RAFOZANA ?
Ireo amin'ny sary ireo ny ahy, ray sy reny niteraka an'i Tsiky. Tambanivohitra hiringiriny, tsy nanao afa-tsy namboly sy niompy nandritra ny andro niainany. Tao Andriba (Mavetanana) ry zareo no nonina, ao ihany koa no milevina.
![]() |
| Gazety rindrina |
"Fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe !" hoy ny katolika... tsy nahafantatra azy ireo aho raha tsy efa niray trano amam-bolana niaraka tamin'i Tsiky. Ny andro mialoha ny hamonjeko ny toeram-piasako vaovao tany Antsohihy aho no niteny amin'i Tsiky : "Ndeha ianao mandeha taxi-brousse, tonga alohako ao Andriba. Na amin'ny firy na amin'ny firy aho mandalo ao dia sady haka anao no hangata-bady anao". Efa nilentika ny masoandro vao tafala an'Antananarivo ny fiara nitondra ahy. Mbola tafajanona naharitra tao Mahitsy koa, nisakafo, nahita tamin'ny télévision ny voina nahazo ilay sambondanitra amerikana, nipoaka teny am-panidinana, maty avokoa ireo mpanamory tao anatiny. Tsaroanareo angamba iny, 28 janvier 1986. Io daty io koa no nangatahako an'i Tsiky ho vady. Madiva ho misasak'alina tamin'izay.
Efitrano kely iray nohazavain'ny jiro jabora mitsilopilopy, izy telo mianaka nipetraka teo ambony farafara mirakotra lamba bemiray, i Tsiky teo afovoany, izay no sary indray mipika iny alina iny. Tsy haiko ny nikabary fa dia sady nandohalika aho no nimonomonona, tsy tsaroako izay noteneniko, ny hany tadidiko dia hoe "nangataka" aho... nangataka ary nahazo. Oroka sy fihina no nasetrin'ireto raiamandreny ny fangatahako, niaraka tamin'ny tso-drano mavesatra nanambina anay hatramin'izay ka hatramin'izao.
Izaho meritreritra fa anisan'ny tena manimba ny fifandraisan'ny rafozana sy vinanto ny fifampikasokasohana matetika. Hita izany amin'ireo tanora tsy mbola nahavita nihary no mivady, mialokaloka ao amin'ny raiamandrenin'ilay tovolahy na tovovavy. Iretsy olon-dehibe mihevitra azy ireo ho toy ny zazakely, atoro amin'izay rehetra tokony hatao, feheziny akory aza amin'ny zavatra sasany; etsy an-daniny, izy roa mahatsiaro ho tsy mahaleo tena dia mitroatra. Raha vao miandany amin'ny raiamandreny mampiantrano moa ny iray dia vao maika koa mihasarotra ny fiaraha-monina. Mivoaka ny vava tsy ambina, manamarina ny laza-ratsin'ilay fitenena hoe "rafozana sy vinanto". Tsy ny miray trano ihany fa raha vao iray tanàna ka matetika loatra ny fifampikasokasohana dia tsy ilaozan'izay pitik'afo hiteraka fahamaizana.
An-koatr'izay, misy koa ireo raiamandreny mieritreritra fa voatery tsy maintsy manampy azy ny vinanto, indrindra moa raha tsara fivelomana ilay io. Toy ny miandry karama isam-bolana, raha vao tsy tonga ara-potoana izay heveriny ho "adidy" dia miharatsy ny fihavanana. Tsy miteny anefa aho hoe rahefa azonao ny zanak'olona dia hadinoy ireo nahitany masoandro... "Raha tiana hono ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha !"
Ny tombontsoa hitako tamin'ny fifandraisako tamin'ny rafozako dia ireto : nifanalavitra hatrany ny toerana nonenanay; tsy mbola nisy fotoana nangatahan'ny rafozako tamiko na inona na inona; tsy mbola nisy koa fotoana niangavian'i Tsiky ahy hanampy ny raiamadreniny. Ireo no vao maika koa nahatonga saina ahy ka mba nanao izay vita rahefa nisy ny azo natao... mbamin'ny nitsidihana azy ireo tany Andriba, nitondra izay azo nentina, nijanona tapa-bolana niara-niaina tamin-dry zareo ka nahafantatra izany hoe tongotra bokan'ny parasy sy lamosina nomasahin'ny kongona.
FA TIAKO NY RAFOZAKO, IZY IREO KOA TIA AHY.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire