Ambohijatovo izy : "Firy andro ny congé-n'i Xavier ê ?" - "Roa volana sy tapany, tompoko." - Hay, efa nifampiresaka izahay sy DG, anaovy "réservation" amin'ny Air-Mad rahafak'ampitso izy ho any Sainte-Marie. Ataovy koa ny "réservation" ao amin'ny Hôtel Soanambo, tapa-bolana !"...Dia sady nijery ahy ilay Radanielina no sady nitsiky tahaka ny mandatsa : "Izay ny an'ialahy. Sesitany any ialahy tapa-bolana !"

"Congé disciplinaire", izay izany no saziko. Ary dia tena sazy tokoa. Ilay Hôtel Soanambo aloha dia tena "katraka", 4 étoiles, vao miala ny seranam-piaramanidina dia eo an-tokotaniny. Fa ny tananan'Ambodifotatra renivohitra kosa... 12 km avy eo. Tsy misy fiara miakatra eny raha tsy isaky ny misy fiaramanidina, indraimandeha isan-kerinandro. Nantsoiko an-téléphone i Boutouboutou Clotaire, Chef de Secteur-n'ny Jirama mba haka ahy ho eny an-tanàna, efa nahazo baiko hentitra mialoha hono izy tsy hifandray amiko. Loza. Misy bisikileta ihany ao amin'ny hotely sangy, indrisy, tsy mahay mitangina aho, nazerany fony kely dia fay. Ny tena naha-sazy azy koa dia "saison morte" tamin'io, izaho singany irery no "client" tao amin'ny hotel, na ny olona hiresahana aza tsy nisy. "Bungalows" mitokatokana anaty ala-na voanio no ipetrahan'ny mpizahatany, mangina fehizay ka tena heno ny ngidin'ny fitokana-monina. Rahefa hisakafo vao mankeny amin'ny "restaurant", efitra malalaka be tsara tarehy fa dia babangoana, mampanontany tena hoe : "inona no ataoko eto ?" Ny sakafo moa, tsy mivaky loha ny "gérant" satria tsy misy ny mpizahatany : trondro antoandro, trondro hariva. Mba mangataka "jus" hosotroina, tsy misy afa-tsy voanio. Leo, tena leo tanteraka.

Nanararaotra fiara sendra nandalo aho no tafakatra teny an-tanàna, nisambo-bola tamin'i Clotaire hanofako taxi. Izay no mba nahitako an'i Sante Marie. Fa tsy ampy ny an-tanana : mba mahita fahatsiarovana hovidiana, nojerem-potsiny, mitopy maso amin'ny sakafo mba hafa an-koatry ny trondro, mipitrapitra, mitelin-drora fotsiny.
 
SESITANY TAPA-BOLANA. SAIKA TSY TAPITRA.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

vendredi 21 avril 2023

Kilalao ratsy : "ESPRIT ES-TU LA"

Kilalao ratsy : "ESPRIT ES-TU LA"


ALOHAN'NY HILAZAKO AMIN'NY ANTSIPIRIANY hoe inona moa ilay izy, inona avy no ilaina ary ahoana ny fanaovana azy, aleoko ho tanisaina eto, an-koatry ny tenako, ireo efa nikasika ity "ESPRIT ES-TU LA" ity.



Taona 1978. Nisy sinoa maro mirahalahy teo Ambatomena (Fianarantsoa), nanana toeram-pivarotana sy fanaova-mofo nanoloana ny Kolejy SFX, "COMAF" no anaran'ny orinasany. Mpinamana be izahay, izaho niasa ho an'ny gazety lehibe iray ka nanomana dokam-barotra ho an-dry zareo. Tao no nahafantarako voalohany ilay nantsoin-dry zareo hoe : "FANAHY MPANORO-HEVITRA". Te-ho nampitombo ny velaran'ny orinasany ry Jacquot mirahalahy avy ka indray hariva, sendra nandalo teo aho no indreto ry zareo mitangorona manodidina latabatra boribory anankiray. Izy ireo efa mifamaly mila hifamely totohondry no tratrako. Ny zandriny indrindra no nentin-katezerana ka naongany ilay latabatra, niparitaka eran'ny gorodona ny poti-taratasy nisy ny alfabeta "A" ka hatramin'ny "Z" ary tarehimarika "0" hatramin'ny "9". Vera iray nipoaka tahaka ny basy.

Taona 1980. Teo Ampasambazaha (Fianarantsoa ihany), mangazay amin'ny ilany havia raha ho eny Tambohobe, karana mpivady tena mba namanay no nanasa anay hisakafo indray hariva. Yanaiataly ilay rangahy, ilay ramatoa tsy tsaroako ny anarany. Avy nihinana "birihani", mba hiala voly hono izany.

Nalahatr'i Nataly teo ambony latabatra ny poti-taratasy misy ny alfabeta sy tarehimarika. Vera iray tsara tarehy teo afovany. Novoniny ny jiro. Labozia tokana sisa nanazava teo antsisin-databatra. Vao hanomboka ilay nolazainy hoe "kilalao" izy, tezitra ny vadiny, nandeha nankany an'efitra tany, nony niverina, natsipiny teo afovoan-databatra ny "Coran". Teo no hoe, lelafo matevim-be tsy fanta-pihaviana no nijoalajoala teo ambony latabatra, zary lavenona avokoa ireo poti-taratasy, montsamontsana ilay vera. Nisy "gâteau" tokony mbola niaraha-nihinana saingy simba ilay "ambiance", naleo nisaraka. 
Ny ampitson'iny, tonga maraina tao aminay i Nataly, niala tsiny ary dia nanoro anay ny fanaovana ilay nolazainy fa "kilalao" mahavariana.
Niara-nanety poti-taratasy izahay nasiana ireo alfabeta sy tarehimarika, nalahatra natao faribolana teo ambony latabatra, vera iray teo afovoany. Samy nametraka moramora ny fanondronay eo ambonin'ilay vera izahay. Izaho no nasainy niteny : "ESPRIT ES-TU LA". Tsy nisy n'inon'inona. Nasainy naverina mafy kokoa... samy nahita izahay, mitsambikimbikina am-pitoerana ilay vera, samy miainga manaraka azy avokoa ny rantsatananay. Nasainy niteny mafy indray aho : "SI TU ES LA, DIS-NOUS TON NOM". Dia indro ilay vera fa mihetsika, mivezivezy, manaraka ho azy ny rantsatananay eo amboniny, mijanona maharitraritra isaky ny manandrify tarehin-tsoratra anankiray : A-N-G-E-L-E... anaran'ny anabavin-draiko vao nalevina tapa-bolana. Tsaroako tsembo-dratsy tampoka aho, nipararetra ny tenako manontolo, nanomboka sempotra... Ny vadiko no tonga saina, namoha ny varavarankely. Naleo tsy notohizana.

Taty aoriana vao henoko. Rahefa nanomboka nifampiresaka tamin'ireny fanahy nantsoina ireny hono ka tsy nanohy hatramin'ny farany dia tsy maintsy misy mahazo ny tena. Ry COMAF mianakavy, nandositra tsy nahaloa hetra no nialany teto Madagasikara. Ry Nataly, fongana ny harenany, nisaraka izy mivady. Raha vao misy anankiray manko hono mitsivalana amin'ireo mpandray anjara dia tsy maintsy izay no iafarany.

ALEO TSY MANAO !
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

mercredi 19 avril 2023

Atao ahoana ny Mitady Asa


RESAKA OLONA MITADY ASA, MANDEFA DOSSIER, NEFA TSY VOARAY NA TSY MAHITA ASA 

Faly miarahaba atsika rehetra.
Alohan'ny hidirako amin'ny votoantin-dresaka aloha dia tiako ny manindry an'ireto teboka vitsivitsy ireto.

    1. Tsy zanaka mpanakarena na olona mahitahita na olona mahafantampantatra olona ny tenako, ary tsy olona diplomé be koa. Fa tsy mahasakana ahy tsy ahazo an'izay post tiako izany, ho zaraiko aminareo ny secret-ko aveo.

    2. Fijery amin'ny maha mpiasa ahy (salarié) sy amin'ny maha mpitantana orin'asa ahy (Entrepreneur) mitambatra no ho zaraiko eto. Fantatro tsara ny besoin an'ireo olona anankiroa ireo, dia ho zaraiko aminareo hoe inona marina ny zavatra tadiavin'ny orin'asa.

    3. Mety tsy hitombina amin'ny resaka fitadiavana asampanjakana ny zavatra ho resahiko eto satria tsy mbola nanao an'izay aho.
 
Ndao ary...

Ny zava-misy dia izao :

 
Rehefa miresaka amin'ny tanora mitovy amiko aho dia ny zavatra matetika miverina dia ny hoe "tsy mahita asa aho" , "tsy misy asa eto Madagascar", "mandefa dossier be dia be fa tsy voaray na tsy misy valiny mihitsy"

Rehefa miresaka amin'ny mpitantana orin'asa na recruteur mitovy amiko anefa izaho dia ny zavatra matetika miverina dia ny hoe "tsy mahita olona hanao an'ilay asa na hitazona an'ilay post zaha, sao dia mahita olona compétent ianao, fa efa 6 volana izay zahay no mikaroka."
Izany hoe : Ny tanora sahirana mitady asa, ny mpampiasa sahirana mitady mpiasa.
Raha tsorina izany : tsy ny asa aloha no tsy misy eto amin'tsika, fa ny olona compétant hanao an'ilay asa no tsy misy.

Dia aleon'ny orin'asa mi-investir amin'ny pays hafa satria any misy olona compétent. Na hanafarany vahiny mena sofina ny poste ambony responsabilité rehetra tsy ahitavany olona eto amin'ntika.
Misy karazan'olona dia hiadivan'ny orin'asa mihitsy ny ampiasa azy.
Be dia be ny entreprise ngeza mifangalatra mpiasa eto amin'tsika fa tsy fantatrareo, tambazana vola be, andrasana amin'ny vavahadin'ny toerana hiasany, entina restaurant luxe be, dia tambatambazana hoe avia miasa aty aminay fa omenay avantage hotrizao, na hanontaniana mihitsy hoe inona ny condition angatahinao fa omenay, sns...

Satria maninonona ? "Precieux" ilay olona.

 
Ny olona précieux amin'ny sehatrin'ny asa dia zavatra roa no mampiavaka azy :
 
1. Savoir faire : izany hoe manana compétence pratique tsara ilay olona, ary afaka mitondra résultat.
2. Faire savoir : hainy ny mivarotra an'ilay compétence hananany amin'ny olona mila azy.

Ny olona manana an'ireo zavatra roa ireo no antsoin'ny orin'asa hoe "Talent" . Ary eto amin'tsika, ny talent dia jamais au chômage mihitsy, ary tsy mijaly mitady asa. Anontan'io i Fred Gamm raha tsy mino ianareo.

Ny ankamaroan'ny mpitady asa eto amin'tsika anefa, na izy manana fa ny iray amin'ireo ihany, na izy tsy manana mihitsy na ny iray amin'izy roa.

ILAY SAVOIR FAIRE aloha no hitondrako fanazava amin'ity post ity, dia tohizan'tsika amin'ny post manaraka ilay teboka faharoa.

Alohan'ny andefa dossier ianareo amin'ny manaraka dia apetrao amin'ny tenanareo aloha ity fanontaniana manaraka ity, dia valio amin'ny fo tsy miangatra :
Dépense hoan'ilay orin'asa ve aho raha mahazo an'io post io, sa mampitombombo ny vola miditra ao aminy, na farafatsiny, manena ny vola mivoaka ao aminy ?
Izany hoe tombony ho azy ve ny fakany anao sa tombony ho anao fotsiny ?
Raha mbola "dépense" ny valiny, aza mbola mandefa dossier aloha fa ataovy ireto zavatra manaraka ireto. Nahombiazako izy ity ka zaraiko aminareo.

    1. Diniho tsara ireo fahaizana manao tadiavin'ilay orin'asa, inona ny OBJECTIF tiany tratrarina. Ohatra : Tiany hitombo 250 isan'andro ny entana lafo ao aminy raha ohatra ka mbola 50 isan'ndro fotsiny no lafony amin'izao.
 
    2. Mividiana formation mampianatra mivarotra, dia olona hita hoe mahomby amin'ny resaka varotra no tadiavina mampianatra fa sanatria tsy mompera indray no hatoninao ampianatra anao hitondra tokan-trano (azonareo angamba no tiaka ahatongavana) . Tsy voatery mandeha université fa mitadiava formation en ligne, boky, youtube sns...

    3. Aza miditra grande boite aloha, fa mandehana amin'ireny orin'asa madinika vao misokatra ireny, na dia ilay mpivarotra friperie eo akaikinao io ary, dia proposeo gratuitement ilay fahaizana azo-nao, dia pratiqueo jusqu'à ce que hoe manana porofo mivaingana ianao hoe afaka mampitombo ny produit lafo amin'ny alalan'ny fahaizana manao hanananao.

Averiko : aza mandeha grande boite aloha, fa raha any ianao no manao stage dia mpanatitra café sy manao photocopie no lasa asanao.

    4. Ampiasao ny réseaux sociaux entina mitantara an'izay expérience ataonao izay. Misy antony ireny publication ataonay ireny amin'ny profil na page-nay ireny( mbola ho resahin'tsika ity amin'ny manaraka) , dia ho hitanao fa hanomboka hanatona anao ny orin'asa mila ampitombo ny produit lafo ao aminazy aveo. Dia manomboka eto, ianao indray no misafidy hoe aiza no alehako.
 
Ohatra fotsiny io resaka varotra io, fa arakarakin'ny compétence alainy ilay orin'asa no hanaovana azy.
Ny mitady vola tsy sarotra, fa mila manana zavatra atakalo azy ianao.
Ny principe-ko tamin'ny zaha mbola nitady asa dia tsotra : raha mangataka karama 5.000.000 ar aho, dia mila manana certitude hoe afaka mampiditra farafaratsiny 50.000.000 ar hoan'ilay orin'asa , izany X10 ny karama angatahiko.
 
Ny zavatra atao fady manomboka izao dia ny MANGATAKA ASA, fa ny MANAO TOLOTRA hoan'ny mpampiasa hoe " hiova ny orin'asanao raha zaha no tafiditra miasa ao aminao, mila ahy ianano raha te ahazo an'izao X resultat izao "

@Hakeem Steven

lundi 17 avril 2023

Ireo antsoina hoe "EX"

Ireo antsoina hoe "EX"



ETO AM-PANOMBOHANA, satria hisy resaka "fisarahana" (raha tsy izany tsy hisy ireo antsoina hoe "EX"), iangaviako ireo izay mety ho tafintohina mba tsy hamaky mihoatra ity andalan-tsoratra voalohany ity.




Nanana "EX" aho. Roa akory aza. Ny iray dia ny vadiko voalohany, efa notantaraiko teto ihany, niara-niasa tamiko tao amin'ny Radio, zokiko 5 taona. Efa lehibe ireo zanakay efatra mianadahy no samy nandinika izahay ary nanapa-kevitra : "satria indraimandeha ihany no iainana, aleo mandrafitra fisarahana milamina toa izay hanohy fiarahana hikorotan-dava !" Ny faharoa kosa dia ilay "saika ho vadiko", amin'ireo antsoin'ny vazaha hoe "JBRI" - "jeune, belle, riche, intelligente". Nifanalavitra loatra ny saranga niainanay ka naleo nifampitso-drano. Rahefa nisaraka, mba tsy hisian'ilay hoe "retour de flammes" dia samy niezaka, nanao izay tsy hifankahitana intsony. Tsy nifanangana ho fahavalo kosa anefa.

Nony hanambady fanindroany aho (i Tsiky izay) dia tena nifanao atsimo sy avaratra tamin'ireo "EX" roa voalohany no niseho : zandriko 18 taona izy, zanaka tambanivohitra, kilasimandry mandra-pivoakany ny Université. Hilaza angamba ianao hoe "dia tena hafa loatra izaho ity". Izao mantsy. Mba hampilamina ny saiko ho an'ny fiainana mbola hodiaviko dia samy nangatahako tso-drano ireo "EX" roa talohan'ny nanambadiako an'i Tsiky. Tsy diso hevitra aho : samy naniry ny soa sy ny tsara ho anay roa avokoa izy ireo. Taty aoriana moa, nisy fotoana nankarary mafy ilay "EX" voalohany. Nony sitrana izy dia nafaranay haka rivotra tany aminay. I Tsiky no manome azy ny fanafodiny, mahandro ny sakafony, manasa sy mipasoka ny lambany, mitondra azy mitsangatsangana. Setrin'izay kosa, izy no mitaiza ny zanakay sy Tsiky voalohany. Mba afak'andro ery.

Indrisy, tsy toa izany mandrakariva ny fiainan'ny andaniny sy ny ankilany rahefa misaraka. Ohatra iray ity. Ny anarana no novaiko.

Valo taona nivadiana i Mbelo sy Nivo. Mianadahay ny zanany, 6 sy 4 taona. I Mbelo ambony toerana tao amin'ny orinasa nisy azy, i Nivo mpikarakara tokantrano. Efa ela ihany no fantatr'i Nivo fa mampirafy ny vadiny. Mbola mba niezaka anefa izy, niaritra ihany, fa dia efa tena nangidy loatra ny fiainana. Zara raha misy hamidy sakafo ny vola omen'i Mbelo, olana avokoa na ny ekolazin'ny ankizy, na ny fanafody, hofantrano, Jirama... Tsy ariny intsony. Nana-namana mpisolovava izy, nasainy nikarakara ny "divorce." Vita soa aman-tsara : nahazo rariny i Nivo, voadidy handoa "pension alimentaire'' i Mbelo. Inona anefa hoy ianao ? Isam-bolana dia voatery mankany amin'ny toeram-piasan'ny vadiny i Nivo mitaky ny zony, izy indray anefa no mahazo tsiny sy voarahona fa mandratsy endrika azy eo imason'ny mpampiasa azy hono. Ary angaha vitan'izany ihany ? Nohararaotiny indray andro ny tsy naha-tao an-trano an'i Nivo. Nalainy an-keriny avokoa ny "chaîne", "écran plat", sy ny "couverts" tsara tarehy, fanomezana tamin'ny mariazin-dry zareo. Namidiny.

Ary izy dahy kely ? Mba manina azy ireo ihany i Mbelo indraindray, tiany hatory any aminy na indray alina ihany aza... tsy manaiky anefa ilay "vady vao" fa zana-drafy hono.

I Mbelo sy Nivo no notantaraiko teto fa mino aho, mahita Mbelo sy Nivo hafa ianareo eny anivon'ny fiaraha-monina eny.

@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

RAFOZANA ?

RAFOZANA ? 

Ireo amin'ny sary ireo ny ahy, ray sy reny niteraka an'i Tsiky. Tambanivohitra hiringiriny, tsy nanao afa-tsy namboly sy niompy nandritra ny andro niainany. Tao Andriba (Mavetanana) ry zareo no nonina, ao ihany koa no milevina.

Gazety rindrina


 
"Fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe !" hoy ny katolika... tsy nahafantatra azy ireo aho raha tsy efa niray trano amam-bolana niaraka tamin'i Tsiky. Ny andro mialoha ny hamonjeko ny toeram-piasako vaovao tany Antsohihy aho no niteny amin'i Tsiky : "Ndeha ianao mandeha taxi-brousse, tonga alohako ao Andriba. Na amin'ny firy na amin'ny firy aho mandalo ao dia sady haka anao no hangata-bady anao". Efa nilentika ny masoandro vao tafala an'Antananarivo ny fiara nitondra ahy. Mbola tafajanona naharitra tao Mahitsy koa, nisakafo, nahita tamin'ny télévision ny voina nahazo ilay sambondanitra amerikana, nipoaka teny am-panidinana, maty avokoa ireo mpanamory tao anatiny. Tsaroanareo angamba iny, 28 janvier 1986. Io daty io koa no nangatahako an'i Tsiky ho vady. Madiva ho misasak'alina tamin'izay.

Efitrano kely iray nohazavain'ny jiro jabora mitsilopilopy, izy telo mianaka nipetraka teo ambony farafara mirakotra lamba bemiray, i Tsiky teo afovoany, izay no sary indray mipika iny alina iny. Tsy haiko ny nikabary fa dia sady nandohalika aho no nimonomonona, tsy tsaroako izay noteneniko, ny hany tadidiko dia hoe "nangataka" aho... nangataka ary nahazo. Oroka sy fihina no nasetrin'ireto raiamandreny ny fangatahako, niaraka tamin'ny tso-drano mavesatra nanambina anay hatramin'izay ka hatramin'izao.

Izaho meritreritra fa anisan'ny tena manimba ny fifandraisan'ny rafozana sy vinanto ny fifampikasokasohana matetika. Hita izany amin'ireo tanora tsy mbola nahavita nihary no mivady, mialokaloka ao amin'ny raiamandrenin'ilay tovolahy na tovovavy. Iretsy olon-dehibe mihevitra azy ireo ho toy ny zazakely, atoro amin'izay rehetra tokony hatao, feheziny akory aza amin'ny zavatra sasany; etsy an-daniny, izy roa mahatsiaro ho tsy mahaleo tena dia mitroatra. Raha vao miandany amin'ny raiamandreny mampiantrano moa ny iray dia vao maika koa mihasarotra ny fiaraha-monina. Mivoaka ny vava tsy ambina, manamarina ny laza-ratsin'ilay fitenena hoe "rafozana sy vinanto". Tsy ny miray trano ihany fa raha vao iray tanàna ka matetika loatra ny fifampikasokasohana dia tsy ilaozan'izay pitik'afo hiteraka fahamaizana.

An-koatr'izay, misy koa ireo raiamandreny mieritreritra fa voatery tsy maintsy manampy azy ny vinanto, indrindra moa raha tsara fivelomana ilay io. Toy ny miandry karama isam-bolana, raha vao tsy tonga ara-potoana izay heveriny ho "adidy" dia miharatsy ny fihavanana. Tsy miteny anefa aho hoe rahefa azonao ny zanak'olona dia hadinoy ireo nahitany masoandro... "Raha tiana hono ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha !"

Ny tombontsoa hitako tamin'ny fifandraisako tamin'ny rafozako dia ireto : nifanalavitra hatrany ny toerana nonenanay; tsy mbola nisy fotoana nangatahan'ny rafozako tamiko na inona na inona; tsy mbola nisy koa fotoana niangavian'i Tsiky ahy hanampy ny raiamadreniny. Ireo no vao maika koa nahatonga saina ahy ka mba nanao izay vita rahefa nisy ny azo natao... mbamin'ny nitsidihana azy ireo tany Andriba, nitondra izay azo nentina, nijanona tapa-bolana niara-niaina tamin-dry zareo ka nahafantatra izany hoe tongotra bokan'ny parasy sy lamosina nomasahin'ny kongona.

FA TIAKO NY RAFOZAKO, IZY IREO KOA TIA AHY.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Ireo kilalao fahiny

jeudi 6 avril 2023

Ireo kilalao fahiny

Ireo kilalao fahiny


MARO AMINAREO mamaky ity lahatsoratra ity no tsy mbola vory saina, tsy mbola teraka akory aza angamba tamin'ny vanim-potoana tateriko eto. 70 taona lasa tokoa mantsy izay, tao Ambanitsena, Fianarantsoa, toerana nahalatsahan'ny tavoniko.

Kalesa "roulement"

Mitsiriritra ery mahita an-dry Michel sy Chantal, zana-bazaha teo ambany andrefanay, milalao ilay fiara kely mena midorehitra, misy "volant", mitsotsorika iny lalana midina mankeny Anosy iny. Ny anay kalesa "roulement", ny tongotra no mamily azy hiankavia na hiankavanana raha tsy mbola nitsoaka ny bolao ipetahany amin'ilay hazo fisaka efa motramotraka. 

kalesa roulement


Kanety voa-paiso

Nipitrapitra koa mitazana ny zafikelin'i Raphaël Rajaona, Agent d'affaires teo atsimonay, milalao kanety, "billes" tavoahangy, miloko manjelanjelatra. Ny anay voa-paiso notsiponina teo Antsenakely... fa tena nahafinaritra ny lalao natao tamin'izy ireny. Tantaraiko anareo.
Ankizy anankiroa no milalao. Samy mametraka voa-paiso folo atao somary mifanalavitra anaty faritra boribory anankiray. Sahabo ho fito na valo metatra avy eo, mifandimby managorisa kapila, manao izay hahatafavoahana voa-paiso maro arak'izay tratra ivelan'ilay faritra boribory. An'ny tena izay tafavoaka eo. Nisy fotoana efa nananako voa-paiso tapaky ny sobika kely fa indrisy, ny ranomasoko indray hariva, novakian'ny zokiko mirahalahy daholo nihinanany ny tao anatiny.

Collection sarina "vedette'-na sinema avy amina fonona sigara Mélia

Hafinaretanay koa ny nanangona ireo sary tamin'ny fonon'ny sigara Mélia. Tamin'izany dia nisy sari-na "vedette"-na sinema malaza nipetraka tao ambadiky ny "cellophane" amin'ny "paquet" tsirairay, sahabo ho 7x5cm ny habeny. Nifaninanana ny nanao "collection" azy ireny, ifanakalozana raha misy sary roa mitovy. Nisy kilalao natao koa tamin'izy ireny. Olon-droa ihany. Samy manome sary dimy ka mifandimby, atsipin'ny anankiray any ambony any ireo sary, izay tsy mivadika fa mihohoka amin'ny tany dia azon'ilay nanipy azy. Nitombo ny "collection". Fa mba iza moa ireo mpilalao sinema nalaza tamin'izany ? Ny lehilahy : ry Gary Cooper, John Wayne, Alan Ladd, Kirk Douglas... Ny vehivavy : ry Ingrid Bergman, Audrey Hepburn, Ava Gardner, Marylin Monroe... Nolazaiko ndrao mba misy mahatadidy.

Fanaovana 'bandy sy rôle" sy fanaovana "joueurs" kapisily

Mbola tao koa ny nanaovana "bandy sy rôle", ifanenjehana hatrany anelakelan-trano sy anaty hady any. Nisy ny "shérif", nisy ny vadin'ny "chérif", tsy hotantaraiko fa dia "nahitan-draha"... Fa ny tena tsaroana dia ny "joueurs" kapisily. Ny dadan'i Clément Aubin, mpiasan'ny Travaux Publics teo ambony andrefana no dia tena nampihanta anay. Nanana tokotany malalaka be izy, sahabo valo metatra ny halavany, efatra metatra ny sakany, norakofany simenatra manontolo, somary marokoroko fa tsy malama loatra. Dia nofaritany tamin'ny loko fotsy tsy afa-drano ireny tsipika fahita amin'ny kianja filalaovam-baolina ireny, misy tsatao-by sy harato amin'ny ilany avy. Teo izahay ankizy iray tanàna no nifandimby nilalao : ny "joueurs" kapisily, nosesefana savoka na tain-dambozia mba havesabesatra (ireny no natao he "gôdasy), ny baolina vaki-na vilia bakoly natao kelikely kokoa noho ny kapisily, ny mpiandry tsato-kazo "boati-na sardines". Ifandimbiasana ny mitsipindy kapisily "handaka" ilay baolina. 11 avy moa ny mpilalao eny ambony kianja koa dia misy ny "passe-passe" be manadala mandra-pahatonga eny ambody tsato-kazo. Rahefa hampidi-baolina dia ampakana toerana tsara aloha ilay boati-na sardines. Fa dia afak'andro ê. Mirava ny lalao rahefa misy ananakiray mahatadifitra baolina folo. Omen'ilay resy ny mpandresy ireo "joueurs"-ny iraika ambin'ny folo... miaraka amin'ny ranomaso.

IZANY REY OLONA NO MBA KILALAONAY FAHINY.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Ny fahatsiarovana miafina indrindra amin'ny olombelona

Campagnol : Biby hafa kely

Campagnol : Biby hafa kely



TSY ANGANO, TSY ARIRA... vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana amerikana maro notarihin'i Dr Steve Phelps ao amin'ny Université-n'i Texas, Etats-Unis no hotateriko eto. I Dr Phelps io no talen'ilay hoe "Centre du Cerveau" ao amin'io Université io.

Tantaram-boalavo ve ? Izay no ao an-tsainareo voalohany mahita ny sary ampiarahiko amin'ny lohatenin'ity lahatsoratro ity. Azo lazaina tokoa hoe voalavo izy amin'ny maha-"rongeur" azy saingy "Campagnol" no anarany. Any amin'ny faritra afovoany-andrefan'i Etats-Unis no ahitana azy.
Nandritra ny volana maro no nanarahan'i Dr Phelps sy ny namany ny andavanandron'ireto biby ireto izay manana fomba fiaina hafa loatra raha oharina amin'ny biby hafa. Any an-tsaha no fonenany, manorina tanana kely mitsitokotoko toy ny "fokontany". Ambanin'ny tany no anorenany ny tranony, samy manana ny azy isaky ny tokantrano. Ny tokantrano iray dia ahitana dada, neny, ankizy hatramin'ny dimy. Ny trano dia misy efitra iray lehibe mirakotra vatokely na fasika, ary eo an-kilany, efitra kelikely kokoa, misy ny tahirin-tsakafo : valala, voangory, androngo, fa misy koa legioma sy voankazo isan-karazany. Fifankatiavana no manjaka ao an-kohonana.

Fianam-pitiavana : fisehoana amin'ireo ray aman-dreny


Rahefa tonga taona ny "campagnol" lahy sy vavy mifankahita any an-tsaha any dia tonga ho azy ny fitiavana. Miray. Ary manomboka eo dia fifanajana tapitr'ohatra ny azy roa, fady izay hampirafy. Nisy tamin'izy ireo no nasian-dry Dr Phelps "puce" hatry ny fony kely hahazoany manara-maso ny fitombony sy ny fivoarany eo amin'ny andro iainany. Anisan'izany izy anankiroa ireto, nomeny anarana hoe "Tom" ny lahy, "Greta" ny vavy. Avy amin'ny fianakaviana roa samy hafa izy ireo no nihaona tany am-pihazana remby ary dia nifankatia. Vao taorian'ny firaisana voalohany ihany dia nentin'i Tom tany an-tranony i Greta, nampisehoany ny raiamandreniny. Tahaka ny hoe nisy resaka fohifohy nifanaovana dia indro fa norokorohin'ny raiamandrenin'i Tom ilay vinantovavy vaovao. Roa andro taorian'izay dia izy efa-mianaka no indray nirohotra tany amin'ny raiamandrenin'i Greta, nanamafy fa manomboka izao dia mpihavana ny fianakaviana roa tonta. Ny fianakaviana roa tonta sady no niara-nanorina trano fonenana vaovao ho azy roa kely.

Fianam-piaraha-monina : trano atsimo sy avaratra izay tsy mahale-kialofana


Manana ny antsoina hoe "empathie" ny "campagnol", toy ny olombelona. Mifanampy ny mpifanolo-bodirindrina, izay mihatra ao amin'ny atsimo iainan'ny ao avaratra, na amin-kafaliana io na amin-karatsiana. Nampitolagaga an-dry Phelps indray andro ny nahita ity raim-pianakaviana iray, nandeha nilaza tamin'ny manodidina fa tera-bao ny vadiny. Dia indreny, nandritra ny andro, nitanjozotra namangy ny mpifana ny iray tanàna.
 

Fiarahana amin'ny voina

  
Fa ny tena nahavariana, fotoam-pahavaratra, avy be ny orana ka ravan'ny rano-trambo nisasasasa ny trano fonenan'ny fianakaviana anankiray. Manana ny fomba fanenony araka ny tranga miseho ny "campagnol", henon'ny manodidina ny antso vonjy nataon'ilay raim-pianakaviana niharam-boina. Poa toa izay dia tonga ny vatan-dehilahy, namonjy. Tao ireo nitatitra ny zaza tamin'ny vavany, tao ireo nitaona ny tahirin-tsakafo, tsy nisy nanombinana fa tonga soa aman-tsara tamin'ny toerana azo antoka.
Ny mampalahelo dia visty ny "campagnol" mahita "pappy" sy "mamie", roa taona ihany manko, telo raha be indrindra ny androm-piainan'ireto biby hafakely ireto.

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...