lundi 17 avril 2023

Ireo antsoina hoe "EX"

Ireo antsoina hoe "EX"



ETO AM-PANOMBOHANA, satria hisy resaka "fisarahana" (raha tsy izany tsy hisy ireo antsoina hoe "EX"), iangaviako ireo izay mety ho tafintohina mba tsy hamaky mihoatra ity andalan-tsoratra voalohany ity.




Nanana "EX" aho. Roa akory aza. Ny iray dia ny vadiko voalohany, efa notantaraiko teto ihany, niara-niasa tamiko tao amin'ny Radio, zokiko 5 taona. Efa lehibe ireo zanakay efatra mianadahy no samy nandinika izahay ary nanapa-kevitra : "satria indraimandeha ihany no iainana, aleo mandrafitra fisarahana milamina toa izay hanohy fiarahana hikorotan-dava !" Ny faharoa kosa dia ilay "saika ho vadiko", amin'ireo antsoin'ny vazaha hoe "JBRI" - "jeune, belle, riche, intelligente". Nifanalavitra loatra ny saranga niainanay ka naleo nifampitso-drano. Rahefa nisaraka, mba tsy hisian'ilay hoe "retour de flammes" dia samy niezaka, nanao izay tsy hifankahitana intsony. Tsy nifanangana ho fahavalo kosa anefa.

Nony hanambady fanindroany aho (i Tsiky izay) dia tena nifanao atsimo sy avaratra tamin'ireo "EX" roa voalohany no niseho : zandriko 18 taona izy, zanaka tambanivohitra, kilasimandry mandra-pivoakany ny Université. Hilaza angamba ianao hoe "dia tena hafa loatra izaho ity". Izao mantsy. Mba hampilamina ny saiko ho an'ny fiainana mbola hodiaviko dia samy nangatahako tso-drano ireo "EX" roa talohan'ny nanambadiako an'i Tsiky. Tsy diso hevitra aho : samy naniry ny soa sy ny tsara ho anay roa avokoa izy ireo. Taty aoriana moa, nisy fotoana nankarary mafy ilay "EX" voalohany. Nony sitrana izy dia nafaranay haka rivotra tany aminay. I Tsiky no manome azy ny fanafodiny, mahandro ny sakafony, manasa sy mipasoka ny lambany, mitondra azy mitsangatsangana. Setrin'izay kosa, izy no mitaiza ny zanakay sy Tsiky voalohany. Mba afak'andro ery.

Indrisy, tsy toa izany mandrakariva ny fiainan'ny andaniny sy ny ankilany rahefa misaraka. Ohatra iray ity. Ny anarana no novaiko.

Valo taona nivadiana i Mbelo sy Nivo. Mianadahay ny zanany, 6 sy 4 taona. I Mbelo ambony toerana tao amin'ny orinasa nisy azy, i Nivo mpikarakara tokantrano. Efa ela ihany no fantatr'i Nivo fa mampirafy ny vadiny. Mbola mba niezaka anefa izy, niaritra ihany, fa dia efa tena nangidy loatra ny fiainana. Zara raha misy hamidy sakafo ny vola omen'i Mbelo, olana avokoa na ny ekolazin'ny ankizy, na ny fanafody, hofantrano, Jirama... Tsy ariny intsony. Nana-namana mpisolovava izy, nasainy nikarakara ny "divorce." Vita soa aman-tsara : nahazo rariny i Nivo, voadidy handoa "pension alimentaire'' i Mbelo. Inona anefa hoy ianao ? Isam-bolana dia voatery mankany amin'ny toeram-piasan'ny vadiny i Nivo mitaky ny zony, izy indray anefa no mahazo tsiny sy voarahona fa mandratsy endrika azy eo imason'ny mpampiasa azy hono. Ary angaha vitan'izany ihany ? Nohararaotiny indray andro ny tsy naha-tao an-trano an'i Nivo. Nalainy an-keriny avokoa ny "chaîne", "écran plat", sy ny "couverts" tsara tarehy, fanomezana tamin'ny mariazin-dry zareo. Namidiny.

Ary izy dahy kely ? Mba manina azy ireo ihany i Mbelo indraindray, tiany hatory any aminy na indray alina ihany aza... tsy manaiky anefa ilay "vady vao" fa zana-drafy hono.

I Mbelo sy Nivo no notantaraiko teto fa mino aho, mahita Mbelo sy Nivo hafa ianareo eny anivon'ny fiaraha-monina eny.

@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...