Ireo kilalao fahiny
MARO AMINAREO mamaky ity lahatsoratra ity no tsy mbola vory saina, tsy mbola teraka akory aza angamba tamin'ny vanim-potoana tateriko eto. 70 taona lasa tokoa mantsy izay, tao Ambanitsena, Fianarantsoa, toerana nahalatsahan'ny tavoniko.
Kalesa "roulement"
Mitsiriritra ery mahita an-dry Michel sy Chantal, zana-bazaha teo ambany andrefanay, milalao ilay fiara kely mena midorehitra, misy "volant", mitsotsorika iny lalana midina mankeny Anosy iny. Ny anay kalesa "roulement", ny tongotra no mamily azy hiankavia na hiankavanana raha tsy mbola nitsoaka ny bolao ipetahany amin'ilay hazo fisaka efa motramotraka.![]() |
| kalesa roulement |
Kanety voa-paiso
Nipitrapitra koa mitazana ny zafikelin'i Raphaël Rajaona, Agent d'affaires teo atsimonay, milalao kanety, "billes" tavoahangy, miloko manjelanjelatra. Ny anay voa-paiso notsiponina teo Antsenakely... fa tena nahafinaritra ny lalao natao tamin'izy ireny. Tantaraiko anareo.
IZANY REY OLONA NO MBA KILALAONAY FAHINY.
Ankizy anankiroa no milalao. Samy mametraka voa-paiso folo atao somary mifanalavitra anaty faritra boribory anankiray. Sahabo ho fito na valo metatra avy eo, mifandimby managorisa kapila, manao izay hahatafavoahana voa-paiso maro arak'izay tratra ivelan'ilay faritra boribory. An'ny tena izay tafavoaka eo. Nisy fotoana efa nananako voa-paiso tapaky ny sobika kely fa indrisy, ny ranomasoko indray hariva, novakian'ny zokiko mirahalahy daholo nihinanany ny tao anatiny.
Collection sarina "vedette'-na sinema avy amina fonona sigara Mélia
Hafinaretanay koa ny nanangona ireo sary tamin'ny fonon'ny sigara Mélia. Tamin'izany dia nisy sari-na "vedette"-na sinema malaza nipetraka tao ambadiky ny "cellophane" amin'ny "paquet" tsirairay, sahabo ho 7x5cm ny habeny. Nifaninanana ny nanao "collection" azy ireny, ifanakalozana raha misy sary roa mitovy. Nisy kilalao natao koa tamin'izy ireny. Olon-droa ihany. Samy manome sary dimy ka mifandimby, atsipin'ny anankiray any ambony any ireo sary, izay tsy mivadika fa mihohoka amin'ny tany dia azon'ilay nanipy azy. Nitombo ny "collection". Fa mba iza moa ireo mpilalao sinema nalaza tamin'izany ? Ny lehilahy : ry Gary Cooper, John Wayne, Alan Ladd, Kirk Douglas... Ny vehivavy : ry Ingrid Bergman, Audrey Hepburn, Ava Gardner, Marylin Monroe... Nolazaiko ndrao mba misy mahatadidy.Fanaovana 'bandy sy rôle" sy fanaovana "joueurs" kapisily
Mbola tao koa ny nanaovana "bandy sy rôle", ifanenjehana hatrany anelakelan-trano sy anaty hady any. Nisy ny "shérif", nisy ny vadin'ny "chérif", tsy hotantaraiko fa dia "nahitan-draha"... Fa ny tena tsaroana dia ny "joueurs" kapisily. Ny dadan'i Clément Aubin, mpiasan'ny Travaux Publics teo ambony andrefana no dia tena nampihanta anay. Nanana tokotany malalaka be izy, sahabo valo metatra ny halavany, efatra metatra ny sakany, norakofany simenatra manontolo, somary marokoroko fa tsy malama loatra. Dia nofaritany tamin'ny loko fotsy tsy afa-drano ireny tsipika fahita amin'ny kianja filalaovam-baolina ireny, misy tsatao-by sy harato amin'ny ilany avy. Teo izahay ankizy iray tanàna no nifandimby nilalao : ny "joueurs" kapisily, nosesefana savoka na tain-dambozia mba havesabesatra (ireny no natao he "gôdasy), ny baolina vaki-na vilia bakoly natao kelikely kokoa noho ny kapisily, ny mpiandry tsato-kazo "boati-na sardines". Ifandimbiasana ny mitsipindy kapisily "handaka" ilay baolina. 11 avy moa ny mpilalao eny ambony kianja koa dia misy ny "passe-passe" be manadala mandra-pahatonga eny ambody tsato-kazo. Rahefa hampidi-baolina dia ampakana toerana tsara aloha ilay boati-na sardines. Fa dia afak'andro ê. Mirava ny lalao rahefa misy ananakiray mahatadifitra baolina folo. Omen'ilay resy ny mpandresy ireo "joueurs"-ny iraika ambin'ny folo... miaraka amin'ny ranomaso.IZANY REY OLONA NO MBA KILALAONAY FAHINY.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire