MANDRAKA : KAMIAO NIVADIKA MITERAKA FITOHANANA
Catégorie : Vaovao Malaza
MPITONDRA MOTO MATY TETSY TSARASAOTRA.
Loza nahafaty lehilahy 2 teny Tsarasaotra. Mamy Harivola R., 27 taona sy Miahy Mampionona R.,26 taona ireo roalahy niara-nandeha moto grosse cylindrée hita faty omaly tamin'ny 7 ora maraina.Lalana ho any Ivato izy ireo raha ny fantatra ary ny moto any anaty rano sy izy ireo nipitika teo akaiky teo no hitan'ny olona teo amin'ny lalam-baovao sampanana Ambodifasina.
Ny ekipan'nty Vaovao Androany dia mirary fiononana feno ho an'ny ankohonany sy ny fianakaviany manontolo.
𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗠𝗘𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗢𝗡𝗚 𝗧𝗔𝗞 𝗦𝗬 𝗦𝗔𝗠𝗔𝗥𝗜𝗧𝗔𝗡’𝗦 𝗣𝗨𝗥𝗦𝗘
22 aprily 2023, AmbovombeNahazo ireo fanomezna na "shoes box" avy amin'ny Samaritan’s Purse sy ONG TAK ihany koa ireo ankizy tao Ambovombe Androy. Ny tetikasa “shoes box”, ankoatra ny fizarana fanomezana ho an’ny ankizy malagasy, avy amina ankizy amerikanina azy, dia entina ihany koa hampitana ny fitoriana ny filazan-tsara.
Nankasitraka ny Filoham-pirenena ny pasitora Phillibert izay tompon’andraikitry ny ONG TAK, satria ny ahafahana mizara ireo fanomezana ho an’ny ankizy maro manerana ny faritra 23 eto Madagasikara, dia noho ny fanomezan’ny Fitondram-panjakana fanafoanana ny hetra eny anivon’ny fadin-tseranana amin’ny fampidirana ireo fanomezana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nomarihin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ankoatra ny fanomezana nozaraina dia ny fitaizana ara-panahy no fanomezana tsara indrindra azon'ireo ankizy, ary indrindra mizara hafaliana ho an'ireo ankizy any Atsimo.
𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗔𝗞𝗔𝗙𝗢 𝗠𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗡𝗬 𝗦𝗬 𝗭𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗢𝗡𝗡
22 aprily 2023, AmbovombeNitsidika ireo reny mitaiza kely misitraka ny tetikasa tohana ara-tsakafo avy amin'ny ny Office Nationale pour la Nutrition (ONN) ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny diany tao Ambovombe Androy. Tetikasa maharitra izay hiarahan’ny ONN sy ny PAM moa ity fizarana sakafo mafana ity ary indrindra fomba iray nafahana nampidina ny tahan’ny zaza hiharan’izany tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izany ho 6% raha toa ka 10% izany tamin’ny taon-dasa.
𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗦𝗔𝗞𝗔𝗙𝗢 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗢𝗞𝗔𝗡𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗘𝗙𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗟𝗜𝗣𝗢𝗧𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗣𝗔𝗠
22 aprily 2023, MaroalopotyTokantrano marefo miisa 284 avy ao amin’ny kaominina Maroalipoty no nisitraka fanampiana ara-tsakafo noho ny vokatry ny haintany miverimberina izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny World Food Programme. Vary, voamaina, sorgho, menaka, no nozaraina ho an'ireo tokantrano marefo ary nahazo fanampin-tsakafo be otrikaina ihany koa ireo zaza sy reny bevohoka sy mampinono.
Anisan’ny hisitraka ny fanamboarana ny pipeline Efaho ny ao Maroalipoty ary nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa latsaky ny herintaona dia efa hahazo rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana ao an-toerana. Nisaotra manokana ny PAM moa ny Filoham-pirenena amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanohana ireo mponina any Atsimon’ny Nosy.
Nambarany ihany koa fa efa misy ny tetikasa hanohanana ny vahoaka mba hahaleo tena ka tsy hiankin-doha amin'ireo fanampiana. Anisan’izany ny fanomezana masomboly mifanaraka amin’ny toe-tany any an-toerana toy ny sorgho, ny mangahazo sy ny fampitaovana amin’ny fanodidina ireo vokatra ireo ho lafarinina. Hisitraka ny fanampiana ara-bola amin’ny alalan’ny tetikasa miavotse, hiarahana amin’ny banky iraisam-pirenena ihany koa, ireo tokantrano marefo ao Maroalipoty hoy hatrany ny Filoha.
𝗙𝗔𝗡𝗢𝗠𝗕𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗣𝗜𝗣𝗘𝗟𝗜𝗡𝗘 𝗘𝗙𝗔𝗛𝗢
22 aprily 2023, Ambovombe AndroyPaikady napetraky ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hiadiana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny Faritra Androy sy Anosy ny fanamboarana fitarihan-drano goavana mirefy 97km na pipeline avy amin'ny reniranon'i Efaho. Mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio, tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy.
Tonga nanamarika ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy izany tetikasa goavana izany, izay hanova ny tantaran'ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny ny Filoha Andry Rajoelina androany 22 aprily 2023, tao Ambovombe Androy. Velirano hoy izy no natao ary izay manome rano manome aina, mamelona ny vahoaka ary mampandroso ny Faritra
Hamakivaky tanàna miisa enimpolo (60) ao anatin’ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak’i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty ity pipeline ity. Ankoatra ny rano fisotra madio sy rano ho an'ny fambolena sy fiompiana dia hanatsara ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara ary ny hanamafy ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Tonga nanamarika ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy izany tetikasa goavana izany, izay hanova ny tantaran'ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny ny Filoha Andry Rajoelina androany 22 aprily 2023, tao Ambovombe Androy. Velirano hoy izy no natao ary izay manome rano manome aina, mamelona ny vahoaka ary mampandroso ny Faritra
Hamakivaky tanàna miisa enimpolo (60) ao anatin’ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak’i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty ity pipeline ity. Ankoatra ny rano fisotra madio sy rano ho an'ny fambolena sy fiompiana dia hanatsara ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara ary ny hanamafy ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗡𝟭𝟯 𝗧𝗔𝗢𝗟𝗔𝗚𝗡𝗔𝗥𝗢 - 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗩𝗢𝗠𝗕𝗘
22 aprily, ManambaroMiroso hatrany ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an'Ambovombe sy Taolagnaro izay efa velirano nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny vahoaka no tsy maintsy hanamboarana izany. Nijery ny firosoan'ny asa fanamboarana teo amin'ny PK92 Manambaro sy PK68 ny tenany nandritra ny diany tao amin'ny Faritra Androy. Nohamafisin'ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy miova ny tantaran'ny faritra Atsimon'ny Nosy amin'ireo fotodrafitrasa goavana napetraky ny Fitondram-panjakana ao an-toerana.
Raha tsiahivina dia tamin'ny volana jona 2022 no nanomboka ny asa fanamboarana ity ampahan'ny lalana mirefy 114km mampitohy an'ny Taolagnaro sy Ambovombe ity. Ifarimbonan'ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Banque Européenne d'Investissement (BEI) kosa ny fanatanterahana azy.



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire