mardi 15 novembre 2022

Hypnotisma : TOETRA TOKONY HANANANA SY FOMBAM-PIAINANA

TOETRA TOKONY HANANANA SY FOMBAM-PIAINANA







Betsaka ny boky milaza ny fomba hatao mba hahatonga ny tena ho “Hypnotiseur”. Samy mitantara izay rehetra fomba nahaizany sy nataony izy : ny sasany milaza ihany, ny sasany mandrebireby ary ny sasany manao izay hahalafo ny bokiny fotsiny. Maimay ery ny tanora rehefa izany hoe : " science occulte " no tenenina. Dia be filaza sy be firesaka ery : " Izaho efa nanao izao sy izao " ets... Ny filazan'ny tenany dia toy ny dokam-barotra entina hieboebo eo anoloan'ny namany hiresahany hamono vorona anao.

Tsy azo lavina fa tena tsara dia tsara ny fananana saina tia karokaroka sy tia fanandramana; porofo fa te hisondrotra ilay olona. Toy ny fananam-bola ny fahaizana. Ny olona Hendry dia tsy mety mionona amin'izay kely ananany, na vola izany na fahaizana, fa mikatsaka sy mampitombo hatrany nefa manao ny marina. Eran'izao tontolo izao hoy aho dia betsaka ny olona mahay sy manao anton'asa hivelomany noho ny fahaizana Hypnotisme.

Betsaka ny dokotera no mampatory ny olona izay hodidiany amin'ny alalan'ny Hypnotisme fa tsy mampiasa “anesthesia”. Raha hiditra ao an-trano hiresaka amin'ny olona hilana tombotsoa ny mahay Hypnotisme dia azo atao ny mampanaiky ny sain'ilay olona hanaiky ny heviny sy izay tiany angatahana. Bajinin'ilay Hypnotiseur ilay hiresahany, ampitainy amin'ny herin'ny masony ny faniriany sy ny tiany angatahana ary tsy avelany raha tsy to ny faniriany eo am-piresahana. Betsaka ny soa azo noho ny fahaizana Hypnotisme ka rariny raha te hahay azy daholo ny olona rehetra.

Satria nividy ity boky ity ianao dia porofo izany fa maniry hahay Hypnotisme ianao, ary te ho velona ara-dalana. Noho izany, araho tsara sy ianaro tsara ny “exercices” sy ny toro-hevitra ho lazaina anao. Aoka ny tenanao sy ny sainao ho vonona, ary tsy hisalasala sy miroanahana toy ny taloha intsony. Aoka ianao ho malina, milamina, madio, be fikasana, tia asa, tia karokaroka ara-tsaina, tia fisondrotana, manamboatra tsy mijanona izay hita sy anananao. Be fitiavana nefa koa masika raha ilaina. Tsy maivan-tsaina, tsy voretra, tsy mora arebireby, tsy mora taitra fa mandinika tsara, tsy matahotra, tsy manaonao foana ka hanenenanao; fa aleo tsy manao toy izay manenina, ary aleo mitandrina toy izay mitsabo. Aoka ny tenanao ho salama falandava; noho ny vatana salama no hananana herin-tsaina matanjaka.

Aza mihevitra ny tenanao ho kely na malemy, na tsy mahavita fa izao no ataovy ao an-doha sy ireharehanao ao am-ponao : "Lehibe aho, mahavita aho, tsy hita velively aho, tsy ambaka noho ranona iny aho, vitan'iny vitako". Raha izany no ao an-tsainao dia ho tonga toetranao sy tanteraka aminao. Aza managorera tena na manambany tena. Ianao



aza efa manaratsy sy manambany mialoha ny tenanao mainka fa ny olona ?. Na inona na inona zavatra atao, na misy loza na zava-tsarotra tsy maintsy hatrehina, tsy maintsy mandresy ianao satria izany no irianao sy tadiavinao. Rehefa matoky dia matanjaka ny saina sy ny vatana. Ny kanosa sy mangorera na dia totozy mandalo aza dia mahataitra sy mampangovitra azy, ary dia latsaka eo ny tainy.

Ankehitriny dia tonga eny amin'ny volana ny olombelona, herin- tsaina lehibe no ananan'ireo mpitondra sambon-danitra. Rehefa matanjaka ny saina manjary be ny herim-po. "la fortune sourit aux audacieux" hoy ny ohabolam-bazaha. Tena marina tsy azo iadian- kevitra izany ohabolana izany ka mba ataovy amin'ny tenanao. Miezaha mafy hampisondrotra ny tenanao dia hanaraka ho azy ny sisa rehetra.

Manàna toe-tsaina ambony fikatsaka, ny lanitra no tifirina ka farafaharatsiny ny tendrombohitra no voa. Mahaiza mamota-tena mba ho mpibaiko ny tenanao ary mahaiza mifehy azy. Aoka tsy handevozin'ny faharatsiana sy ny fahazaran-dratsy ianao. Ny fihetsikao ny toetranao dia tokony ho maha-te ho tia sy manintona olona ho tia anao dia tonga ho azy ny fitiavana.

Raha eny an-dalana ianao, manàna toetra maontina, mihaja, feno fahendrena sy fahalalana. Fa na eny an-dalana aza anie amin'ny fihetsika sy ny famindra miavaka, ny loha poak'aty maivana tsy mba nanovo fahendrena sy fahaizana. Raha vao miseho na mijoro dia izao



no tokony ho fitsaran'ny olona anao : "Izany ka lehilahy". Tsy ny fitafiana anie no maha ambony “I'habit ne fait pas le moine”, misy olona mahay mandinika fa na tsara fitafiana aza ianao fantany amin'ny fihetsikao sy ny firesakao ny maha-tsinontsinona anao. Ataovy ao an- tsainao lalandava ny zavatra kendrenao sy irinao. Diniho sy tsakoy tsara an'eritreritra izany. Tandremo manaonao foana.

Ny vazaha dia manao anton-draharaha amin'ny fanamboaran- tena hahatsara ny volony, ny masony, ny nono, ny hoho sy rantsan- tanany, ny bikany. Betsaka ny vehivavy no manosotra zavatra ny masony, handrirotra fitiavana hono, toy ny “poudre d'aimant naturel”, Ny “reclame” momba ny “dentifrice” dia hanadiovana ny nify. Ny fitsikin'ny vehivavy tsara nify madio toy ny “Ivoire” dia mampivarahontsana ny fo ka diovy tsara ny nifinao. Rehefa ratsy nify sy maloto kosa dia ho banga, ary tsy sahy mitsiky. Ho mora vizana sy reraka ny vavony. Ho farary kibo lava sy sakaizan'ny aretim-bavony sy tsinay (infection gastro-intestinale). Ny nify no tena mahatsara ny endriky ny olona, ary hahalalana fa tena manao "toilette " marina ny tompony fa tsy voretra.

Ny “Yoga” na “fakirisme” no fatra-pampiasa an'izy io. Ilaina dia ilaina ny mifoka rivotra madio. Ny ankizy mpanao “Gymnastique” dia mahay azy tsara. Trohiny be dia be amin'ny orona ny rivotra dia avoakany amin'ny vava. Averimberiny matetika izany, ary atao



maharitra mba hahazo rivotra madio tsara ny havokavoka. Rehefa manao gymnastique no tena fanaovana azy. Ny rivotra dia feno "Hery magnétique" ka izay te hanana izany hery izany dia tokony hifoka azy betsaka. Ny fifohana rivotra (exercices respiratoires) dia mahafaka ny fo midobodoboka (palpitation), ny tahotra, ny kohaka, ets... satria rehefa mifoka rivotra betsaka ianao dia miasa tsara ny fo sy ny havokavoka. Manadio ny rà ka tsy maintsy hiteraka fahasalamana ho an'ny vatana izany. Ny olona manana aretin-tratra mpikohaka dia tsara mihitsy raha manao an'io fifohana rivotra io fa hanampy lehibe ny fitsaboana azy izany.

Ny maraina sy ny hariva no tsara fifohana rivotra. Ny rivotra no tena mahavelona ary tena ilain'ny tenantsika olombelona. Azon'ny olona atao ny tsy mihinan-kanina, nefa tsy azon'ny olona atao ny hiaina tsy misy rivotra hiainana. Ny “Fakira” anefa dia velona ihany rehefa avy alevina telo volana any anaty tany, mahagaga ! Atrehan'ny fanjakana sy ny olona maro ny fandevenana sy ny famongorana azy rehefa lasa ny telo volana. Ny "Fakira" dia mahia kely sy efa zatra mapijaly tena. Efa nahita Malagasy mihambohambo manao fampisehoana Fakirisma aho ka mampihomehy. Misy Malagasy " Fakira " mba azo alevina ve ? Raha "prestidigitation" samy mahay, hafa noho izany ny "Fakirisma".


Chapitre précedent :  HYPNAOTISMA NA “HYPNOTISME”
Chapitre suivant :  FAHARETANA SY FIKIRIZANA

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...