TOAMASINA: MISY MANAMBOATRA MENAKA FIHINANA TSY ARA- DALANA

TOAMASINA: MISY MANAMBOATRA MENAKA FIHINANA TSY ARA- DALANA

 Catégorie : Vaovao Malaza


    Toerana iray ao Mangarivotra atsimo no ahitana olona mamokatra menaka tsy ara-dalana. Loharanom-baovao tamin'ny olona manondidina an'io toerana io no nahalalana fa misy olona manao menaka vita amin'ny Palmier antsokosoko. 

    Nisy ny fanaovana fanadihadihana sy fidinana ifotony nataonay ka tamin'izay no nahitana maso ireo olona manao an'ity seham-pivelomana tsy ara- dalana ity. Bidon maro efa misy ny menaka vita no hita tao an-toerana. 
    
    Niezaka ny nanadihady ireo olona manao ity menaka tsy ara-dalana ity izahay, fa tsisy hambara ireo olona sy ny tompony. Tsy manana taratasy avy amin'ny mpitondra isan'ambaratongany ireo olona ireo, ary tsy mananja ny fahadiovana indrindra fa ny ara-pahasalamana. Toerana feno loto no misy an'io no mbola anaty lakan-drano. 

    Raha ny fanadihadihana hatrany dia efa ela ireo olona ireo no nanao izao seham-pivelomana izay mamono ny mpiara-belona izao. Amidy any amin'ny toerana ambanivohitra ny menaka vita. Aiza ny tompon'andraikitra rehetra eto Toamasina manoloana io tranga io, fa indrindra ny ao amin'ny varotra sy ny fanjifana ? 

    Milaza ireo olona ireo fa efa nisy mpitondra fanjakana nanao fitsirihana io toerana io, raha marina izany, iza ilay mpitondra dia inona no tsy nandraisana andraikitra ? Fanontaniana iray ihany koa dia ny hoe avy aiza ny Palmier hanaovana an'io menaka maloto omena ny mpanjifa io ? 

Mila fandraisana fepetra haingana ity tranga ity mba tsy hiparitaka manerana an'i Madagasikara ka hiteraka aretina vaovao hafa ho an'ny izay mpanjifa azy io menaka io.
TV Presse Toamasina : Roimemy


RN 44

Nidina ifotony nijery ny asa fanamboarana sy nanao fitsirihana ny kalitaon’ny asa ny RN44 ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah

Ny lalana andiany faharoa mampitohy an’Amboasary sy Ivohidiala, mirefy 73 Km, ity notsidihana ity.
Araka ny hita teny an-toerana dia mandeha tsara ny fizotry ny asa. Vinavinaina ho vita alohan’ny faran’ny volana jolay izany. Efa vita tanteraka tamin’ny taona 2022 kosa ny andiany voalohany mampitohy an’i Marovoay sy Amboasary, mirefy 40Km.


ZAZA 7 TAONA NALAINA AN-KERINY: AVOTRY NY ZANDARY TAORIAN'NY NITANANA AZY 13 ANDRO.

Sampana fikarohana heloka Bevava Fiadanana/Antananarivo (Section des recherches criminelles) 26/04/23
13 andro no nitazoman'ireo olon-dratsy ity zazalahikely 7 taona monja.
Nitaky vola 10 TAPITRISA ARIARY ireo jiolahy tambin'ny famotsorana azy.

13 Aprily 2023 tamin'ny 4 ora sy sasany tolak'andro.
Nisy naka an-keriny teo antokotany tao Ambohidahy Ankadindramamy i R.T.M. Nanomboka teo dia antso miafina (inconnu) no nifandraisan'ireo mpaka an-keriny sy ireo ray aman-dreniny.
Nandeha ny fotoana sy ny fifampiraharahana tsy nisy vokany :

11 andro taty aoriana. Ny 24 Aprily 2023, tonga nampandre ny zandary tao Fiadanana ireo ray aman-dreny efa kivy tanteraka.

Nanomboka teo dia nanao ny fahaizamanaony ireo zandary. Nikaroka ny vaovao rehetra. Nipetraka ny velapandrika na dia kely aza ny angombaovao nananan'ny zandarimaria.

Namerina antso indray ireo jiolahy ny 26 Aprily 2023 ary nandrahona ny hamono ilay zazalahikely raha tsy azo io andro io ny vola takiany.

Voasambotra ny olona roalahy ahiahiana. Ary tamin'ny alalan'izy ireo no nahalalana ny toerana nitazonana ilay zaza. Tany Miadampahonina fokontany ao ihany kaominina Ambohibao Antehiroka. Vehivavy lehibe iray izay mpampiantrano ireo mpaka an-keriny sady nasaina nitaiza ilay zaza ary lehilahy iray no voasambotra tao an-trano. Ilay zaza kosa dia hita tao aminy, salama tsara na dia voatazona nandritry ny 13 andro aza.

Tsy nisy kosa ny fandoavana vola nataon'ny fianakavian'ilay zaza.

Mbola mitohy ny fikarohana ny namany hafa izay nandray anjara tamin'ity fakàna an-keriny ity ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha.
Eto no anaovanay antso avo ny olona rehetra fa raha vao iharany, mahita na maheno tranga fakàna an-keriny dia ampandreneso avy hatrany ny Zandarimaria mba handraisana fepetra. Eny fa na dia amin'ny fomba miafina aza.

Aretina lefaka hozatra : mila averina sy hamafisina ny vakisiny faobe



    Namparisarisa ny fanaovana vakisiny sy ny fanazarana ny reny mitondra ny zanany atao vakisiny ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19. Nahitana trangana lefaka hozatra miisa 200 teto Madagasikara ny taona 2023. Antony, nikorotana ny famatsiana sy fanafarana vakisiny nandritra ny fandalovan’ny valanaretina.
    Nialoha izao, efa voafehy ny aretina lefaka hozatra satria efa tonga teo amin’ny dingan’ny fahazarana manao vakisiny i Madagasikara (vaccin de routine). Ho vaha olana amin’ny fiverenan'ny aretina dia amporisihin’ny UNICEF sy ny OMS Madagascar ny hameranana faobe ny fiarovana eto Madagasikara toy ny teo aloha.
    Mila atomboka haingana ny fanaovana vakisiny faobe manerana ny Nosy indrindra amin’ny zaza tsy mbola nahazo izany, hoy ny UNICEF nandritra ny fampahafantarana ny hetsika Urban Trail izay hotanterahina ny 30 aprily izao.
    Manamafy ny ady amin'ity valanaretina ity hatrany ny fanjakana amin'ny alalan'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fahasalamam-bahoaka ary ny mpiara-miombona antoka aminy (UNICEF, OMS, Rotary Club). Hisy, araka izany, ny "trail Urbain" andiany fahenina izay karakarain'izy ireo ho fanentanana amin'ny fanaovam-bakisiny sy hanangonana vola entina miady amin'ity valanaretina ity ny 30 aprily ho avy izao. Hetsika handoavan'ny mpiazakazaka tsirairay vola 5.000 Ar. Ny tombony azo amin'io dia harotsaka manontolo amin'ny " fonds polio international" entina hamatsiana ny hetsika fanaovana vakisiny.
    Ho an'ny minisiteran'ny Fanabeazana manokana, mahatratra 4.000 ny mpianatra handray anjara amin'ny hetsika. Handray anjara mivantana amin'ny hazakazaka ny 300 rehefa avy nanao fizaham-pahasalamana ka nahazo alalana.

« Tolona omby» : hamokarana fandaharana sy hisarihana mpizaha tany



    Ampahafantarina ao anatina fandaharana handeha amin’ny fahitalavi-pirenena malagasy (TVM) ny tontolon’ny tolona omby eto Madagasikara. Ho fantatra ao anatin’izany ny fombafomba raketiny, ny tekinikan’ny tolona omby ary ny anjara toerany ao anatin’ny kolontsaina malagasy. Ankoatra ny lafiny kolontsaina, voizina ao koa ny paikady ametrahana ity fomba amam-panao ity mba hisintonana mpizaha tany.
 
    Ny sabotsy 29 aprily no halefa ao amin’ny TVM ny fandaharana voalohany ary hisy isaky ny sabotsy faran’ny volana mialoha ny vaovao an-tsary hariva izany. Hiova isaky ny fandaharana ny lohahevitra. Ho fantatra amin’izany ny maha samihafa ny tolona omby isam-paritra (Merina, Betsileo,Vakinakaratra…), ny fombafomba fanao isaky ny hitolona omby, ny tantarany sy ny lanjany eo amin’ny fiarahamonina malagasy.
 
    Hisy, ankoatra izay, ny “site” antsoina hoe “Tolon’omby Touristique” apetraka ao Alakamisy Ambohimaha, faritra Matsiatra Ambony. Ankoatry ny maha kolontsaina sy fialamboly ity fomba fanao ity dia velarina amin’ny fampananana asa ho an’ny tantsaha koa izany amin’izao fotoana izao.
    
    Ny orinasa « Madagascar Nouvelle Génération d’Entrepreunariat » (MNGE) no mandrindra sy mitantana ny ny fandaharana sy ny “site” ao Alakamisy Ambohimaha io.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...