lundi 21 novembre 2022

NY LOKO, NY ANDRO, NY VATO SY NY METALY ARY NY RANOMANITRA METY AMINAO

NY LOKO, NY ANDRO, NY VATO SY NY METALY ARY NY RANOMANITRA METY AMINAO



Indro atolotro eto androany ny Loko, ny andro, ny vato sy ny metaly ary ny ranomanitra izay sahaza amin’ny vintanao.

Matetika tokoa isika noho ny tsy fahafantarana dia miravaka metaly izay tsy fantatsika na mety amintsika na tsia ka miteraka tsy fanjariana na tsy fahasalamana eo aminn’ny fianantsika.


Ndeha ary hatombontsika amin’ny loko sy ny andro mifanambina aminao :


Ny andro mifanambina amin’ny vintanao no tena mety raha hanaovanao zavatra, ka noho izany dia tsara ny mijery ireo vintana mety miaraka amin’ny andro anankiray raha toa ka olona hiara-hanao zavatra iray goavana. Ho hitantsika fa misy andro mety amin’ny Vintana iray nefa tsy mety amin’ny hafa, ohatra : ny andro Talata izay lazaintsika fa Goroabaka dia mety tsara amin’ny Vintana Alahamady sy ny Alakarabo



1- Alahamady : Loko mena ary ny andro Talata no mety aminao 
2- Adaoro : Loko Maitso ary ny andro Zoma no mety aminao
3- Adizaoza : Loko fotsy sasaka (gris) na mavo ary ny andro Alarobia no mety aminao 
4- Asorotany : Loko fotsy ary ny andro Alatsinainy no mety aminao
5- Alahasaty : Loko volondaoranjy (orange) ary ny andro Alahady no mety aminao 
6- Asombola : Loko maitso antitra ary ny andro Alarobia no mety aminao
7- Adimizana : Loko maitso antitra na mavokely, na manga ary ny andro Zoma no mety aminao 
8- Alakarabo : Loko mena ary ny andro Talata no mety aminao
9- Alakaosy : Loko mena jaky ary ny andro Alakamisy no mety aminao 
10- Adijady : Loko mainty ary ny andro Sabotsy no mety aminao
11- Adalo : Loko volomparasy ary mbola andro Sabotsy no mety aminao 
12- Alohotsy : Loko manga ary ny andro Alakamisy no mety aminao


Rehefa avy nijery ny loko sy ny andro mety amintsika isika dia ireto indray kosa ary 


Ny Vato sy ny metaly mety aminao :


1- Alahamady : Vy no metaly ary Rubis sy Cornaline no vato mety aminao


Rubis


Cornaline




2- Adaoro : Varahina no metaly ary Eméraude sy Aigue marine no vato mety aminao


Eméraude


Aigue marine

 
3- Adizaoza : Mercure no metaly ary Opale no vato mety aminao



Opale


4- Asorotany : Volafotsy no metaly ary Eméraude no vato mety aminao


Eméraude





5- Alahasaty : Volamena no metaly ary Diamant sy Zircon no vato mety aminao



Diamant

Zircon

6- Asombola : Volamena ihany koa no metaly ary Jaspe no vato mety aminao

Jaspe

7- Adimizana : Varahina no metaly ary Corail rose sy Béryl rose no mety aminao


Corail


 
Béryl Rose






8- Alakarabo : Vy no metaly ary Rubis no vato mety aminao

Rubis





9- Alakaosy : Etain no metaly ary Améthyste mena no vato mety aminao




Améthyste


10- Adijady : Firaka no metaly ary Onyx no vato mety aminao



Onyx


11- Adalo : Uranium no metaly ary Améthyste volomparasy matroka no vato mety aminao


Améthyste





12- Alohotsy : Palladium no metaly ary Safira manga antitra no mety aminao







Safira



Ireto kosa ary ny Ranomanitra sahaza anao :





1- Alahamady : Rose, géranium 
2- Adaoro : Jasmin, lilas
3- Adizaoza : Isope, narciss
4- Asorotany : Lys, cyclamen 
5- Alahasaty : ambre, mimosa
6- Asombola : Camélia, bois de rose 
7- Adimizana : Géranium, rose
8- Alakarabo : Piment, oeillet 
9- Alakaosy : Violette, vanille
10- Adijady : Cuir de russie, cèdre 
11- Adalo : Basilique, sassafras 
12- Alohotsy : Menthe, Iris


Mila manaja tsara an’ireo isika fa misy olona manao ranomanitra tsy mifanambina aminy dia tsy manjary izay ataony rehetra, misy miambozona metaly tsy sahaza azy dia tsy mandeha ny fiainany, ka mba fantaro ary izay mety aminao.


Mety mbola misy tsy voatanisako na tsy haiko fa ireo aloha no mba voatahiry dia mizara izay mba ananako aho.


Mandrosoa hasina daholo tompoko o!


Boky mety hahaliana anao : Hypnotisma sy Magnetisma


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...