lundi 14 novembre 2022

Ny tsiambaratelon'ny Fahombiazana

Ny fomba fisainana miabo (pensée positive)


Hamafisina hatrany ny hananantsika fomba fisainana miambo(pensée positive)̪ ̪ ̪ ̪ eo amin' ny andavanandrom-pianantsika satria tena mitana ny anjara asany lehibe tokoa izy io amin'ny firosoana eo amin'ny fiainana

ƒ Isika olombelona dia manana fisainana 60000isa isan'andro ary ny 90% dia avy amin'ny fisianana tsy fahatsiarovan-tena(pensée inconsciente),avy any amin'ny amparahatoka izy io ary tonga tonga ho azy fa tsy sitrapo akory.Izany hoe,misaina sy mieritreritra isika na andro na alina na dia ao anatin'ny tsy fahatsapana aza.Ny amparahatoka no mitahiry io fisainana sy fahatsapana rehetra io:na fifaliana,fahoriana,hitan'ny maso,ren'ny sofina sns dia voatahiry ao avokoa

ƒ Ireo fisainana inconscients ireo dia mitana andraikitra lehibe amin'ny fihetsepon'olona iray izay hita taratra eo amin'ny fiainany.Rehefa miabo(pensée positive) io no manjaka dia mandroso amin'ny lafiny rehetra ilay olona,fa rehefa miiba (pensée negative )kosa dia miaina anatin'ny alahelo sy hakiviana ilay olona

ƒ Ity toro atao anio ity dia natao ampianarana antsika hanana fijery miabo(pensée positive)amin'izay rehetra miseho eo amin'ny fiainantsika.Tsy afaka ny ho eo ami'ny toeranareo tsirairay anefa aho fa ny tsirairay no mila miezaka arak'izay tratrin'ny heriny satria izay ihany no lalana raha te hanova fiainana ho amin'ny tena tsara.Mety aharitra ny traitement nefa mety ho vetivety ihany koa rehefa tena miezaka isan-tsegondra miady amin'ny fahatsiarovana ratsy natao sy nolalovana

ƒ Toky fotsiny no omeko fa raha tena mahavita ianareo dia tsy ahita fahoriana be sy fahakiviana toin'ny lasa intsony fa ahay iatrika izany,ho mora aminareo ny ahita vahaolana ary ho tonga amin'ny fanasitranana anaty raha mikiry hatrany

ƒ Tsy roa andro no nananganana an'ny Rovan'i Manjakamiadana ary tsy mahafaty antoka anao ny misaina miabo.Na inona na inona ady lalovanao,sedranao,fiainana misy anao zao,ny fisainana miabo(pensée positive)no hanova izany ho fanovozan-karena,ho fitsikiana indray ary izay rehetra hitan'ny masonao dia itondra fifaliana ho anao

ƒ Inona ary no atao hoe fisainana miabo na pensée positive ary ahoana no fampiasana azy

„ „ Ny pensée positive dia fomba fisainana voafehy mba ho tonga fisainana mahasambatra sy tena azo iainana ary afaka tanterahina eo amin'ny fiainana

ƒ Tsotra hoy aho tery ambony ny fampiasana azy,tsisy afa tsy tsikitsikyɻ ɼ ,fifaliana

ï ï ary tena tombony ho anao ny manao azy



ƒ Ireto ary ny fampiasana azy :atao isan'andro

Ŝ vao mifoha dia mitsikia ary misaora ny tenanao fa mbola velon'aina,isaory izay anananao rehetra ary ampiaraho amin'ny fihetseham-po faly izany

Ŝ izay rehetra miseho dia jereo amin'ny lafitsarany

Misy ohatra vitsivitsy ireto:hiasa ianao?aza kamo fa lazao hoe sambatra aho manana asa.Marary ianao?aza mitanondrika fa lazao hoe sambatra aho fa atory fotsiny sady misy mikarakara.Tsy manam-bola ianao?aza kivy fa ndeha mitsangana dia ataovy ohatran'ireny manambola ireny ny tenanao

ƒ Ny zava-dehibe eto dia tsy hoe tanteraka izay ao an-tsainao fa hoe sambatra ianao amin'ny fiainanao rehetra,na tsara na ratsy satria ny pensée positive dia manomana zavatra tsara ho anao na anio na rahampitso na amin'ny ho avy.Zavatra mila fikolokoloina ao anaty ny pensée positive ka raha vitanao izay dia hisintona fahasoavana be dia be eo amin'ny fiainanao izy na ho ela na ho aingana.Izay mitovy manko no mifanintona eto an-tany(loi d'attraction)izay mbola ianarantsika amin'ny lesona manaraka ka raha tsara ny ao anatinao dia ho voasitonao avokoa ny tsara rehetra lalovanao,arao finoana matanjaka fa ho lasa lavitra ianao

Ŝ rehefa atory dia isaory ny tenanao tamin'izay vitany rehetra(gratitude), tiavo izy dia mamela azy tamin'izay tsy nety nataony fa mbola olombelona ihany izy dia matoria amin'izay

ƒ Tsoriko ry namako fa kely ny fiandohanao fa ho lehibe indrindra ianao eto amin'ity tany ityŢ Ţ Š Š

ƒ Samy eto ambany masoandro v mibaliaka isika ka nahoana no samy tsy ho tafita?misy antony ny nahatongavanao eto,dia ny ho sambatra sy hiadana.Ianao no tompon'ny fiainanao Ť Ť sy ny fisainanaoŤ Ť ka ianao irery no mpilalao fototra aminy,raha mahay milalao ianao dia anao irery ny resultat,afaka mamiratra amin'izay misy anao ianao,afaka ny ho mpandresy ary afaka ny hanan-karena arak'izay irin'ny fonaoDž Dž ˍ ✈˥ Ĉ þ ƪ ɼ

ƒ Alao hery ary ƽ dia mijery sy milazà miabo̪ ̪ ̪ ̪ manomboka anio fa mbola io ny anjaranao,ialao ny fihanahana dia ndao zato izy hitsiky sy hisaina fa sedra ampisondrotra anao io anio io %

ƒ Mahereza daholo dia mitombo amin'ny tsara sy mendrika avokoaǂ


LA PUISSANCE DE LA PENSÉE POSITIVE : ny herin'ny fomba fisainana miabo (pensée positive)


▫▫ 1-Inona no atao hoe pensée positive ?

.

------------------Ny pensée positive dia toetra ananan'ny mentale izay volavolain'ny "esprit des pensées",mety ho teny izy io , mety ho sary (image) izay mitondra mankany amin'ny fiainana ho tsara tsara kokoa.Rehefa manana io pensée positive ny tsirairay,lasa zatra ny mandray zavatra tsara sy mamoaka resultat tsara ny mental, fa mifanohitra amin'izay kosa, resultat ratsy no hivoaka raha pensées négatives no miseho ao amin'ny écran mental.

------------------Ho an'izay manaiky sy mino io pensée positive, dia fantany tsara ny mampiasa



azy ampahombiazana mba hahazoana résultats tsara.

------------------Efa ampiasain'ny olona matetika io teny io ho an'ny olona stressé sy mitebiteby,nefa ampiasainy mba hamaha ny olana eo no ho fa tsy ampiasaina mandritry ny andrompiainany manontolo.

.

▫▫▫ 2-Amin'ny fomba manao ahoana no ampiasaina Pensée positive?

.

------------------Ny esprit positif dia maminaviana mialoha ny fifaliana, fitiavana, fahasalamana, fahombiazana ary izay zavatra mety mitarika ho an'ny amin'ny fiainana tsara tsara kokoa.

------------------Ity mba misy tantara iray ho tantaraiko aminareo makasika izay pensée positive izay:

Misy olona iray nanao demande d'emploi tamin'ny orin'asa lehibe iray,ny Estime de soi anefa faran'izay ambany ary mihevitra fa izay rehetra ataony dia tsy mahomby avokoa, ary tsy mendrika azy hono ny fahombiazana.Efa fantany fa efa tsy ho voaray izy amin'ny fangatahan'asa ataony

izay.Ary tena manana attitude négative amin'ny tenany izy,ary mihevitra fa ny Candidat hafa dia meilleurs sy qualifiés noho izy.Ary tsoriko aminareo ny marina fa tena tsy voaray tokoa io olona io satria efa manana expériences novoleny tao anaty sainy izy.Ny esprit efa feno pensées négatives sy tebiteby ary tahotra ny hiatrehena izay entretien d’embauche rehetra atrehiny.Mahatsiaro marary izy, izay demande rehetra ataony dia rejeté daholo.

Misy olona iray hafa izay manana pensée positive, manana fanantenana tsara izy fa ho azon'ny io poste io, manao visualisation izy amin'ny amin'ny alalan'ny herin'ny pensée positive izay hijotra tsara araka izay noeritreretiny ilay entretien.Amin'ny hariva iray andro alohan'ny hanaovany entretien, efa mikarakara sahady ny akanjo hoentiny rampitso manatrika ilay entretien,natory mialoha ary niafoha mialoha noho ny mahazatra andavan'andro ary tonga ara-potoana amin'ny ora nifaovana any amin'ilay orin'asa hanaovana entretien.

Azon'ilay faharoa ilay poste satria, efa nivonona hatramin'ny sainy manontolo,tsy nanana pensee negative izy, fa ny positiveny daholo izay tranga rehetra.Efa nihevitra sahady hoe efa ao anatin'ilay asa izy ka niomana mialoha, mifoha mialoha, ary tonga ara-potoana.Izany fihetsika izany dia manantanja tokoa manoloana ny tranga iray.

------------------Inona no azo tsoahina amin'io histoire io? Tsy resaka magie io,fa efa izay no atao hoe processus naturel,arakaraka izay eritreritrao na io positive, na io negative no taratry ny fiainana manontolo.Raha mieritreritra zavatra positive fona ianao: nin'inona mitranga n'inon'inona miseho,iny eritreritrao iny no antoky ny fahombiazanao sy fifalianao.

.

▫▫▫ 3-Ny pensée positive sy pensée négative dia toy ny aretina mifindra.

.

-------------------Isika rehetra ireo tsy mitsahatra ny mifandray amin'ny olona rehetra,mifandray amin'ny amin'ny manodidina.Ka refa isika mifandray sy hodidinin'ny olona manana pensée négative,mazava ho azy fa tsy maintsy hanana humeur mitovy amin'izay ianao, mifanohitra amin'izay kosa raha pensée positive.satrinao, hifandray fona aminy,na ny hahita azy azy efa tsy andrinao,satria ahitanao: fifaliana; fahombiazana; fitiavana;fahasambarana; fahalalana; fahafinaretana;fahasoavana ny manodidina anao satria efa feno zavatra positive.

------------------NY pensée negative, ny teny sy ny toetra négative dia mitondra mankany amin'ny fiainana négative: fahoriana, fijaliana, fahasorenana, aretina, fatahorana, hakiviana, fisalasala, tsy fatokisantena,tsy fahombiazana ...sns

.

▫▫▫ 4-Inona ny tokony hatao mba hialana amin'ny pensée négative?

.

------------------Ny pensée araka no nitenenina teo, dia manana hery lehibe izy io, izy no antoky ny fiainantsika iray manontolo, rehefa ny ankabeazan'ny pensee ntsika negative mandritry ny andrompiainantsika manontolo, dia voageja hiaina ao anaty ny fiainana izay tsy



mifanaraka amin'ny nirintsika isika ka izay no antony niforonan'ity groupe FAF ity mba hamolavola ny saintsika ho any amin'ny fahasambarana kokoa.Manomboka eto, manomboka androany, rehefa tsy afaka manova zavatra ianao, dia ovay ny fomba fijerinao manoloana io zavatra io, fa hiova manarak'izay daholo ny rehetra.Izay ilay hoe: fehezina ny ao anaty ho tonga fiainana.Aza atao sakana ny fijerin'olona sy ny

fomba fiheverany anao, fa izay hampandeha ny fiainana sy hahatsara azy kokoa amin'ny alalan'ny pensée positive.

------------------Ireto zavatra manaraka ireto no tokony hatao rehefa te hanana pensée positive:

.

✳ a)-Mahatsapa tena fa manana négativité

.

------------------Araka ny efa volaza etsy ambony ny négativité dia avy ivelany na avy anaty, ka mila mamantatra isika ity zavatra iray ity dia négativité.

Raha vao mahatsapa isika hoe: mitaraina olana lava, na mitaraina zavatra hafa, toujours victime na zavatra ratsy fona, matahotra, mimenomenona,mitenena sahady hoe:

« Ok, amin'uty indray mitoraka ity, tratran'ny négativité aho; fantatro fa tsy hanampy ahy mintsy izany, fantatro fa être négatif vao maika manavesatra ny situation, inona no tokony hataoko mba hivadihan'izany positif izao dia izao? » teneno mivantana amin'ny tenanao manoloana ny fitaratra io teny io,ataovy o henon'ny sofinao mihintsy.

.

✳ b)-Accepter votre négativite, puis essayer de la transformer en positif

.

-----------------------Rehefa ni identifier nao ilay pensée négative.Aza tokony dia esorina fa enkeno aloha, dia avy mitadiava fomba hamadihana azy ho positive.

Ny tanjona dia soloina ho pensée positive ny pensée negative. Ohatra: Avy ny orana,nefa ianao tsy maintsy mandeha; hoy anao hoe:

Pensée négative : « Shiiiiiiiiiiiiii,avy indray ny orana hanimba … » STOP ̠ ̠ ̠

Pensée positive : « Ok,saika fa nieritreritra négatif aho teo, tsara kay fa hihamitombo ny voka-bary ny tatsaha satria avy ny orana ary hihena ny kapoaka ny vary afaka kelikely eo… »

YES ̚ ̚ ̚

Tsy hitanao amin'izany?tsy sarotra ilay izy raha tena manana fotoana te hiovana ho positif ianao.

.

✳ c) -05 choses positives enfin de journée

.

-------------------ity misy zavatra iray atao isan'andro mba hamolahana ny eritreritra ho positif, maka carnet dia soraty anaty carnet ny zavatra dimy niainanao tamin'ny tontolo andro androany.Rehefa ts nahita ianao, dia ataovy ihany izay aneritreritrao ao fa saingy zavatra positif

.

✳ d) -Repérer ce qu'il y a de positif tout au long de la journée

------------------Raha tianao hahita fivoarana malaky,ataovy en même temps ny journée nao ilay izy, raha vao mahatsiaro ianao fa nisy zavatra positif dia noteo mivantana amin'ny carnet amin'ny fotoana ahatsiaraovana azy iny.

------------------Raha misy zavatra négatif mitranga dia alay note sahady, dia avadiho ho positive avy hatrany.

.

✳ e) -se nourrir de pensées positives

.

------------------Plus ianao positifs,miha positifs daholo ny manodidina anao, raha mianatra ho positif ianao,dia hohitanao tokoa ny positif.Noho izany fenoy zavatra mitondra positif ny manodidina anao; cahier, boky, citations,poème. Cadeaux, raha mety izay zavatra négatives



ao anaty profil nao dia esory daholo ka soloy zavatra positif, toy ny slogans,poème, sary,....

izay ny avy aty aminay fa mazotoa manao pratique.














Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...