HYPNAOTISMA NA “HYPNOTISME”
Betsaka amintsika no efa namaky boky momba ny Hypnotisme amin'ny boky vazaha ary misy angamba nanontany tena hoe : dia mety ho vitan'ny olona ve izany sa lainga? Raha vitan'ny hafa ve tsy mba ho vitanao? Hery mahagaga ny fahaizana Hypnotisme. Betsaka ny “exercices” fanazaran-tena ho hitanao ao anatin'ny boky ka araho sy ikirizo fa ho vitanao ara-dalana. Betsaka ny boky vazaha mitantara momba ny Hypnotsime nefa tsy manoro ny SECRETS tena hahaizana azy. Ity no boky toy ny ABC hahaizanao azy azo antoka. Mila ny herim-ponao sy ny fahazotoanao hianatra azy dia izay. Manokana fotoana izay mampahalalaka anao 15mn isan'andro dia ampy. Na ny maraina na ny antoandro, na ny harivariva alohan'ny hatory samy mety daholo. Ny exercices fanazarana ny maso ho lasa toetranao no tena ilaina, ary tsy maintsy atao hery mahagaga ny hahaizanao Hypnotisme, ary ianao aza dia ho gaga amin'ny tenanao. Hampanaiky olona ho tianao ianao, mampatory olona ianao, etsetra... tsy mba lainga toy ny majika fanova- maso na ny fahaizana hakingan-tanana ny Hypnotisme. Tsy mba mistery na hery nomen'ny devoly akory ny fahaizana Hypnotisme. Zavatra hafa hitana fianarana manokana ho an'izay tia azy ny “magie noir” ka tsy azo afangaro.
Hafa noho izany ny Hypnotisme fa tena zava-marina, ka izay mahatoy mianatra azy dia mahavita, ary ho gaga amin'ny hery ananany izy. Afaka ny tahotra, manjary sahisahy, manjary olom-baovao mitafy hery vaovao. Misy amintsika dia efa manana an'io hery io hatrany ankibon-dreniny. Atoro fotsiny izy dia fohazina ampisany izany hery matory tsy miasa ao anatiny izany nefa tokony hahavitana zavatra mahasoa azy izany. Izay maniry te hanana izany hery izany dia tokony hanao fanazaran-tena toy ny manao fampiasan-tena isan'andro hahatonga ny tenany ho araka izay ilainy azy. Tsy maintsy manana finoana, fanantenana, fahazotoana, saina matotra tsy mety kivy tsy miraika na inona midona na inona mitranga. Avela hilatsaka ny varatra, tsy atao mampihetsi-bolomaso akory ny firefony. Hevero hoy toy ny tsy mampaninona daholo izay rehetra mitranga, aza atao hankahia aza atao hampanahy ary aza avela hilonjitra aminao.
Aza avela hitambesaran'ny lafiratsin'ny fiainana ny eritreritrao, raha misy manorisory, ataovy izay hahafaka izany haingana ao an- tsaina fa tsy hisy soa ho anao na dia kely aza ny mieritreritra izany. Ny Hypnotiseur dia tsy mba taitra, matoky ny tenany lalandava sy ny hery ananany, tsy misy hevitra, na fomba, na fihetsika mety hahakivy azy na hampatahotra azy. Tokana ny ao an-tsainy dia izao : " vitako ary mahavita aho ". Ny zava-tsarotra sy manahirana mifanena aminy dia hihomehezany fotsiny, ary tsy maintsy manohitra sy miala aminy izy.
Raha te hanao Hypnotisme dia tsy maintsy manana maso sy herin- tsaina matanjaka.
Betsaka amintsika no efa namaky boky momba izany ka mahalala izany tsara. Araka ny hitako dia tena ilaina sy mahasoa ny fanaovana ny Hypnotisme raha tahiny ka ampiasaina amin'ny tsara. Araka ny fandinihana dia toy izao no nahitana an’io hery miafina ao amin'ny olona io. Ny bibilava dia fantatsika fa tsy mba manan-tanana sy tongotra hisamborana na hamonoana izay biby fihinany.
Ohatra : Misy sahona iray na voalavo tiany ho samborina. Banjininy eo ilay sahona ary tsy mihetsika izy na kely aza. Mandefa ny herin'ny masony sy sainy izy handrakotra sy hahatonga ny sahona ho ankona tsy afa-mihetsika. Maharitra minitra vitsivitsy izy mibanjina sy manafanina azy eo, ary farany iantsampazany amin'izay ilay sahona kely dia azony. Toy izany koa ny fomba ataony raha te hisambotra voron-kely eny ambony hazo izy.
Rehefa banjinin'ny masony ela dia tonga miraikiraiky, na mivarahontsana sy mangenahena fotsiny izao. Tonga tsy manan-kery, tsy afa-mihetsika tsy afa-miala. Ny tenako no nanao fanandramana betsaka taman'olona ka mahatsapa fa tena marina izany. Betsaka ny biby no mivelona amin'ny masony hahazoana mivelona. Dia toy izany ny liona sy ny saka : rehefa bajinin'izy ireny ny biby fihinany dia tonga mivarahontsana, malemy ny tenany dia raisiny fotsiny; dia tonga
amin'ny fitenenana hoe : " mangenahena toy ny voalavo bajinin'ny saka " tsy hitany izay haleha na dia tokony handositra aza, lasa mihanahana fotsiny, mangovitra avy hatrany dia ny ho faty no ao an-tsainy, ary dia maty tokoa.
Mahavita zavatra ny herin'ny maso rehefa nozarina nanao exercice hanananao hery. Manaporofo sy manamarina izany ny teny ao amin'ny baiboly, hoy ny teny "Avilio ny masonao tsy hijery ahy fa mampientanentana ny foko izy." (tononkiran'l Solomona 6 and 5). Ary hoe : " Aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy." (Ohabolana 6 and 25). Solomona mpanjaka izay nanana vady arivo (mpanjaka voalohany 11 and 3) no nanoratra ny teny dia efa nahalala sy nahay nampiasa ny herin'ny maso. Raha manana "regard fascinant" ianao dia hampivarahontsana izay jerena. Hatoky ny hery anananao ianao fa tsy ho lehilahy sarim-bavy mora ambakaina ary ho velona amin'izay ataonao rehetra.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire