dimanche 20 novembre 2022

HAMPAHERY NY MASO

Hypnotisma sy Magnetisma chapitre 5 : HAMPAHERY NY MASO



Mba hanome “hery ny masonao” ho enti-miasa satria izy no tena fiasana amin'ny Hypnotisme dia tsy maintsy ampanaovina exercices izy. Mangalà vola “iraimbilanja”, manaova boribory (tracer un rond) amin'ilay vola 1 fr ianao eo ampivaon'ilay taratasy, dia maintiso amin’ny ranomainty, izany hoe : manao boribory mainty atao haben'ilay vola 1 fr eo ampivaon’ilay taratasy ka kendreo kandreo hifanitsy haavo amin'ny masonao ilay "point noir" (toy ny amin’ny sary etsy ambany). Dia mijoroa ianao na mipetraha eo ambony seza hibanjina ilay point noir, ka ataovy tokony ho 1m (iray metatra) no elanelanao aminy, toy ny mijery fitaratra.

Ny saron-tavoangy boribory mainty plastique mangilatra dia azo atao point noir. Hapetaka amin'ny rindrina. Banjino isan'andro io hanazatra ny masonao. Misy avy hatrany dia mahavita dimy na fito minitra vao mangirifiry sy mikimpy ny masony.

Aza terena haharitra ela avy hatrany ny masonao. Ny tsara aza dia mibanjina point noir iray minitra tsy mipy mihintsy aloha amin'ny voalohany, dia mijanona indray iray minitra, dia tohizany hatrany toy ny manao kilalao. Raha tsaroana mitady ho mangirifiry, mitady hikimpy

 

ny masonao dia mijereva miandrandra ambony toy ny mijery plafond, dia hivereno indray ny mibanjina ilay point noir, ho afaka ilay mangirifiry ary dia tohizo hatrany ny mijery tsy mipy ilay boribory mainty. In-droa na in-telo isan'andro ianao no manao io exercice hanazarana ny maso io mandrapahazatra anao mijery tsy mikipy mandritra ny 15 minitra Izay no tena ilaina hananao “regard hypnotique”. Marihina eto fa 15 minitra dia ampy nefa mba handramo indray mandeha monja raha mety haharitra 30 minitra ianao. Azonao atao ny manao exercice amin'ny alina mirehitra jiro izay misy ao aminao. Telo volana maninjitra no hanaovanao ny exercice fanazarana ny maso vao azo antoka. Raha mijery fitaratra ianao dia ny masonao no banjino. Toy izany raha mamaky boky na eny an-dalana, ataovy izay tsy hikipian'ny masonao mandritra ny minitra maromaro, toy ny manao point noir. Raha zatra manao izany ianao dia hanana regard hypnotique azo antoka, ary mahazo mirehareha noho izany. Mazotoa ary manao fanazarana ny masonao ary aza kivy.


Chapitre précedentFAHARETANA SY FIKIRIZANA



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...