RESAKA OLONA MITADY ASA, MANDEFA DOSSIER, NEFA TSY VOARAY NA TSY MAHITA ASA
Faly miarahaba atsika rehetra.Alohan'ny hidirako amin'ny votoantin-dresaka aloha dia tiako ny manindry an'ireto teboka vitsivitsy ireto.
1. Tsy zanaka mpanakarena na olona mahitahita na olona mahafantampantatra olona ny tenako, ary tsy olona diplomé be koa. Fa tsy mahasakana ahy tsy ahazo an'izay post tiako izany, ho zaraiko aminareo ny secret-ko aveo.
2. Fijery amin'ny maha mpiasa ahy (salarié) sy amin'ny maha mpitantana orin'asa ahy (Entrepreneur) mitambatra no ho zaraiko eto. Fantatro tsara ny besoin an'ireo olona anankiroa ireo, dia ho zaraiko aminareo hoe inona marina ny zavatra tadiavin'ny orin'asa.
3. Mety tsy hitombina amin'ny resaka fitadiavana asampanjakana ny zavatra ho resahiko eto satria tsy mbola nanao an'izay aho.
Ndao ary...
Ny zava-misy dia izao :
Rehefa miresaka amin'ny tanora mitovy amiko aho dia ny zavatra matetika miverina dia ny hoe "tsy mahita asa aho" , "tsy misy asa eto Madagascar", "mandefa dossier be dia be fa tsy voaray na tsy misy valiny mihitsy"
Rehefa miresaka amin'ny mpitantana orin'asa na recruteur mitovy amiko anefa izaho dia ny zavatra matetika miverina dia ny hoe "tsy mahita olona hanao an'ilay asa na hitazona an'ilay post zaha, sao dia mahita olona compétent ianao, fa efa 6 volana izay zahay no mikaroka."
Izany hoe : Ny tanora sahirana mitady asa, ny mpampiasa sahirana mitady mpiasa.
Raha tsorina izany : tsy ny asa aloha no tsy misy eto amin'tsika, fa ny olona compétant hanao an'ilay asa no tsy misy.
Dia aleon'ny orin'asa mi-investir amin'ny pays hafa satria any misy olona compétent. Na hanafarany vahiny mena sofina ny poste ambony responsabilité rehetra tsy ahitavany olona eto amin'ntika.
Misy karazan'olona dia hiadivan'ny orin'asa mihitsy ny ampiasa azy.
Be dia be ny entreprise ngeza mifangalatra mpiasa eto amin'tsika fa tsy fantatrareo, tambazana vola be, andrasana amin'ny vavahadin'ny toerana hiasany, entina restaurant luxe be, dia tambatambazana hoe avia miasa aty aminay fa omenay avantage hotrizao, na hanontaniana mihitsy hoe inona ny condition angatahinao fa omenay, sns...
Satria maninonona ? "Precieux" ilay olona.
Ny olona précieux amin'ny sehatrin'ny asa dia zavatra roa no mampiavaka azy :
1. Savoir faire : izany hoe manana compétence pratique tsara ilay olona, ary afaka mitondra résultat.
2. Faire savoir : hainy ny mivarotra an'ilay compétence hananany amin'ny olona mila azy.
Ny olona manana an'ireo zavatra roa ireo no antsoin'ny orin'asa hoe "Talent" . Ary eto amin'tsika, ny talent dia jamais au chômage mihitsy, ary tsy mijaly mitady asa. Anontan'io i Fred Gamm raha tsy mino ianareo.
Ny ankamaroan'ny mpitady asa eto amin'tsika anefa, na izy manana fa ny iray amin'ireo ihany, na izy tsy manana mihitsy na ny iray amin'izy roa.
ILAY SAVOIR FAIRE aloha no hitondrako fanazava amin'ity post ity, dia tohizan'tsika amin'ny post manaraka ilay teboka faharoa.
Alohan'ny andefa dossier ianareo amin'ny manaraka dia apetrao amin'ny tenanareo aloha ity fanontaniana manaraka ity, dia valio amin'ny fo tsy miangatra :
Dépense hoan'ilay orin'asa ve aho raha mahazo an'io post io, sa mampitombombo ny vola miditra ao aminy, na farafatsiny, manena ny vola mivoaka ao aminy ?
Izany hoe tombony ho azy ve ny fakany anao sa tombony ho anao fotsiny ?
Raha mbola "dépense" ny valiny, aza mbola mandefa dossier aloha fa ataovy ireto zavatra manaraka ireto. Nahombiazako izy ity ka zaraiko aminareo.
1. Diniho tsara ireo fahaizana manao tadiavin'ilay orin'asa, inona ny OBJECTIF tiany tratrarina. Ohatra : Tiany hitombo 250 isan'andro ny entana lafo ao aminy raha ohatra ka mbola 50 isan'ndro fotsiny no lafony amin'izao.
2. Mividiana formation mampianatra mivarotra, dia olona hita hoe mahomby amin'ny resaka varotra no tadiavina mampianatra fa sanatria tsy mompera indray no hatoninao ampianatra anao hitondra tokan-trano (azonareo angamba no tiaka ahatongavana) . Tsy voatery mandeha université fa mitadiava formation en ligne, boky, youtube sns...
3. Aza miditra grande boite aloha, fa mandehana amin'ireny orin'asa madinika vao misokatra ireny, na dia ilay mpivarotra friperie eo akaikinao io ary, dia proposeo gratuitement ilay fahaizana azo-nao, dia pratiqueo jusqu'à ce que hoe manana porofo mivaingana ianao hoe afaka mampitombo ny produit lafo amin'ny alalan'ny fahaizana manao hanananao.
Averiko : aza mandeha grande boite aloha, fa raha any ianao no manao stage dia mpanatitra café sy manao photocopie no lasa asanao.
4. Ampiasao ny réseaux sociaux entina mitantara an'izay expérience ataonao izay. Misy antony ireny publication ataonay ireny amin'ny profil na page-nay ireny( mbola ho resahin'tsika ity amin'ny manaraka) , dia ho hitanao fa hanomboka hanatona anao ny orin'asa mila ampitombo ny produit lafo ao aminazy aveo. Dia manomboka eto, ianao indray no misafidy hoe aiza no alehako.
Ohatra fotsiny io resaka varotra io, fa arakarakin'ny compétence alainy ilay orin'asa no hanaovana azy.
Ny mitady vola tsy sarotra, fa mila manana zavatra atakalo azy ianao.
Ny principe-ko tamin'ny zaha mbola nitady asa dia tsotra : raha mangataka karama 5.000.000 ar aho, dia mila manana certitude hoe afaka mampiditra farafaratsiny 50.000.000 ar hoan'ilay orin'asa , izany X10 ny karama angatahiko.
Ny zavatra atao fady manomboka izao dia ny MANGATAKA ASA, fa ny MANAO TOLOTRA hoan'ny mpampiasa hoe " hiova ny orin'asanao raha zaha no tafiditra miasa ao aminao, mila ahy ianano raha te ahazo an'izao X resultat izao "
@Hakeem Steven
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire