Vaovao Malaza

TOAMASINA: MISY MANAMBOATRA MENAKA FIHINANA TSY ARA- DALANA


Toerana iray ao Mangarivotra atsimo no ahitana olona mamokatra menaka tsy ara-dalana. Loharanom-baovao tamin'ny olona manondidina an'io toerana io no nahalalana fa misy olona manao menaka vita amin'ny Palmier Lire la suite.





Fiarovana ny asa famoronana : mitombo ny tonga mametraka ny asa famoronany eny amin’ny OMAPI




Niakatra manodidina ny 15 isan-jato ny asa famoronana voaray sy voarakitra eny anivon’ny Ofisy malagasy misahana ny fizaka-manana ara-indostria (OMAPI) ho an’ny taona 2022, hoy ny tale jeneralin’ny OMAPI Andrianarivo Priscilla nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaka-manana ara-tsaina androany Lire la suite.


TAFIKA AN-DRANOMASINA : SAMBO MPANJONO TSY ARA-DALANA 2 NO SARON’NY PC MALAKY


Saron'ny PC MALAKY an'ny Tafika Andranomasina ny 22 aprily 2023 teo nandritry ny fisafoana notanterahiny tany amin'ny faritra Avaratra Andrefan'i Madagasikara ny sambo mpanjono Lire la suite.








FIKOJAKOJANA LALANA PAVE TSARASAOTRA-ATSOFONONDRY.


Tsikaritra fa tatoato dia nihasimba ny lalana pavé mampitohy an'i Tsarasaotra sy Atsofonondry izay mirefy eo amin'ny 6 km eo ho eo.
Communes 4 no misitraka an'iny lalana iny ka tokony hikarakara azy raha ny fifanarahana tamin'ny nanamboarana azy tany amboalohany dia ny Commune ny Ambatolampy Tsimahadotsy, Sabotsy Namehana, Anosy Lire la suite.




MANDRAKA : KAMIAO NIVADIKA MITERAKA FITOHANANA


Camion nivadika eto Mandraka S amin'izao maraina. Nibolisatra teo amin'ny sisin'ny lakandrano ny remorque an'ilay camion na dia efa tafavoaka aza ny lohany noho ny vesatra entiny hoy ny mpamily ary nitarika ny fivadihany. Tsy misy afaka ny fiara lehibe ary manano sarotra ny fivoahan'ny fiara madinika. Lire la suite






JUDO: NOVALIAN'NY FILOHAMPIRENENA NY FANGATAHAN'I LAURA RASOANAIVO, TOMPONDAKAN'I AFRIKA ARY LAHARANA VOALOHANY MANERAN-TANY

 
Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra i Laura RASOANAIVO , izay Atleta Malagasy nandrombaka ny tompondakan'i Afrika teo amin'ny Taranja Judo ary nahazo ny laharana voalohany manerantany amin’ny taranja Judo sokajy « junior » latsaky ny 70 kilao. Manana isa 500 Lire la suite






BATAILLON INFANTERIE TOLIARA : NAHITAM-BOKANY NY ASA FISAFOANA


Omby 2 nangalarin’ny dahalo tao ao amin’ny Kaominina Antanimieva, Distrikan’ny Morombe no tafaverin’ireo miaramila avy ao amin’ny Compagnie d’Infanterie Antanimieva ny 16 April... Lire la suite





Fitokanana nataon'i Filoha tao Ambositra

Anisan'ny hisitraka ny birao vaovaon'ny Fitaleavam-paritry Filaminam-bahoaka Amoron'i Mania ireo distrika efatra dia Ambositra, Ambatofinandrahana, Fandriana ary Manandriana. Napetraka ny fotodrafitrasa tahaka itony hoy ny Filoha Andry Rajoelina mba hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka malagasy sy hanampy amin'ny fandrindrana ny filaminam-bahoaka isaky ny distrika. Lire la suite


Fifidianana Filohampirenena ho avy – Mbola baraingo ny fahadiovan’ny fifidianana

Amin’ny 9 novambra ho avy izao ny daty natolotry ny CENI, fa daty tokony hanaovana ny fifidianana filohampirenena izay efa navoaka ho fatam-poko ho fatam-pirenena. Mandritra izany dia efa hita ho may volotratra ny fitondràna, ka mitady ny hevitra hampandriana adrisa ny vahoaka Malagasy, izay efa latsaka lalina ao anaty fahantrana tanteraka.

Ny antoko TIM manokana dia manao fanentanana ny olom-pirenena hiditra ao anaty lisi-pifidianana, satria izay no lalana tokana ahafahana maneho ny safidy amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny fahadiovan’ny fifidianana dia mbola baraingo, satria mitady hevitra ny mpitondra ankehitriny mitady ny hevitra rehetra mbola hijanonany eo amin’ny fitondràna. Ao anatin’izany ny fampiasàna ireo olom-panjakana eny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy toy ny prefet, ny distrika, ny sefom-pokontany.

Nanambara sy namaky bantsilana izany ny filoha Marc Ravalomanana, nandritra ny kongresim-paritry ny TIM tany Morondava Menabe, fa misy governora any amin’ny faritra Atsimo mamorona fokontany sy biraom-pifidianana tsy ara-dalàna. Misy ihany koa Madame Simone DGI, tale jeneraly ao amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, mamory ireo sefom-pokontany manerana an’i Madagasikara, manao tetidratsy hangalaram-bato miainga avy amin’ny lisitry ny mpifidy. Hita ihany koa ny fanambatambazana ireo ben’ny tanàna, amin’ny fanomezana moto ho azy ireo. Araka ny re ihany dia toa hizara kit solaire ny mpitondra, hambaboana ny fon’ny olona amin’izao delestazy manadala izao. Dia toy izany ny zavamisy amin’izao ankatoky ny hanaovana ny fifidianana izay marihina fa mbola tsy namoaka daty raikitra ny governemanta, na efa nanolotra izany aza ny CENI.

Ny fifidianana aloha tsy maintsy misy amin’ity taona ity, satria lany ny fotoam-piasanan’ny mpitondra, sao mieritreritra ny mbola hijanona eo ihany, satria efa tena leo ny ankamaroan’ny vahoaka amin’ny fijaliana mahazo azy. Ny rehetra koa efa mailo ka tsy ho voafitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony. Fa na izany aza, mila mailo hatrany, satria hanao izay fara heriny ny mpitondra TGV, satria mbola mizahozaho ihany izy ireo, fa mbola tsy nisy naharesy azy hono !

Source : http://www.gvalosoa.net

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...