BATAILLON INFANTERIE TOLIARA

BATAILLON INFANTERIE TOLIARA : NAHITAM-BOKANY NY ASA FISAFOANA

Catégorie : Vaovao Malaza



    Omby 2 nangalarin’ny dahalo tao ao amin’ny Kaominina Antanimieva, Distrikan’ny Morombe no tafaverin’ireo miaramila avy ao amin’ny Compagnie d’Infanterie Antanimieva ny 16 Aprily lasa teo.

    Taorian'ny fifandonana tamin'ny miaramila dia vaky nandositra ireo dahalo ka mbola mikaroka azy ireo ny miaramila ankehitriny mba hahafahan’ny vahoaka miaina ao anatin’ny fandriampahalemana.


𝗙𝗜𝗟𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗩𝗜𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔

Alarobia 19 aprily 2023

Anisan'ireo fampitana am-bava nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina ny 19 aprily 2023 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny:
 
  • Fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony ny Filoham-panjakana sy ny Lehibena Governemanta ao anatin’ny Vondrona COMESA (Marché Commun de l’Afrique Orientale et Australe) andiany faha-22, ny 08 jona 2023 any Lusaka, Zambie.
  • Ny hikarakarana fifampidinihana (dialogue) amin’ny fanatanterahana ny drafim-pifaninanana (procédures compétitives) mba hahitana vahaolana maika sy maharitra hahafahana manarina ny orinasa SECREN any Antsiranana.
  • Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny pitsopitsony amin’ny maodely ara-toekarena amin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny Bankin’ny Paositra (Banque Postale).


Fiaraha-miasa Assemblée nationale Frantsay sy Malagasy



Noraisin’ny Filohan’ny Assemblée nationale frantsay Ramatoa Yaël Braun-Pivet ny Filohan’ny Antenimierampirenena Ramatoa Razanamahasoa Christine ny talata faha-18 aprily 2023 tao amin'ny Palais Bourbon ao Paris.

Ankoatry ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena frantsay sy malagasy dia efa naharitra an-taonany maro ihany koa ny vondrom-pifankatiavana teo amin’ny parlemanta roa tonta ary mbola hohamafisina hatrany izany finamanana izany. Niara-nidinika nandritra izao fihaonana izao ireo solontenan'ny Assemblée nationale frantsay toy ny Filohan'ny vaomieran'ny raharaham-bahiny Andriamatoa Jean-Louis Bourlanges sy ny solombavambahoakan'ny frantsay ivelan'ny France Ramatoa Amélia Lakrafi. Nanatrika ihany koa Andriamatoa Olivier Hugues Rija Rajohnson, Ambasadaoron'i Madagasikara any France.

Ny tanjona lehibe indrindra dia ny hisian'ny fiantraikan'izany fiaraha-miasa izany amin'ny fiainan'ny vahoaka ary amin'ny fomba maharitra.
Nanoratra tao anatin’ny boky volamena ny Filohan’ny Antenimierampirenena ho mariky ny fandalovany sy nahafahany naneho ny fankasitrahany tamin’ny fandraisana sy ny faniriany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany.


TRANGA TSY FANDRIAMPAHALEMANA: FANENDAHANA AMIN'NY ENDRIKA TAXI MOTO ETO AN-DRENIVOHITRA (source facebook)



Mitandrema ry zareo raha mba sendra mande taxi-moto avy eo Anosizato ho any Ampasika na mianavaratra mande digue iny fotsiny rehefa amin'ny hariva na alina. (eo amin'ny 7 sasany mahery kely eo).

Ohatr'izao lay tranga :

Teo anosizato no nandray taximoto hande hody ho any Ivato ilay namako satria tsy nahita taxi-brousse hidina ho any Atsirabe intsony, amin'ny 8 latsaka eo ny ora. Nisy 4 moa ry zalahy taxi-moto no nifandrombaka an-lery teo ka de nifanaraka ny farany oe aleo hoentin' ilay anakiray fa zay ony  no mbola tsy de nisy kandra ny atoandro...

Dia rehefa raikitra ny prix dia hoy ilay bandy taxi-moto hoe aleo tonga de mba manao essence eto fa efa kelikely ny ato, de ok hoy ilay bandy akamako, de natao ny solika de lasa avy eo..
Rehefa teo akaiky ny art malagasy iny @ digue iny amin'izay dia hoatran'ny  hoe nitambokombokona le moto, dia hoy ilay taximoto oe aleo lo mba verifiena kely refa tonga teo akaikin le tetezana miantona iny, dia nijanona dia nasainy nidina ilay namako, dia nanokatra seza lery ohatran'ny hoe mody iverifier batterie, kay tonga dia antsy be ohatran'ny hoe antsim-bilona reny fa ngeza be (efa namboarina tsara anao courbe manaraka an'ilay malle iny) no navokan'lery tao, tonga dia tsy afa-nietsika ilay bandy akama fa tonga dia voaendaka teo, dia avy eo vôlako dia nidaraboka tamin'ny tany dia ilay olon-dratsy avy eo lasa nitsoaka any @ iny sampanan' Ambohitrimanjaka iny...

Efa lasa ilay olon-dratsy vao tonga saina ilay namako oe hoatran'ny tsy nitambokombokona izany ilay moto fa nande tsara fa mody nanaovan'ny lery jeu d'accelerateur fotsiny mba anehoany oe mitambokombokona sy ahafahany mijanona eo amin'ilay toerana anaovany ny asa ratsiny.

Nisy fiara nandalo ihany moa nandritry izany action izany fa tsy nisy sahy nijanona. (Tsy afaka ny omena tsiny moa izy ireo satria tsy fantatra izay antony tsy nijanonany, sy izay mety ho naman'ilay mpanendaka teo @ manodidina teo)
Vokany, lasan'ilay olon-dratsy ny kitapo nisy akanjo sy vola 1M5, tonga de tsy nisy inon'inono ilay bandy akama fa dia nande tongotra namonjy P/R de nitantara ny zavatra nanjo an'azy, dia teo vao mba nanaovan'ny polisy auto-stop tamina personnel reny (izay isaorana azy ireo) de mba tonga soamatsara tany Ivato ihany avy eo..
Marihina fa tena olona  madio tsara, ary moto 4 temps mbola raitra tsara, tsy eritreretinao oe handeha hanendaka izany mihintsy izany

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...