JUDO: NOVALIAN'NY FILOHAMPIRENENA NY FANGATAHAN'I LAURA RASOANAIVO

JUDO: NOVALIAN'NY FILOHAMPIRENENA NY FANGATAHAN'I LAURA RASOANAIVO, TOMPONDAKAN'I AFRIKA ARY LAHARANA VOALOHANY MANERAN-TANY

 Catégorie : Vaovao Malaza



Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra i Laura RASOANAIVO , izay Atleta Malagasy nandrombaka ny tompondakan'i Afrika teo amin'ny Taranja Judo ary nahazo ny laharana voalohany manerantany amin’ny taranja Judo sokajy « junior » latsaky ny 70 kilao. Manana isa 500 taorian’ny fandresena misesisesy azony tao anatin’ny Open Africa Judo miisa telo : Algerie, Tunisie, Angola. Mpanao judo tanora ary ao anatin’ny faneva entiny isaky ny fifaninanana na tsy misy mpanazatra aza miaraka aminy ny : fahatokisan-tena, ny fanomanan-tena tsara, fanesorana tahotra.
Taorian'ny fifampiresahany tamin'ny Filoham-pirenena dia nangataka moto scooter i Laura mba hampiasainy hanenjehany fotoana amin'ny fiatrehana fanazaran-tena in-telo isan'andro sy ialana amin'ny fitohanan'ny fiarakodia.
 
Notoloran'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA moto Scooter sy ny fitaovana fiarovana amin'izany izy hahafahany mamaly ny hetahetany.

Vonona ihany koa ny fitondram-panjakana sy ny Minisitera ary ny Federasiona hanampy an'i Laura eo amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiatrehany ny Fiadiana ny Tompondaka eran-tany izay homaniny amin'izao.

    𝑯𝒊𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝑪𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒐𝒏𝒏𝒂𝒕 𝒅𝒖 𝒎𝒐𝒏𝒅𝒆 𝒂𝒏𝒚 𝑲𝑨𝑻𝑨𝑹

Nisy ny fifanakalozana teo amin’ny Filoha sy i Laura dia ny mba afahana manamora ny fanarahana ny entrainement in-telo isan’andro ka nangataka ny mba azahoana Scooter matanjaka atao fitanterana tamin’ny Filoha izy mba afahana manenjika ny entrainement. Nivaly ny fangatahana ary notoloran’ny Filoha izany niaraka tamin’ireo kojakoja mifandraika aminy.
Hanampy amin’ny dingana sy ny fifaninana rehetra izay ho tanterahin’i Laura ny Ny ministera, ny federasiona ary ny fitondram-panjakana indrindra ny Filoha Andry Rajoelina.

FANAKORONTANA IREO MPILAHATRA PASIPAORO ENY ANOSY : OLONA MIISA 04 VOASAMBOTRA

 


Misy ireo manararaotra sy manakorontana ny fahamaroan'ny olona tonga manao Pasipaoro eny Anosy ary miisa 04 izy ireo no voatery nosamborin'ny Polisy :

> Ny 02 voalohany dia vehivavy mpisera antontan-taratasay sandoka amin'ny vidiny 400.000ar hanaovana Pasipaoro. Fiaraha-miasa ny Polisy sy ireo olona mpilahatra pasipaoro eny an-toerana no nahazoana azy ireo .
> Ny 02 lahy farany dia mitaona sy manakorontana ireo mpilalahatra tsy hanaiky ny fandaminana mipetraka eny an-toerana. Rehefa nosamborina izy ireo dia nahenoana zava-pisotro mahamamo ary tsy manana antontan-taratasy hanaovana pasipaoro akory fa tonga hanakorontana fotsiny ihany.

Ho fanampiana ireo mpilahatra eny an-toerana kosa dia misy ny laharana finday azo antsoina raha misy fanontaniana izy ireo mahakasika ny antontan-taratasiny ilaina mahakasika ny Pasipaoro .
 
Laharana finday :
034 03 843 15
Ho an'ireo olona mahita na mandre ny fisiana kolikoly ataon'ireo mpiasa ihany koa dia afaka miantso ny laharana :
034 05 507 34


𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗚𝗜𝗗𝗜𝗠𝗕𝗬 𝗔𝗜𝗥𝗕𝗨𝗦 𝗛𝟭𝟯𝟬 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗟𝗢𝗔𝗟𝗜𝗡𝗗𝗔𝗛𝗬

20 aprily 2023, Toby Jeneraly Ismaël Mounibou Ivato


Lanona telo sosona no notanterahina androany 20 aprily 2023 teny amin’ny Toby Ismaël Mounibou Ivato, dia ny famindram-pibaikona eo amin'ny kaomandin'ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa sy ny fanaovam-beloma ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana Hassanaly, izay nahavita ny adidy ho an'ny Tanindrazana teo anivon’ny Foloalindahy nandritra ny 36 taona. Natolotra amin'ny fomba ofisialy ho an'ny Foloalindahy androany ihany koa ny angidimby vaovao Airbus H130.
 
Ankoatra ny asa ho an'ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ataon'ny Tafika, dia afaka hamitana iraka toy ny fitaterana ireo marary sy hiadiana amin’ny loza toy ny doro tanety ity angidimby vaovao ity. Mahazaka olona miisa fito ary entana milanja hatramin’ny 980 kg ihany koa.
 
Nanantitra ny fanohanany hatrany ny Foloalindahy ny Filoha Andry Rajoelina. Betsaka ny ady tsy maintsy hatrehana sy ny fanatsarana tsy maintsy atao, hoy ny Filoha, fa ny Fitondram-panjakana dia tsy mikely soroka amin'ny famerenana ny hasin'ny Foloalindahy malagasy sy ny fanomezan-danja ny asa masina izay hiantsorohan'izy ireo manerana ny Nosy.


TSY MANOFA INTSONY I EMILIEN FA LASA TOMPONA BAJAJ MANOMBOKA ANDROANY




Nanomboka androany alakamisy, 20 aprily 2023, dia hiova tanteraka ny fiainan'i Emilien sy ny fianakavy satria natrolotra azy androany ny Bajaj izay nampanantenain'ny Filoha Andry RAJOELINA fa homena azy nandritra ny fandalovany tao Sambava

Izy dia ilay mpitondra Bajaj niharan'ny herisetra sy voaroba satria nanao tee-shirt misy sarin'ny Andry RAJOELINA ka voaroba sy naratra tamin'izany.

Tsy manofa Bajaj 30.000ar isan'andro amin'olona intsony izy fa lasa tompona Bajaj amin'izay.
Fisaorana sy fankasitrahana no natolon'izy sy ny fianakaviany ny Filoha Andry RAJOELINA satria dia niova tanteraka ny fiainan'izy ireo taorian'ny nahazoany ity Bajaj ity.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...