NY TSY HANAMBANIANA OLONA:
Hihinam-bary ianao ?
Tsy maintsy nisy olona nisasatra namboly an‘iny tany ho any:
- Mety tambanivohitra
- mety "lezefa"
- mety ho tanindrana
- mety ho ambaniandro…
>>> FA raha tsy niasa izy tsy ho teo io varinao io.
Handray fiara ianao ?
Marobe ny olona nampiditra ny fahaizany tao, mahay lavitra noho ianao @ taranjany avy, mety ho kristiana mety ho bodista mety ho silamo mety mpanompo sampy ary mety tsy mivavaka,
>>>> FA raha tsy niasa ireo tsy nisy io fiara ilainao hitondra anao io.
Ohatra ihany ireo fa izay rehetra ilainao dia nataon‘olona marobe tsy hitan‘ny masonao akory ary mety eo akaikinao eo aza izy, na ny havany, na ny iray foko na firenena aminy.
Miara miasa ary mifameno izao tontolo izao.
Olona izy, mitovy aminao!
AZA MIAVONAVONA fa tsy mijery lavitra izany. Kevoka ianao miavona nefa tsy hainao fa ny zavatra hoilainao sy ny taranakao mbola ny hafa no hanao azy.Hevero anie hoe niavona daholo ny ny olona rehetra eh… ka samy nahavita tena, samy namboly ny variny, samy namboatra ny lalany sns…
AZA MANAMBANY OLONA ARY AZA MANENJIKA NY HAFA VOLON-KODITRA, HAFA FINOANA, HAFA FOKO NA FIRENENA AMINAO FA ILAINAO AVOKOA IRENY REHETRA IRENY SAINGY METY TSY FANATRAO IZAY ANY AMBADIKA ANY.
Olona ianao - olona izy: mitovy ianareo !
Sahia miavaka amin'ny fisaina
Sahia miavaka amin'ny tsara
Sahia miavaka amin'ny fisaina
Sahia miavaka amin'ny tsara
OMEO HASINA MITOVY NY OLONA REHETRA
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire