Fiarovana ny asa famoronana : mitombo ny tonga mametraka ny asa famoronany eny amin’ny OMAPI

Fiarovana ny asa famoronana : mitombo ny tonga mametraka ny asa famoronany eny amin’ny OMAPI

 Catégorie : Vaovao Malaza





    Niakatra manodidina ny 15 isan-jato ny asa famoronana voaray sy voarakitra eny anivon’ny Ofisy malagasy misahana ny fizaka-manana ara-indostria (OMAPI) ho an’ny taona 2022, hoy ny tale jeneralin’ny OMAPI Andrianarivo Priscilla nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaka-manana ara-tsaina androany 26 aprily 2023.
    
    Betsaka ny olona tonga mametraka ny famoronany amin’ity ratsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ity, saingy mbola betsaka koa ny tsy voasarika amin’izany. Hanaovana ezaka manokana ny fanentanana ny mpamorona eny amin’ny sehatra tsy manara-penitra. Hisy ny fidinana ifotony hanatonana manokana azy ireny.

    Tanjona ny hampitomboana sy hiarovana ny famoronana tsirairay avy. Hiseho amin’ny endriny izany. Eon y fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpamorona sy ny mpampianatra mpikaroka ary ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Laha-dinika miisa 2 no dinihina: ny fomba hampifandraisana kokoa ny mpamorona amin’ny mpampiasa vola sy ny fandraisana anjaran’ny minisitera sy ny tomponandraikitra rehetra anatin’ny fikarohana fandikan-dalàna sy ny fitsarana. Miditra ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana tanteraka izany ary sehatra lehibe ahafahana mijery sy mandinika ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampihatra ny lalàna.

    Manao famelabelarana ao anatin’izany ny mpitsara, solon-tena avy ao amin’ny fampanoavana Antananarivo, ny mpitsara mpamoaka didy ary ireo mpikaroka ny fandikan-dalàna (mpitandro ny filaminana) hanazava ny dingana rehetra arahina raha sendra trangana fangalan-tahaka ny mpamorona iray izay nanao ny fiarovana ny famoronany tao amin’ny OMAPI.

    Nanome lanja ny vehivavy ny OMAPI tamin’ity fankalazana ity mba hamporisihana azy ireo hamorona kokoa.

Madagasikara-Espagne: hifantoka amin’ny lafiny toe-karena ny fiaraha-miasa



    Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny masoivoho vaovaon'ny Fanjakan'i Espagne, Raimundo Robredo Rubio androany 26 aprily 2023 teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.

    Noresahana nandritra ny izany ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta eo amin'ny sehatry ny toe-karena, ny jono, ny famokarana angovo azo havaozina ary ny fizahan-tany sy ny fiarovana.


Fihaonan’ny minisitry ny Fitaterana sy GST: anisan’ny voaresaka ny aro lozan’ny fifamoivoizana



    Mikaroka ny fifanomezan-tanana sy ny fandinihana paikady mahomby entina hampandrosoana sy hanatsarana ny sehatry ny fitaterana amin’ny lafiny rehetra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro. Izany no anton’ny fihaona teo amin’ny minisitra sy ny « Groupement des Ingénieurs du secteur transport » (GST) izay mpikambana anatin’ny « Fédération National des Organisations des Ingénieurs Malagasy » ny 25 aprily 2023.

    Maro ny dinidinika nivoitra nandritra ny fihaonana. Anisan’izany ny paikady mahakasika ny aro lozan’ny fifamoivoizana izay imasoan’ny Minisitera ankehitriny.

    Sehatra iray mampivondrona ireo manampahaizana injeniera momba ny fitaterana an-dalamby, an-tanety, an-dranomasina sy an-dranomamy ary ana habakabaka ny GST. Mifototra amin’ny fampandrosoana ny asam-pitaterana mba ho matihanina ny andraikiny, izany hoe mijery akaiky ny fanomezana fahafam-po ho an’ireo mpanjifa, ny anjara birikiny entin’ny fitaterana amin’ny toe-karena, ny fandraisana anjara amin’ny famolavolana ny lalàna, ny torolàlana amin’ny sehatra tekinika sy ny teknolojia.

Bekily Androy : tantsaha 60 nahazo fiofana feno momba ny fiompiana



    Olona miisa 60 no nahazo fiofanana mikasika ny fiompiana trondro tao amin’ny distrikan’i Bekily, faritra Androy ny 25 aprily 2023. Nozaraina nandritra izany ny toro lalana fototra mikasika ny fiompiana trondro izany hoe ny fifidianana ny toerana hanaovana ny fiompiana, ny fomba fanamboarana dobo sy ny fikarakarana ny dobo vita, ny fampidirana rano sy ny fomba fanamasahana rano na "fertilisation". Noresahina koa ny fampidirana zanatrondro anaty dobo sy ny fanaraha-maso ny fiompiana. Ankoatra izay ny fomba fanaraha-maso ny kalitaon'ny rano. Teo koa ny fomba fikajiana ny sakafo homena ny trondro isanandro sy ny fanaraha-maso ny fanomezana izany.

Madagasikara-Italie : anisan’ny fiaraha-miasa hohamafisina ny famokarana angovo azo havaozina

    Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny masoivoho vaovaon’i Italie, Paolo Cuculi androany 26 avrily 2023.

    Voaresaka nandritra izany ny fahavononan’ny firenena italianina hanamafy ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny famokarana angovo azo havaozina, indrindra ao anatin’ny fampiharan'i Italie ny "plan Mattei" miaraka amin'ireo firenena afrikanina. Voaresaka tao koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny varotra sy ny "agro-alimentaire".

    Hanao ny ezaka rehetra hampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany. Hampitombo ny isan’ny Italianina mizaha tany eto Madagasikaran koa ny roa tonta araka ny voaresaka nandritra ny fihaonana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...