MANAN-JO AHO
Ny zo dia ny fahafahana na fahefana ananan’ny olona hanatanteraka na tsia zavatra na asa iray.
Ny zo koa dia izay zavatra azon’ny olona takina amin’ny fiarahamonina na amin’ny Fanjakana.
Noho izany ny zo dia tombontsoa azon’ny olona avy amin’ny fiarahamonina na ny Fanjakana ka ny lalàna no mametra azy.
1. Eo amin’ny tenako
Zoko ny hotsaboina rehefa marary ka andraikitry ny ray aman-dreniko sy ny dokotera ny mikarakara ahy sy manara-maso ny toe-pahasalamako.
Zoko ny hampiasa tanteraka ny hasina mahaolona ahy, ny haranitantsaiko, ny talenta ananako ary ny feon’ny fieritreretako hahazoako mampivelatra ny tenako,
Zoko ny hilalao sy hiala voly,
Zoko ny hanana nofinofy sy faniriana ary idealy hotratrariko eo amin’ny fiainako,
Mba hiainako ao anaty fandriampahalemana dia Zoko ny tsy hampijalina na hampiharana herisetra (amin’ny alalan’ny fiteny, na fihetsika, arabatana na ara -tsaina) ary zo harovana sy hovonjena eo anatrehan’ny herisetra sy ny fampijaliana).
Mandala vaky boky
Betsaka aminareo zatovo no fatra-pandany andro mijery televiziônina na video na mihaino radio. Mba fantatrareo ve anefa fa na ny fahafinaretana na ny fahalalana entin’ireny tantara na horonan-tsary fampahafantarana na fandaharana ireny dia mandalo fotsiny ? Mandalo satria tsy mba azo ajanona sy iverimberenana izy ireny fa rehefa lasa dia izay, hany ka sarotra tadidina.
Tsy mba tahaka izany anefa ny boky fa manaraka izay tiantsika hatao. Te hijanona kely dia afa-mijanona ! Te hiverina dia afa-miverina ! Te hanohy dia afa-manohy ! Te handalina dia afa-mandalina ! Sakaiza malemy fanahy mantsy, hono, ny boky ka manaiky hanatanteraka izay faniriantsika rehetra.
Maro karazana koa, ry zatovo, ny boky. Ao ny mirakitra tantara tena nisy, ao ny ahitana tantara noforonina, ao ny misy sary, ao ny soratra fotsiny. Misy ny amelabelaran-kevitra samihafa fa misy koa ny mitahiry tononkalo mampamelovelo. Misy ny boky natao hianarana fa betsaka koa ny natao ho fialam-boly. Fa ny tena mampiavaka ny boky, rankizy sy tanora, dia ity : na toa inona na toa inona karazany dia misy lesona sy fampianarana azo avy aminy foana.
Mora hita koa ny boky satria na ao an-trano, na any an-tsekoly, na any amin’ny tranomboky, na any amin’ny fivarotam-boky dia maro isafidianana. Koa sady afaka mividy na afaka mindrana.
Tsy mba mitaky fitaovana manokana koa ny boky, tsy mba mila herinaratra fa hazavana sy maso dia ampy.
Ny mpianatra rehetra àry dia tokony ho sakaizan’ny boky. Tsy azo sarahina amin’ny fandrantoam-pahaizana amam-pahalalana mantsy ny boky fa sady fototry ny fianarana no famenon’izay omen’ny mpampianatra. Manginy fotsiny àry amin’izay ny fahafinaretana azo eo ampamakiana azy!
Hanin’ny saina ny boky, hoy Ravelojaona mpitandrina. Izany hoe raha tianao ho voky ny saina, raha tianao hitombo koa ny sainao dia mahereza mamaky boky.
Sady tsy mba mifidy toerana sy fotoana koa ange, ry zatovo, ny vaky boky e ! Na anaty trano na ankalamanjana, na eny an-jaridaina na any anaty fiara, eny fa na dia eo am-piandrasana ny fanombohan’ny rindran-kira na ny sarimihetsika aza dia afaka mamaky boky foana ianao. Tahaka izany koa na ny maraina vao mifoha, na ny alina alohan’ny hatoriana na mandritra ny andro dia tsy mba mandà ny boky.
Namana be fitiavana, ry zatovo, ny boky, ka tokony hotiavina koa. Koa raha mbola tsy nahare ny tsiron’ny boky àry ianao dia araraoty izao fialan-tsasatra izao. Mino aho fa ho raiki-pitia amin’ny boky ianao ka ho tonga mpandala vaky boky!
Dia mahazoa soa sy fahafinaretana àry e!

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire