jeudi 17 novembre 2022

FAHARETANA SY FIKIRIZANA

Hypnotisma et magnetisma chapitre 4 : FAHARETANA SY FIKIRIZANA






Manana programa mandahatra ny zavatra izay tianao hatao. Mahaiza mifehy sy mamolaka ary mibaiko ny tenanao. Fadio ny saina mora kivy tsy maharitra, ka rehefa mafimafy ny zavatra atao dia miala, na tsy mazoto intsony. Izay tsy manana faharetana dia tsy nahita vokany amin'izay ataony. Noho izany dia tsy maintsy mitafy herim-po, faharetana, fahazotoana, fikirizana, fampijaliana tena mihitsy aza. Tsara hoan'ny mpianatra ny mahay "Hypnotisme". Ny olona no lasa ambony sy mahavita zavatra dia milaza izany, fa olona nijaly ireny ary niaritra zava-mafy betsaka hatrany tamin'ny fahazazany.

Raha te ho ambony ianao dia manaova toa azy, miareta, mikiriza, mahafoiza tena ary mianara mafy. Aoka hijaly ny tenanao, aza mitady tany malemy hanorenam-pangady. Aza mitady zavatra mora atao vao hanao ka raha manahirana dia ialana. Ny fijaliana izay niaretanao dia hisy valiny. Tsy hitovy saranga mandrakizay ny olona nianatra sy ny tsy nianatra. Ny kamo sy mazoto tsy hitovy fiafara.

Raha mahita olona lasa ambony ianao vokatry ny fianarana, na mahita zavatra asa Tanana vita tsara tarehy sy mampitolagaga dia tsarovy ao an-tsaina miaraka amin'izay ny fahasahiranana, fiaretana, ny fahazotoana, ny herim-po tsy kivy sy ny fijalian'ilay olona vao tonga



amin'ny toerana ahitanao azy izy, izay vao nahavita ilay zavatra tsara mahagaga anao. Tsy misy fahaizana, na fahalalana, na zavatra vita mora sy azoazo foana akory. Ilaina ny fahaizana hahazoa-miasa ary ny asa rehetra hilana fahaizana. Na dia ny fianarana Hypnotisme aza dia tiako ny manamarika eto fa liana "Fari-pahaizana ambony", hahazoana manita-pahaizana. Raha vitanao sy hainao daholo ny “Exercices” ao anatin'ity boky ity dia tsara ny mba hamakianao boky maro hafa handalinana fahaizana.

Izay rehetra atao dia kendreo hisy "BUT" tratrarinao. Raha tsy izany dia hahakivy sy hirava maina fotsiny. Rehefa manao “Gymnastique” ianao, ataovy maharitra "folo minitra" fa aza atao latsaka na mihoatra ny faharetany. Fadio ny fiaretan-tory fa mandreraka sy mahafoy andro.

Aza atao mahagaga anao fa : "les imbeciles sont capable de tout faire", ary azo amporisihina hanao ny tsy fanao rehefa rebirebena sy tambatambazana, na omena vola kely. Raha saro-tahotra sy miveraka ianao dia ho songonan'ireny eo amin'ny fiainana. Ampiasain'ny sasany izao ny olona "imbecile" hampisondrotra azy, dia mandeha ny "affaire”. Ny adala betsaka azo ampiasaina hisongona ny olom-bitsy misaina. Satria be ny adala noho ny Hendry, hoy ny ohabolana, ary ireo adala betsaka ireo no araraotin'ny fetsy lahy rehetra ankehitriny ampiasainy hahavitany zavatra.



Ny olona saro-tahotra dia tsy mba mandroso mandrakariva. Esory izany tahotra izany dia ho velona ianao. Miezaha hanana fahasahiana. Rehefa bado sy saro-tahotra dia ataon'ny sasany tohatra sy soavaly fitaigina sy hameno ny paosiny. Tsarovy fa ny adala no tsy ambakaina hono Andriamanitra no mahatahotra. Jehovah mijery no ambakainao. Tsy ho vanona izay manambaka ny adala.



Ataovy ara-dalana ny fomba fatory. Fito ora dia ampy tsara ho an'ny olon-dehibe, ny ankizy mila be noho izany. Raha misy zavatra tianao hatao, aza maimaika foana, kendreo tsara ny ho fiafarany sao tsy hahasoa anao, Avadibadio tsara, fotory tsara mangingina. Saintsaino lalandava na andro na alina. Aza avela ho hisy vita kitoatoa na kisendrasendra, aza miantehitra amin'ny vintana, fa aleo mitady asa azo antoka. Rehefa itanao fa tsara aminao sy hahasoa anao dia tanteraho sy ataovy fa tsy maintsy hitondra voka-tsoa ho anao izany. Aza miraharaha izay vavan'ny olona raha tsy manameloka anao ny fieritreretanao. Tsy misy faly ny hahatsara sy hampisondrotra anao akory; manoro vohina no betsaka, mpanatsatso sy mpanakivy raha fantany hahasoa anao ilay ilainao hevitra aminy. Aza miankin-doha amin'olona na miantehitra aminy fa izany no mahavoa olona betsaka ankehitriny. Ny tenanao no antenao sy iantehero. Tsy vitsy amintsika no efa voa mafy sy voafitaka amin'izany hoe : niantehitra sy nanantena


olona izany. Izay matoky ny tenany dia mavita zavatra azo antoka. Manana fahasahiana, nefa aoka ho malina sy manam-pahendrena. Miafara amim-pahavoazana izay sahisahy fo amim-kadalana. Ilaina ny fahasahiana amin'izay rehetra atao. Ny kanosa tsy mba mahavita zavatra na inona na inona fa mitolagaga fotsiny amin'ny zava-bitan'ny sahisahy, mahafihina vava. Aza lazaina olona izay zavatra heverinao mbola hatao na mbola hiverenana hahitanao soa fa ho songonany ianao ka ho voa mafy.

Tadidio fa mety ho fahavalo iny olona iny na ho ela na ho haingana, ka hanenenanao mafy izay rehetra voalazanao tamin'ny ora mbola mamy. Iny sakaiza iny no mety hifototra na hitory anao. Hahavoa anao mafy izy satria fantany daholo ny momba anao rehetra. An'iza ny fahadisoana? Anao... fihino ny vava hoy aho, fa aleo mamihina azy toy izay manenina aminy. Ahitana loza ny vava tsy ambina sy tsy asiana fetra, misaontsaona sy mila ady aman'olona na manompa olona.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...