TAFIKA AN-DRANOMASINA : SAMBO MPANJONO TSY ARA-DALANA 2 NO SARON’NY PC MALAKY
Catégorie : Vaovao Malaza
Hita nandritra ny fisavana ireo sambo ny fitaovam-panjonoana samy hafa kanefa araky ny fanazavana azo avy amin'ny APMF “Agence Portuaire Maritime et Fluviale" ao Analalava dia voarakitra ho sambo mpitatitra olona eo Analalava sy Befotaka ny iray tamin’ireo sambo. Ny sambo iray kosa dia tsy nanatanteraka ny fampahafantarana ny fiaingany teo anivon'ny APMF Nosy-Be mialohan’ny handehanany hanjono.
Efa natolotra ny manampahefana ao Nosy-Be Hell-Ville ireo tatsambo hatao fanadihadiana ary nampidirina ambalam-pamonjana kosa ireo sambo.
Ny Tafika Andranomasina dia manentana mandrakariva ireo mpisehatra eny amin'ny ranomasina mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fitrandrahana sy ny fifezivezena an-dranomasina mba hampirindra ny fitrandrahana harena an-dranomasina ho tombotsoan’ny be sy ny maro.
« Tetikasa Tafaray » : fahasalamana ho an’ny daholobe
Tanjona ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fiatrehana ny valanaretina izay mety hiseho eto amintsika ary ny hampiroboroboana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Ho lohalaharana amin’izany ny fahasalaman’ny vehivavy, ny zatovovavy ary ny zaza latsaky ny dimy taona.
Haharitra hatramin’ny taona 2026 ity tetikasa ity. Ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola. Ministera efatra kosa no miara-miasa hampandrosoana izany dia ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ary ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka.
Tontosa omaly tao Toamasina ny lanonana fanombohana ofisialy ny tetikasa, notarihin’ny minisitry ny Fahasalamana, Profesora Randriamanantany Zely Arivelo niaraka tamina manampahefana sy olo-manan-kaja maro.
Vanin-potoanan'ny fararano : ahitana fikorotanana ny toetr’andro
Dimy andro mialoha ny fiafaran’ny vanim-potoanan’ ny fahavaratra ny eto amintsika izao, araka ny voalazan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro.
Ny volana martsa sy ny aprily dia nahitana fikorotanan’ny toetr’andro na “variabilité climatique” indrindra ny tany amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy. Io fikorotanana io no antony mahatonga ny oram-baratra arahana havandra izay hita tany amin’ny faritra samihafy teto Madagasikara tao anatin’ny roa herinandro lasa teo.
Tsy atahorana intsony ny hisian’ny rivo-doza handalo, hoy hatrany ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
Amoron’i Mania : nahazo fitaovana hiadiana amin’ny andiambalala avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Velaran-tany maro amina kaominina anatin’ny faritra Amoron’ i Mania no nisitraka fitaovana sy fanafody hoenti-miady amin’ny andiam-balala. Nitarika ny fanolorana izany ny talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana any an-toerana.Natao izany mba ho fiarovana ny fambolen’ny tantsaha, toy ny vary sy voanjo izay isany misongadina amin'ity faritra ity.
Hidina ifotony eny anivon’ny faritra Amborimpotsy, Manjakatokana, Mangatamboahangy ny tekinisianina mpamono valala sy ny tantsaha izay nanomboka teny amin’ny faritra Midongy Andrefana.
Fahatapahan-jiro mifandimby : tsy fahampian’ny solika mavesatra sy milina no olana
Antony maro no tsy maintsy idiran'ny orinasa Jirama amin'ny fanapahan-jiro mifandimby amin’izao. Ny fanatsaharan'ny orinasa Henri Fraise et Fils ny milina mpihary herinaratra no antony ho an’ny any amin’ny faritra. Ho an’ny eto Antananarivo kosa, ny tsy fahampian'ny solika mavesatra no olana. Ankoatra izay ny tsy fandoavan'ny orinasa maro ny trosan'ny orinasa Jirama izay miteraka tsy fahafahana manefa ny volan'ny mpamatsy solika.Ireo no fanazavana nentin’ny minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Andriamanampisoa Solo androany 24 aprily.
Vahaolana heverina hampiova izao zava-misy izao ny fandoavan'ny tsirairay ny trosany. Eo koa ny fidirana tsikelikeky amin'ny " prépaiement". Isan'ny vahaolana fohy ezaka ny fitsitsiana ny solika misy eo am-pelatanana. Vahaolana lavitra ezaka ny fanafainganana ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro miisa 37 amin'ny distrika 37 mba hialàna amin'ny fiankinan-doha amin'ny solika. Hafainganana koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro eto amin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Anisan'ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga.
Na izany aza, efa manomboka mihena ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny faritra sasany taorian'ny fitsinjarana solika hamokarana herinaratra, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny Jirama. Mbola tsy mivaha tanteraka anefa ny olana amin'izao fotoana izao. Misy ny faritra mampihatra izany mafimafy kokoa toa an'i Mahajanga, Nosy-Be, Ambositra sy ny maro hafa. Maharitra eo amin'ny ora roa eo ny fanapahana isaky ny foibe fiaingan’ny herinaratra ho an'Antananarivo.
Fananan-tany: ny 20%n’ny tany eto Madagasikara no misoratra amin’ny Malagasy
Voalaza ho manana zaratany " parcelle" 10 tapitrisa ity tanin'i Madagasikara ity. Ny 20 isan-jato monja no voasoratra amin'ny tompony. Tsy misoratra amin’ny taniny, araka izany, ny 80 isan-jaton'ny Malagasy. Anaovan’ny fanjakana ezaka, noho izany, ny fanomezana sy fanoratana ho an’ny Malagasy, indrindra ny tantsaha : ny tany mbola tsy vita titra na kadasitra, ny tany tsy misy tompony sady tsy tanim-panjakana, ny tany tsy misy fiangonana na fasandrazana, ny tany tsy tafiditra ao anatin'ny valan-javaboahary. Izay efa nohajariany 5 taona farafahakeliny no hanomena amin’izany. Malagasy 2 tapitrisa no kendren’ny Fanjakana hahazo kara-tany hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Heverina ho 1 tapitrisa isan-taona no hisitraka izany aorian’ity taona ity.
Ho fanamafisana ny fanentanana ny Malagasy mba hazoto hanoratra aminy ny taniny dia misy ny fikarakarana hetsika herinandron’ny kara-tany. Nosokafan'ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin'ny fomba ofisialy androany teto Antananarivo izany. Tantsaha miisa 50 no nisitraka kara-tany nandritra ny lanonam-panokafana.
Hotanterahina manerana ny distrika 119 ny herinandron'ny kara-tany. Fanentanana sy fiantsoana ny vahoaka malagasy hanao fangatahana kara-tany no atao mandritra izany. Natao hanazavana ny fombafomba sy pitsopitson’ny fanatanterahana ny fangatahana kara-tany koa izany, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fanana-tany Ramaholimasy Holder.
CEPE - Antananarivo : nihena ny isan’ny mpiadina
27 862 ny isan'ny mpiadina. 7 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 70 taona ny zokiny indrindra. Miisa 21 ny manana fahasembanana.
Nisafidy ny sokajy B ny 24 508, sokajy C ny 3 286 ary 68 no ao amin’ny sokajy A. Hotsinjaraina amina toeram-panadinana miisa 43 na efitran-tsekoly 680 izy ireo.
Tsiahivina fa ny 20 jona izao no hanatanterahana ny adina CEPE.
Tsiahivina fa ny 20 jona izao no hanatanterahana ny adina CEPE.




Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire