jeudi 6 avril 2023

Campagnol : Biby hafa kely

Campagnol : Biby hafa kely



TSY ANGANO, TSY ARIRA... vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana amerikana maro notarihin'i Dr Steve Phelps ao amin'ny Université-n'i Texas, Etats-Unis no hotateriko eto. I Dr Phelps io no talen'ilay hoe "Centre du Cerveau" ao amin'io Université io.

Tantaram-boalavo ve ? Izay no ao an-tsainareo voalohany mahita ny sary ampiarahiko amin'ny lohatenin'ity lahatsoratro ity. Azo lazaina tokoa hoe voalavo izy amin'ny maha-"rongeur" azy saingy "Campagnol" no anarany. Any amin'ny faritra afovoany-andrefan'i Etats-Unis no ahitana azy.
Nandritra ny volana maro no nanarahan'i Dr Phelps sy ny namany ny andavanandron'ireto biby ireto izay manana fomba fiaina hafa loatra raha oharina amin'ny biby hafa. Any an-tsaha no fonenany, manorina tanana kely mitsitokotoko toy ny "fokontany". Ambanin'ny tany no anorenany ny tranony, samy manana ny azy isaky ny tokantrano. Ny tokantrano iray dia ahitana dada, neny, ankizy hatramin'ny dimy. Ny trano dia misy efitra iray lehibe mirakotra vatokely na fasika, ary eo an-kilany, efitra kelikely kokoa, misy ny tahirin-tsakafo : valala, voangory, androngo, fa misy koa legioma sy voankazo isan-karazany. Fifankatiavana no manjaka ao an-kohonana.

Fianam-pitiavana : fisehoana amin'ireo ray aman-dreny


Rahefa tonga taona ny "campagnol" lahy sy vavy mifankahita any an-tsaha any dia tonga ho azy ny fitiavana. Miray. Ary manomboka eo dia fifanajana tapitr'ohatra ny azy roa, fady izay hampirafy. Nisy tamin'izy ireo no nasian-dry Dr Phelps "puce" hatry ny fony kely hahazoany manara-maso ny fitombony sy ny fivoarany eo amin'ny andro iainany. Anisan'izany izy anankiroa ireto, nomeny anarana hoe "Tom" ny lahy, "Greta" ny vavy. Avy amin'ny fianakaviana roa samy hafa izy ireo no nihaona tany am-pihazana remby ary dia nifankatia. Vao taorian'ny firaisana voalohany ihany dia nentin'i Tom tany an-tranony i Greta, nampisehoany ny raiamandreniny. Tahaka ny hoe nisy resaka fohifohy nifanaovana dia indro fa norokorohin'ny raiamandrenin'i Tom ilay vinantovavy vaovao. Roa andro taorian'izay dia izy efa-mianaka no indray nirohotra tany amin'ny raiamandrenin'i Greta, nanamafy fa manomboka izao dia mpihavana ny fianakaviana roa tonta. Ny fianakaviana roa tonta sady no niara-nanorina trano fonenana vaovao ho azy roa kely.

Fianam-piaraha-monina : trano atsimo sy avaratra izay tsy mahale-kialofana


Manana ny antsoina hoe "empathie" ny "campagnol", toy ny olombelona. Mifanampy ny mpifanolo-bodirindrina, izay mihatra ao amin'ny atsimo iainan'ny ao avaratra, na amin-kafaliana io na amin-karatsiana. Nampitolagaga an-dry Phelps indray andro ny nahita ity raim-pianakaviana iray, nandeha nilaza tamin'ny manodidina fa tera-bao ny vadiny. Dia indreny, nandritra ny andro, nitanjozotra namangy ny mpifana ny iray tanàna.
 

Fiarahana amin'ny voina

  
Fa ny tena nahavariana, fotoam-pahavaratra, avy be ny orana ka ravan'ny rano-trambo nisasasasa ny trano fonenan'ny fianakaviana anankiray. Manana ny fomba fanenony araka ny tranga miseho ny "campagnol", henon'ny manodidina ny antso vonjy nataon'ilay raim-pianakaviana niharam-boina. Poa toa izay dia tonga ny vatan-dehilahy, namonjy. Tao ireo nitatitra ny zaza tamin'ny vavany, tao ireo nitaona ny tahirin-tsakafo, tsy nisy nanombinana fa tonga soa aman-tsara tamin'ny toerana azo antoka.
Ny mampalahelo dia visty ny "campagnol" mahita "pappy" sy "mamie", roa taona ihany manko, telo raha be indrindra ny androm-piainan'ireto biby hafakely ireto.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...