mardi 15 novembre 2022

Hypnotisma : OHABOLANA METY MAHASOA

 Ety am-piandohana dia lazaiko anao fa izao mpanoratra dia niaina tamin'ny fikarohana ka nahatsapa ihany koa fa tsara sy mahasoa ny fanaovana « Hypnotisme ». Ity boky ity dia tsy nosoratako izaho tenako fa boky nosoratan'olona fa saingy noho ny faharatsian’ny boky sy ny soratra izay efa tsy hita sy manjavozavo dia tsy maintsy nataoko ny fanavaozana azy mba tsy ho lefy laza sy hiainan'ny taranaka fara aman- dimby sy ireo izay liana amin'izany. Nataoko ihany koa ny fanavaozana nampian'ny trakefako manokana, ary hatramin'izao fotoana izao dia mbola manohy ny fianarana Hypnotisme hatrany aho ary miezaka mikaroka hatrany hoenty manatsara izany. Afaka mijoro aminao koa ny tenako fa nahita fahasoavana tamin'ny fianarana Hypnotisme aho. Ny hafatro aminao dia izao : olombelona nomen'Andriamanitra hery ianao koa aza manaiky atao tsinontsinona fa ny hasina maha olona anao aza adino mandrakizay. Ny zavatra izay hainao sy hianaranao dia asio lanjany (valeur) ary ianaro ka fehezo mba ametrahanao ny hasarobidin'izany. Misy fomba fiteny Malagasy izay tokony ho ao an- tsainao mandrakariva manao hoe : « Tsy misy mafy tsy laitran'ny Zoto ». Koa mahereza ary aza kivy fa rehefa miaritra am-pisainana tsy maintsy tafita.

 

Nosoratako izao mba hampahery anao fa azo atao ny mitrandraka ny hery mba hivelomanao na dia tsy manao ahoana ary ianao araka ny soratra nataoko ao amin'ny boky hoe : “ Ny Fanahy no Olona ”. Satria aho nanao fanavaozana izany hoe efa nisy teo alohako nefa nahavita aho dia tokony mba havita koa ianao, ary izao dia mbola ao anatin'ny fahatanorana tanteraka no manoratra eto. Tadidio ny teny izay nolazaiko anao teo ambony fa tsy toy ny any am-pianarana io ka ilaina “Diplome”, fa hery anaty maha lasa lavitra anao na tsy manam- pahaizana firy ary ianao sanatria.

Fa ny fahazotoanao kosa dia tsy maintsy ilaina raha te hamoha izany hery izany ianao. Tadidio mandrakariva fa ny hasina sy ny fanahy no maha olona anao itovizana amin'ny olon-drehetra na iza izy na iza, koa aza sodoka na variana amin'ny endrika ivelany mihintsy ianao. Kanefa tsy maintsy miezaka kosa ianao ho tafita na ivelany na anatiny.

 

OHABOLANA METY MAHASOA



Ity boky ity dia nosoratana mba hanoro sy hampianatra anao ny atao hoe : “Hypnotisme”, izay ho hitanao amin'ny pejy manaraka rehetra. Ny fahaizana tsy maintsy miaraka amin'ny fahendrena raha tsy izany dia ho zava-poana ihany izay hikirizana rehetra. Koa ianaro, ilofosy izay fampianarana hatoro anao, nefa tsy maintsy miasa sy mitady vola ianao, dia hanampy anao mora foana ny fahaizana Hypnotisme. Koa miasà. Tadiavo ny vola sy harena ny fahaizana ary ny voninahitra. Raha manan-karena manana hafa ve tsy mba ho vitanao ? Mananà hambom-po fa rehefa mikiry tsy maintsy tafita : “ vouloir c’est pouvoi ”. koa mahereza, tadiavo ny vola sy harena amim-pomba madio, fa ny vola no maha-rangahy sy ingahindrina, ny vola no hiadanana eto an-tany, ny vola no fefin'ny aina, ny vola no hitovizana amin'ny olona rehetra, ny vola no hampiadana anao sy ny vady aman-janakao. Ny vola no hanajan'ny olona anao, nefa koa ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Hoy ny baiboly. Tandremo ny vola ratsy.

Ny vola no hitiavan-kavana, ny vola no hahaleovana sy hahazakana, fa ny siny lolohavina amin'ny halana ary ny adidy lolohavina amin'ny vola. Mikiriza mahaiza mitsitsy. Ny harena aza tobatobaina fa izay lany haren-dany haingo, izay kely haren-koman- dratsy, izay nona mangalatra, ary izay malahelo fefin'ny sasany sy

 

ataony mpanotrina azy. Koa tandremo ny vola sy ny harena tsy ho lanilany foana amin'ny tsy antony, fa singam-bolo mihintsana tsirairay no mahasola ny loha. Ny adala no tsy mitady vola sy tsy mangorona harena mba hiadanana rehefa antitra. Tsy misy mivongovongo ho raofina anefa na be hotovoizina fa tahaka ny tsogoanan-dririnina ka izay mahatsindrotsindroka no maha feno harona, ary toy ny mitsimpona tain'omby ka izay mahatsimpotsimpona no maha feno sobiky, ary biriky kely nakambana no nanjary trano be soa.

Tsy misy kamo ambinina akory, ary tsy misy manan-tsy sasatra nefa te hitovy saranga amin'ny mpanankarena. Koa miasà, tandremo sao lany andro amin'izay tsy ho mofo, manotrina ny fetsy lahy mpanao ronono an-tavy, mpanao fanantenam-poakaty, mpameno paosy amin'ny tsy marina, fa sarobidy ny ora sy ny fotoana ; mba tokony hahafeno vola ny paosinao raha azo atao. Ny olona no manan-karena dia hidiram-bola isa-minitra mandrapaharivan'ny andro, ary miasa tsy mijanona na andro na alina. Miasa izy sitrany ahay, ary izay efa vita dia efa vola sy harena miandry. Mahatsiarova tena fa ny vola miditra any am-paosin-dRakoto tsy miditra any am-paosinao ; tandremo sao mitafa amin'ny mpanan-karena, lany andro amin'ny tsy misy fotony. Ny fitiavana tafahoatra, ny divay, ny hena, ny vorodamba, ary ny torimaso no mampahantra ny olona hoy ny baiboly ka tandremo kely.

 

Tsarovy fa ny fahatanorana dia natao hamonoan-tena sy hitadiavam-bola mafy mba hisy hiadanana rehefa antitra. Milofosa mitady vola, ka raha asa sy fivoriana tsy ahazoam-bola dia ialaho fa resaka adala. Tsy misy olona hiasa maina nefa ny sasany hameno paosy, ary dia ataony boto faniraka no adinao eo. Mananà hambo. Ny olo- mahantra tsy manam-bola sy badolahy mora rebirebena, iany andro tamin'ny resaka adala dia ho faty ho azy. Ny be resaka be politika fetsy lahy, be atoka, matavy kibo, ianao no ataony sakafo sy tohatra hiakarana. Ahirato ny maso.


Chapitre suivant :  HYPNAOTISMA NA “HYPNOTISME”


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...