FIKOJAKOJANA LALANA PAVE TSARASAOTRA-ATSOFONONDRY.
Catégorie : Vaovao Malaza
Communes 4 no misitraka an'iny lalana iny ka tokony hikarakara azy raha ny fifanarahana tamin'ny nanamboarana azy tany amboalohany dia ny Commune ny Ambatolampy Tsimahadotsy, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra ary Ambohimanga Rova.
Misy ireo Communes mahavita sy manao izany fikojakojana izany saingy misy koa ireo tsy manatanteraka ny andraikiny.
Androany dia nisy ny Fidinan'ny Governora Analamanga sy ny mpiara miasa aminy ary ny avy ao amin'ny Tale paritry ny asa vaventy Analamanga ary ny avy ao amin'ireo Commune voalaza ireo.
Tsikaritra fa akoatra ny fahasimban'ny lalana dia misy ireo olona tena minia manala ireo vato pavé ary manary izany any anaty rano. Misy koa ireo fiara vaventy manala ireo "barrière" natao ho fetran'ireo fiara afaka mandalo amin'iny lalana iny ka miteraka izao fahasimbany haingana izao.
Tapaka ary androany fa akoatra ny fanamboarana hataon'ny Faritra dia tsimaintsy manao ny asa fanamboarana sy fikojakojana ireo communes rehetra manodidina. Ho hamafisina ihany koa ny fiambenana sy ny sazy ho an'ireo fiarabe mbola mikiry hande amin'iny lalana iny.
VOLA 400 TAPITRISA NANJAVONA TAO AMBALAVAO
Polisy Telo lahy niambina tamin'ny fahaverezan'ny vola 80 tapitrisa Ariary tamin'ny herintaona ihany no niambina tamin'ny fanjavonan'ny 400 tapitrisa Ariary farany teo...
Io Percepteur Principal teo aloha io, izay tsy nenjehina sy nosaziana akory tamin'io resaka tamin'ny herintaona io fa naato tao amin'ny Trésor fotsiny, kanefa nanaiky namerina ilay vola 80 tapitrisa Ariary...
Ny mampalahelo amin'ity izy raharaha ity dia ireo mpiasan'ny Trésor Ambalavao indray no ifaharan'ny rihitra ho nanao fanodikodinam- bolam- panjakana.
- Hiakatra fampanoavana anio talata ao Fianarantsoa ity raharaha ity.
- Voamarika ary voalaza fa misy porofo ny fiverenan'ny anarana Polisy telo lahy izay nanao ny fiambenana tamin'ny nanjavonan'ny vola simba sy ambina caisse mitentina 80 tapitrisa Ariary, ary ireo ihany no nanao ny fiambenana tamin'ity nanjavonan'ny vola 400 tapitrisa ariary ity.
- Efa natao famotorana sy fanadihadiana ireo Polisy ireo ny sabotsy lasa teo.
- Mandeha any an- toerana ny feo fa nalefa niala tany izy telo lahy??? Ho hitantsika eo amin'ny fampanoavana androany ny mety ho fahamarinan' izay...
Io Percepteur Principal teo aloha io, izay tsy nenjehina sy nosaziana akory tamin'io resaka tamin'ny herintaona io fa naato tao amin'ny Trésor fotsiny, kanefa nanaiky namerina ilay vola 80 tapitrisa Ariary...
Ny mampalahelo amin'ity izy raharaha ity dia ireo mpiasan'ny Trésor Ambalavao indray no ifaharan'ny rihitra ho nanao fanodikodinam- bolam- panjakana.
RAKOTOASIMBOLA ZAKANIRINA NA NINA
LASA NANAO FITSAPANA ANY AMIN'NY EKIPAN'I PARIS FC
Omaly 24 Avrily 2023 dia lasa niondrana any Paris - France ilay mpiandry tsatokazon'i ELGECO PLUS FC sady mpiandry tsatokazon'ny ekipam-pirenena malagasy Barea RAKOTOASIMBOLA ZAKANIRINA NA NINA. Hiatrika fitsapana ao amin'ity ekipa ao Paris ity no anton-diany any an-toerana.
Raha ny fantatra dia tohin'ny fifampiresahana sy fiaraha-miasa eo amin'ny klioban'i PARIS FC sy ny ELGECO PLUS FC izao dian'i NINA any Paris izao. Araka vaovao voaray dia ny 14 Mey ka hatramin'ny 22 Mey 2023 no hiatrehan'i NINA izany fitsapana izany.
PREFET AO NOSY BE : MANOME VAHANA IREO KARANA MPIVIDY TANY AMIN'NY TARATASY TSY MAZAVA ?
Manoloana ny famerenana ny tany antsoina hoe : "Villa Lacôme" ao Nosy Be amin'ny Fanjakana malagasy, maro amin'ireo teratany Malagasy ao Nosy Be no iharan'ny fanilihana amin'ny fahazoana mahazo mangataka am-pahatany amin'io tany io na efa nisy nahavita " prénotation " aza. Teratany vahiny, Karana Indo-Pakistanais antsoina hoe : Adamjee Mamod, izay voalaza fa manana taratasy fifampivarotana hosoka tamin'ny orinasa Société des Produits à Parfums (SPP) tompony, teo aloha, no misitraka an'izany voalohany ankehitriny ary afaka namefy avy hatrany ny tany. Mirefy 1 Ha 500 A io tany lasan'io Karana io. Araka ny fanangonam-baovao momba an'ity raharaha ampahan-tany mirefy 1 Ha 500 A amin'ny tany "Villa Lacomme" ity dia ny Prefen'i Nosy Be no nanao ny firaiketana an-tsoratra (Procès Verbal) ny alahady 9 Avrily 2023 (alahadin'ny Paska 2023) teo. Hitan'ny vahoakan'i Nosy Be manontolo izany.Efa tamin'ny taona 2008
Nisy teratany Malagasy iray efa nividy ampahan-tany mirefy 1 Ha 22 A, tamin'ny orinasa SPP ny taona 2008 anefa ary nahavita " prénotation ". Tamin'izany fotoana izany dia tsy azo hamidy intsony izany io tany io. Talohan'ny namerenana ny tany "Villa Lacomme" iray manontolo, nandritry ny Filankevitry ny minisitra tamin'ny fiandohan'ny volana Avrily 2023, lasa teo, efa nisy ampahan-tany tamin'io no efa tafafindra tamin'ny Fanjakana malagasy. Teratany Malagasy vitsivitsy miaraka amin'ity olona nahazo ny tany mirefy 1 Ha 22 A no nanao izany fangatahana izany, izay nivondrona tao anaty fikambanana iray. Ny Filankevitry ny Governemanta tamin'ny 18 janoary 2023 no namoaka izany ary nivoaka Didim-panjakana tamin'io daty io ihany. Izany hoe : " tsy azo hamidy intsony izany io tany io" taorian'izay. Ny 3 Febroary 2023 tena tafafindra tanteraka tamin'ny Fanjakana malagasy ilay tany ho fanatanterahana an'ilay fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Governemanta sy Didim-panjakana voalaza etsy ambony.Nomena tombony
Taty aoriana, rehefa tafafindra amin'ny Fanjakana malagasy avokoa ny tany "Villa Lacomme" iray manontolo, araka ny Filankevitry ny minisitra tamin'ity volana Avrily 2023 ity, ny mahagaga dia ity teratany Karana voalaza etsy ambony ity no nataon'ingahy Prefen'i Nosy Be laharam-pahamehana ny nanome am-pahatany azy ary afaka namefy izany ity farany. Rehefa miverina amin'ny Fanjakana malagasy mantsy ny tany dia azo natao indray ny mangataka ny tany ka izany no anton'izao tranga izao. Ny mahagaga, nahoana no tsy natao laharam-pahamehana amin'ny fanomezana ny ampahan-tany efa nampiasainy sy novidiany tamin'ny SPP ny malagasy efa teo? Ny teratany vahiny indray no nomena tombony nefa na ny taratasy fifampivarotana ny tany aza tsy azo antoka loatra.Taratasy hosoka?
Araka ny fanangonam-baovao natao dia nipoitra tampoka avy any ny taratasy fifampivarotana an'ilay am-pahatany 1 Ha 500 A teo amin'ilay teratany Karana Adamjee sy ny orinasa SPP. Tamin'ny alahadin'ny Paska, 09 Avrily 2023, no nipoitra voalohany io taratasy fifampivarotana io nandritra ny fihaonana notarihin'ny Prefet nanaovana firaiketana an-tsoratra nanomezana ny ampahan-tany an'ity farany. Rehefa zohina dia taratasy fifampivarotana noforonina izy io ary mampanahy fa taratasy hosoka. Mitondra ny datin'ny 21 Marsa 2021 izany taratasy fifampivarotana izany.Tsy ingahy Prefet ao Nosy Bé ihany no voatonotonona amin'ity raharaha ity fa misy olobe ao anatin'ny Zanaka Avaratra miditra an-tsehatra manampy ity Karana ity.


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire