Fitokanana nataon'i Filoha Andry Rajoelina tao Ambositra

Fitokanana nataon'i Filoha Andry Rajoelina tao Ambositra

CatΓ©gorie : Vaovao Malaza

π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—•π—œπ—₯𝗔𝗒𝗑'𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—”π—Ÿπ—˜π—”π—©π—”π— -𝗣𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—”π— π—œπ—‘π—”π— -π—•π—”π—›π—’π—”π—žπ—” 𝗔𝗒 𝗔𝗠𝗒π—₯𝗒𝗑'π—œ π— π—”π—‘π—œπ—”

15 aprily 2023, Ambositra


 
Anisan'ny hisitraka ny birao vaovaon'ny Fitaleavam-paritry Filaminam-bahoaka Amoron'i Mania ireo distrika efatra dia Ambositra, Ambatofinandrahana, Fandriana ary Manandriana. Napetraka ny fotodrafitrasa tahaka itony hoy ny Filoha Andry Rajoelina mba hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka malagasy sy hanampy amin'ny fandrindrana ny filaminam-bahoaka isaky ny distrika.
"Rehefa miverina ny fandriampahalemana dia miverina ho azy ny fahatokisan'ny vahoaka ny Fitondram-panjakana ary mihamafy orina ny fampandrosoana hapetraka. Koa adidintsika ny manakaiky ny vahoaka sy mamerina ny fandriampahalemana" hoy hatrany ny Filoha.
Ankoatra ity eto Amoron'i Mania ity dia mbola misy biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka miisa 12 hafa sy kaomisaria miisa 20 ihany koa efa mitsangana manerana ny Nosy.

π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” GARE ROUTIERE AMBOSITRA


Ny Gare routiere indray no tokanan'ny Filoha Andry RAJOELINA amin'izao fotoana izao.
Marihana fa tsy mbola nisy Gare Routiere mihitsy tao Ambositra ka ity no voalohany tao an-toerana
Anisan'ireo fotodrafitrasa natolotra ny vahoakan'Amoron'i Mania nandritra ny dian'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Ambositra ihany koa ny tobim-piantsonan'ny taksi borosy manara-penitra. Raha ankalamanjana teo aloha ny tobim-piantsonana teo an-toerana dia afa-pahasahiranana araka izany na ireo mpandeha na ireo mpitatitra satria hanamora ny fitaterana ny olona sy ny entana ny fisian’izao fotodrafitrasa izao.
 
Mahazaka fiara miisa hatramin’ny 60 ity fotodrafitrasa ity ary manaraka ny bokin'andraikitra mifehy ny tobim-piantsonana. Ankoatra ireo "box" misy ireo zotra nasionaly sy rezionaly, dia hitao ihany koa ny toeram-pisakafoana sy fivarotana samihafa.

π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—•π—œπ—₯𝗔𝗒𝗑'𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—”π—Ÿπ—˜π—”π—©π—”π— -𝗣𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔, 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔𝗑'𝗔𝗦𝗔, 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔𝗠-π—£π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—‘π—” π—¦π—’π—¦π—œπ—”π—Ÿπ—¬ 𝗔𝗒 𝗔𝗠𝗒π—₯𝗒𝗑'π—œ π— π—”π—‘π—œπ—”



Manana ny fotodrafitrasa azy manokana ankehitriny ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalΓ na sosialy ao Amoron'i Mania hatramin’ny nitsanganany tamin'ny taona 2011. Ity no biraon'ny Fitaleavam-paritra fahadimy ho an'ity minisitera ity efa am-perinasa manerana an'i Madagasikara.
 
Mitohy arak’izany ny ezaky ny Fitondram-panjakana hametraka fotodrafitrasa sahaza ny faritra sy ny distrika tsirairay ary indrindra ho fanamafisana ny fisian’ny Fitondram-panjakana sy Fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky vahoaka

π—™π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—˜π—£π—£ 𝗠𝗔𝗑𝗔π—₯𝗔-π—£π—˜π—‘π—œπ—§π—₯𝗔 π—”π—Ÿπ—”π—žπ—”π— π—œπ—¦π—¬ π—”π— π—•π—’π—¦π—œπ—§π—₯𝗔






Mpampianatra FRAM miisa 314 no notolorana ny fifanaraham-piaraha-miasa ho mpiasam-panjakana nandritra ny fanolorana ny EPP Manara-penitra Alakamisy nandritra ny dian'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Ambositra.
 
Mitohy hatrany araka izany ny fanatanterahana ny velirano faha efatra nataon'ny Filoha Andry Rajoelina dia fanolorana fanabeazana tsara kalitao sy ny tontolon'ny fampianarana mendrika ho an'ny zaza malagasy. Tamin'ny 1898 no niorenan'ny EPP voalohany teto Alakamisy ary izao vao nisy fotodrafitrasa vaovao indray hoan'ireo mpianatra.

π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—™π—’π—‘π—π—”π—•π—˜π—‘'π—”π—‘π—žπ—’π—₯π—’π— π—•π—˜, π—”π— π—•π—’π—¦π—œπ—§π—₯𝗔


Ho fanatanterahana ny velirano voalohany nataon'ny Filoham-pirenena momba ny fametrahana fandriampahalemana sy filaminana dia tafiditra ao anatin'ny politika ankapoben'ny fanjakana ny fananganana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny fonja. Ny fananganana fonja manaraka ny fenitra dia natao indrindra ihany koa hanajana ireo zo mahaolona an'ireo voafonja. Nanombohan'ny Filoham-pirenena ny diany tao Ambositra androany 15 aprily 2023 ny fitokanana ny fonjabe ao Ambositra Ankorombe.
 
Mahazaka voafonja 900 ity fotodrafitrasa vaovao ity, ary fonjabe natao hitazomana ireo mbola miandry fitsarana, voaheloka an-tranomaizina noho ny heloka tsotra, heloka madinika, ireo voaheloka hanao asa an-terivozina ao anatin'ny fotoana voafetra, ireo nanao heloka bevava. Ankoatra ireo trano fatorian'ireo voafonja dia hita ao an-toerana, ny efitra fidiovana sy fivoahana, ny toeram-pitsaboana sy ny "batiment administratif".
 
Araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry Rajoelina tsy tokony ho toerana fanasaziana fotsiny ny fonja fa tokony hanarenana sy hanitsiana ny olona diso lalana mba ho olom-baovao izy ireo rehefa miverina eo anivon'ny fiaraha-monina. Ka noho izany indrindra dia ahitana toeram-piofanana ihany koa ity fonja eto Ambositra ity toy ny fiofanana mandrafitra. Hisy koa ny velaran-tany mirefy 500ha omena hambolen'ireo voafonja hamokaran'izy ireo ihany ny sakafo hoaniny

π—™π—”π—‘π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—žπ—œπ—”π—‘π—π—” 𝗠𝗔𝗑𝗔π—₯𝗔-π—£π—˜π—‘π—œπ—§π—₯𝗔 π—”π— π—•π—’π—¦π—œπ—§π—₯𝗔 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘'𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—” π—”π— π—œπ—‘'𝗑𝗬 π—©π—”π—›π—’π—”π—žπ—”




Namaranana ny fitokanana ireo fotodrafitrasa nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao Ambositra ny kianja manara-penitra eo Ankorombe. Mahazaka mpijery miisa 1000 mahery ity kianja ity, ary manana ny « salle de musculation » voalohany indrindra amin’ireo kianja manara-penitra rehetra natao.

Ny tanjona amin’ny fanamboarana kianja manara-penitra toy izao dia ny hamolavolana taninketsan’ny fanatanjahan-tena malagasy.
Tamin'io fotoana io ihany koa no nihaonan'ny Filoham-pirenena tamin’ny vahoakan'Amoron'i Mania tonga maro be tao an-toerana. Notolorana motos avokoa ireo ben'ny tanΓ na miisa 61 ao amin'ity Faritra ity sy fiara vonjy aina tsy mataho-dalana ho an'ny distrikan'Ambatofinandrahana, Ambositra sy Fandriana. Fianakaviana marefo maherin'ny 3000 ihany koa no nisitraka ny vatsin'ankohanana tao Ambositra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mΓ©rite d'Γͺtre riche

Tout le monde mΓ©rite d'Γͺtre riche Le livre "Tout le monde mΓ©rite d'Γͺtre riche" est une Ε“uvre rΓ©volutionnaire Γ©crite par O...