vendredi 21 avril 2023

Kilalao ratsy : "ESPRIT ES-TU LA"

Kilalao ratsy : "ESPRIT ES-TU LA"


ALOHAN'NY HILAZAKO AMIN'NY ANTSIPIRIANY hoe inona moa ilay izy, inona avy no ilaina ary ahoana ny fanaovana azy, aleoko ho tanisaina eto, an-koatry ny tenako, ireo efa nikasika ity "ESPRIT ES-TU LA" ity.



Taona 1978. Nisy sinoa maro mirahalahy teo Ambatomena (Fianarantsoa), nanana toeram-pivarotana sy fanaova-mofo nanoloana ny Kolejy SFX, "COMAF" no anaran'ny orinasany. Mpinamana be izahay, izaho niasa ho an'ny gazety lehibe iray ka nanomana dokam-barotra ho an-dry zareo. Tao no nahafantarako voalohany ilay nantsoin-dry zareo hoe : "FANAHY MPANORO-HEVITRA". Te-ho nampitombo ny velaran'ny orinasany ry Jacquot mirahalahy avy ka indray hariva, sendra nandalo teo aho no indreto ry zareo mitangorona manodidina latabatra boribory anankiray. Izy ireo efa mifamaly mila hifamely totohondry no tratrako. Ny zandriny indrindra no nentin-katezerana ka naongany ilay latabatra, niparitaka eran'ny gorodona ny poti-taratasy nisy ny alfabeta "A" ka hatramin'ny "Z" ary tarehimarika "0" hatramin'ny "9". Vera iray nipoaka tahaka ny basy.

Taona 1980. Teo Ampasambazaha (Fianarantsoa ihany), mangazay amin'ny ilany havia raha ho eny Tambohobe, karana mpivady tena mba namanay no nanasa anay hisakafo indray hariva. Yanaiataly ilay rangahy, ilay ramatoa tsy tsaroako ny anarany. Avy nihinana "birihani", mba hiala voly hono izany.

Nalahatr'i Nataly teo ambony latabatra ny poti-taratasy misy ny alfabeta sy tarehimarika. Vera iray tsara tarehy teo afovany. Novoniny ny jiro. Labozia tokana sisa nanazava teo antsisin-databatra. Vao hanomboka ilay nolazainy hoe "kilalao" izy, tezitra ny vadiny, nandeha nankany an'efitra tany, nony niverina, natsipiny teo afovoan-databatra ny "Coran". Teo no hoe, lelafo matevim-be tsy fanta-pihaviana no nijoalajoala teo ambony latabatra, zary lavenona avokoa ireo poti-taratasy, montsamontsana ilay vera. Nisy "gâteau" tokony mbola niaraha-nihinana saingy simba ilay "ambiance", naleo nisaraka. 
Ny ampitson'iny, tonga maraina tao aminay i Nataly, niala tsiny ary dia nanoro anay ny fanaovana ilay nolazainy fa "kilalao" mahavariana.
Niara-nanety poti-taratasy izahay nasiana ireo alfabeta sy tarehimarika, nalahatra natao faribolana teo ambony latabatra, vera iray teo afovoany. Samy nametraka moramora ny fanondronay eo ambonin'ilay vera izahay. Izaho no nasainy niteny : "ESPRIT ES-TU LA". Tsy nisy n'inon'inona. Nasainy naverina mafy kokoa... samy nahita izahay, mitsambikimbikina am-pitoerana ilay vera, samy miainga manaraka azy avokoa ny rantsatananay. Nasainy niteny mafy indray aho : "SI TU ES LA, DIS-NOUS TON NOM". Dia indro ilay vera fa mihetsika, mivezivezy, manaraka ho azy ny rantsatananay eo amboniny, mijanona maharitraritra isaky ny manandrify tarehin-tsoratra anankiray : A-N-G-E-L-E... anaran'ny anabavin-draiko vao nalevina tapa-bolana. Tsaroako tsembo-dratsy tampoka aho, nipararetra ny tenako manontolo, nanomboka sempotra... Ny vadiko no tonga saina, namoha ny varavarankely. Naleo tsy notohizana.

Taty aoriana vao henoko. Rahefa nanomboka nifampiresaka tamin'ireny fanahy nantsoina ireny hono ka tsy nanohy hatramin'ny farany dia tsy maintsy misy mahazo ny tena. Ry COMAF mianakavy, nandositra tsy nahaloa hetra no nialany teto Madagasikara. Ry Nataly, fongana ny harenany, nisaraka izy mivady. Raha vao misy anankiray manko hono mitsivalana amin'ireo mpandray anjara dia tsy maintsy izay no iafarany.

ALEO TSY MANAO !
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...