lundi 24 avril 2023

Ny dobo tsy hita no mahamanina


NANAITRA AHY ny nahafantarako fa tamin'ireo tanora nisara-panambadiana tamin'ny 2022 dia saika mitovitovy ny isan'ny lehilahy sy vehivavy nisaraka noho ny fampirafesana nataon'ny anankiray, tsy nino ilay anatranatra hoe "NY DOBO TSY HITA NO MAHAMANINA."



Mpiray tanàna aminay i Ramatoa Lydia R., mpitsara etsy Anosy, anisan'ny miandraikitra ilay hoe "réconciliation", fampihavanana ireo mangataka fisaraham-panambadiana. Ny resaka nifanaovako taminy rahateo moa no nahatonga ahy hamoaka ity lahatsoratra ity. Fa dieny izao dia miala tsiny aminareo aho : tsy ny voambolana fampiasako eto isan'andro no ho hitanareo eto fa voambolan'i Lydia. Somary vatambatam-piteny izay manko izy, mampifangaro teny gasy sy teny frantsay, fa izay no tena nampitsatoka tato an-tsaiko izay nolazainy ahy... ary dia haveriko aminareo araka ny nandrenesako azy.
"Non, c'est faux ! Tsy marina intsony ankehitriny io ohabolan'i dadabe sy nenibe io. Matoa tsy nisy ny dobo hafa nanintona ny maso taloha dia satria ny vehivavy nihiboka an-trano, tsy nifanerasera tamin'ny lehilahy hafa; ny lehilahy koa tsy nahita dobo hisafidianana satria vitsy ny vehivavy nivoaka ny trano. Fa izao, "tout a évolué !" Na ny fahitana ny fiainan'ny vahiny any ivelany amin'ny télé fotsiny aza dia efa mampiana-dratsy ny ankizy. Ny facebook moa ho an'ny sasany dia zary fitaovana fivarotan-tena. "Tout est permis". Taiza ianao taloha no nahita vehivavy gasy "faire la cour à un homme ?" Very hasina ny fanambadiana.

Nanontaniako izy hoe : inona kay no tena mahatonga ny fitadiavana dobo hafa ?
"Io samy manana ny "motivation"-ny. Marina fa misy ny vehivavy efa manambady, tsy nahafehy tena ka nanandrakandrana, nahita tsaratsara kokoa, "plus viril", "mieux membré"; na koa nifanena tamin'ny lehilahy efa manambady "plus aisé", mahatolotolotra firavaka, vola... takalon'ilay zavatra. "Mais en général", tsy "d'ordre matériel" fa "émotionnel" no mahatonga ny vehivavy "mariée" tsy ho tamana ao an-tranony. Ao izy tsinona tsy mahare afa-tsy resaka asa; ny fialamboly tsy itovizana fa ny an-drangahy boxe na NBA; na miray ao am-pandriana aza, zara fa vita, tsy mba misy "préliminaires"; tsy misy "romantisme", "routine" isan'andro vaky izao. Ny vehivavy dia mila "ambiance sécurisée", mila olona tena miara-miaina aminy, afaka sy mahay mihaino azy. Mila mahare teny mamy ireo sofiny ireo, mila orokoroka io tarehiny io, mitaky tambitamby sy safosafo io vatany io. "Bref", ho an'ny vehivavy, tsy vitan'ny nofo ihany, mora manaraka koa ny azy ny saina sy ny fo !"

"'Ny anareo lehilahy indray dia "bassement sexuel" : "un trou est un trou", tsy an-kifidy. Indrindra ireo "génération quadra" ireo, ireo no tena mpandravarava. Rahefa tafahaona dia ifaninanana ny mamoaka "statistiques" : firy indray no azo? Vetaveta tsy vanona iray trano. Dia mifampitantara eo ny namiravirany ny "victime"-ny, mbamin'ny fihetsiny eo am-pandriana, ny fisentosentony, ny fivadibadiky ny masony, izy tahaka ny tsy nanao n'inon'inona avy eo. Ary ny tena manafintohina dia tsy mba misy "limite"-ny an : na zaza mbola mianatra na efa renim-pianakaviana. Sendra azy ny vehivavy efa nana-tokantrano, voarebirebiny, tratran'ny vadiny, iny ny "divorce". Izy tahaka ny tsy teo, manana ny "tompon-toerana any an-tranony". Io "tompon-toerana" io indray anefa ny tena marina dia "remplaçante" ihany satria iny indray izy no maka tsy hay intsony hoe "firième bureau". Mba tratran'ny vadiny avy eo dia mody mipitrapitra rahefa voasazy handoa "pension". Oh la la !

AM-BAVA HOMANA, AM-PO MIERITRERITRA
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...