POIZINA MAHERY VAIKA
Nandeha nitady hevitra tany amin'ny reniny ity vehivavy iray sady nitaraina ny zavatra nataon'ny vadiny azy: Neny a! Tena tsy zakako intsony ny ataom-badiko...Tiako vitaina any ny momba an'iny, saingy matahotra aho sao dia ho tratra hoe izaho no namono azy.Mba afaka manampy ahy ve i Neny ?
- Neny: Eny! afaka manampy anao aho saingy izao !
Mba tsy hananan'ny olona ahiahy aminao hoe ianao no namono azy dia tsy maintsy manova toetra sy fihetsika aloha ianao. KA izao no tsy maintsy ataonao :
- Aza mila ady aminy mihitsy aloha.
- Karakarao tsara izy, omeo tambitamby izy, omeo fitiavana, mba henoy izay zavatra ilainy,
- Asehoy hoe tena tia azy ianao, ary mba manaova koa manjamanja e!
- Aza mampiseho fitiavan-tena, ary aza masiaka aminy...
Raha vitanao ireo dia tsy hisy hametraka ahiahy aminao izy.
Mety ho vitanao ve izany ?
Eny vitako raha izay izany foana ry Neny a!
Eny ary hoy i Neny! Ity misy poizina. Ataonao amin'ny sakafo izay karakarainao ho azy isan’andro.Tsy tonga dia maty eo noho eo izy, fa hikiky tsikelikely ao anatiny io, ka ho faty izy amin'ny farany…
Lasa nody ilay vehivavy ary nanatanteraka izay rehetra nampanaovin'ilay reniny azy…
Afaka iray volana taty aoriana, niverina tany amin'ny reniny ilay vehivavy :
Neny a! neny a!..
Tsy tiako ho vonoina indray ny vadiko.Niova izy fa tsy toy ny taloha, lasa tia ahy izy, ary izaho lasa tia be azy.Tena niova ny fitiavany ahy, lasa malefaka fiteny, manao teny mamy sy manolotra fanomezana kely, ho ahy foana izy.Tena lasa tia azy tanteraka aho. Inona no hevitra mba tsy hampandaitra ilay poizina ? Mba ampio aho ry Neny fa tsy tiako ho faty izy a! Malahelo azy aho, ary tena malahelo.
Izao anaka! azy manahy ianao, tsy ho faty izy tsy akory, satria tsy poizina ilay nomeko anao iny fa vovo-tsira ihany. Ny marina dia ianao no tena poizina tao an-tokatranonareo.Mitana alahelo, kizitina,mpivazavaza, mpiatsara vela-tsihy, tia tena ka saika nahafaty ilay fifankatiavanareo.
Fa rehefa nanova toetra kosa anefa ianao, nampiseho fitiavana taminy ianao, dia niova koa izy.
Izay nataonao taminy ihany no navaliny anao.......Tokony ho mendrika ianao eo anatrehany, dia ho mendrika koa izy.
Na lehilahy na vehivavy, mahaiza aloha mitia sy maneho fitiavana, dia ho hitanao fa ho tia anao koa izy. Izay ataonao aminy ihany no mety mampiova ny fitiavany anao.
Am-bava homana , am-po mieritreritra !
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire