MITIA OLONA ANY ALAVITRA ANY
Maromaro no manoratra @ commentaire hoe atao ahoana no manemboka olona any alavitra any ho tia anao ?Eny azo atao izay eto amiko ary feno ny rituel afaka anaovana izany fa miankina @ tranga misy .
- Omano aloha ireto :
- _Vovon_tsira iray sotrokely .
- _Siramamy iray sotrokely
- _Tantely iray sotrokely
- _Coco na voanio iray .
- _Kofehy fotsy .
- _Kofehy mainty .
- _Taratasy fotsy kely fotsiny.
- _Stylo mena .
- _Ravina romba.
- _Labozia sy afokasoka .
Ahoana no fanaovana azy ?
Lavahana 3 ny ny Coco dia tandremana tsy ho very ny ranony .Alatsaka ao @ lavaka voalohany ny sira dia miteny ianao hoe : Ny fitiavako anao dia toy ny sira atao fanasina @ laoka matsiro .
Arotsakao ao @ lavaka faharoa @ Coco indray ny siramamy sady miteny ianao hoe : Ny fitiavako anao mamy toy ny siramamy am_bavako .
Alaivo ny taratasy dia sorato @ lay stylo mena ao ny anaranareo roa .
Aforeto kely dia atsofoy @ lavaka fahatelo @ Coco io taratasy io dia tsofohy ihany koa lay ravina romba ary araho ilay tantely sady miteny ianao hoe ; Ny fitiavako anao mamy toy ny tantely .
Ampireheto ny labozia dia iny tain_dabozia iny no anetsemana ireo lavaka 3 @ Coco .
Afatory manodidina @ Coco ny kofehy mainty sy fotsy sady miteny ireo teny teo aloha ;
Tonony ny anaran'ilay olona tiavinao .
- _Ny fitiavako anao toy ny sira fanao @ laoka matsiro .
- _Ny fitiavako anao toy ny siramamy am_bava .
- _Ny fitiavako anao mamy toy ny tantely .
#Rituel_fitiavana .
#Mitia_olona_alavitra

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire