Akoholahy Mpiady Hoe ?
TSY DIA MATEVINA ny fahalalako ny tantaran'ny akoholahy mpiady. Ny fantatro fotsiny dia ny hoe "tsy misy ny akoholahy mpiady gasy hiringiriny". Ny tantara mantsy dia milaza fa tany amin'ny 6000 taona talohan'i Jesoa tany no nisy ny fiompiana akoho voalohany indrindra teto ambonin'ny tany ka tany Formose, Taïwan ankehitriny io no niatombohany. Nihanaka avy eo tany amin'ireo firenena aziatika toa an'i Japon, Inde, izay vao tany Europe, Amérique, Afrique. Rahefa nikaroka aho vao nahafantatra fa ireto akoholahy mpiady eto amintsika ireto dia fifangaroan'ny Malay, avy ao Asie atsimo-atsinanana, ny Asil avy any Inde, ny Shamo avy any Japon ary ny akoho OEG avy any Espagne. Hisy izao ireo hizizo hoe tena gasy "pur sang" kosa ry Kalamena sy Mavolamba ary ry Kalamainty... tsy maninona, tahaka ny voasary natao "greffe", "métis" ireny, tsara noho ny "original".
Efa maro eto amintsika ankehitriny ny toerana fampiadiana akoholahy. "Kianja" no fiantsoana azy raha kelikely, "gallodromes" raha voamboatra manokana, mitafo, misy "gradins", "kiosque" ho an'ny filokana. Eto Antananarivo sy ny manodidina ihany dia efa misy folo mahery ny "gallodromes", anisan'ny malaza ny eny Itaosy, Alasora, Ambatoroka, Tanjombato... Fialamboly efa nisy tena hatry ny ela tokoa ny fampiadiana akoholahy. Misy koa anefa ireo manandratra azy ho fanatanjahantena; efa an-taonany izao no mitaky ny hananganana azy ho Federasiona ireo mpiompy sy tompon'akoholahy mpiady. Anisan'ny miady ho an'izan ilay hoe BCM-"Batay Coq de Madagascar" izay mpikarakara ny fifaninana lehibe eto amintsika. Tamin'ny nankalazany ny faha-5 taona nijoroany izao dia nikarakara "exposition" goavana tetsy amin'ny "Kianka Kanto" tetsy Mahamasina ry zareo. Nisy koa "compétition internationale" izay nahitana an'i La Réunion sy Afrique du Sud, ankoatr'ireo teto an-toerana avy any Toamasina, Sambava, Antsirabe, Fianarantsoa... Misy Vondrona matanjaka be ao amin'ny facebook ao, "Serasera Akoholahy" no anarany misy mpikambana mihoatra ny 10.400.
Amin'ny fifaninana lehibe dia mahatratra 70 ka hatramin'ny 100 ny akoholahy soratana anarana handray anjara. Tsy mbola tahaka ny any am-pita ka hoe lanjaina izy ireny, ny hahavony izy mitsangana iny no ampitahaina. Izay hita ho tena matanjaka ihany no miditra an-tsehatra. Maharitra adiny iray na mihoatra aza ny ady anankiray : izay mitsoaka mandositra in-telo na poa-maso roa, na vaky vava no ifanekena fa resy. Vola be tokoa no mikoriana amin'itony adin'akoholahy itony. Ho an'ireo tompon'akoholahy mpiady dia fandre, rahefa mitonona anaram-bola eo amin'ny loka ry zareo, ny hoe roa na telo tapitrisa akory aza. Tsy mahagaga raha misy manombana hatramin'ny 3 na 4 hetsy ny hividianany ny akoholahy iray vao nivoaka mpandresy. Ho an'ireo mpijery ka miloka dia malalaka, samy manana ny vola apetrany ny tsirairay.
Vola tsy tambo ho isaina koa anefa no ilaina raha hiompy akoholahy mpiady, tsy latsaka ny 6 hetsy isan'akoho mandra-pahatonga ny 13 na 14 volana hahafahana mandrotsaka azy an-tsehatra. An-koatry ny vakisiny sy ny odi-kankana ary ny "vitamines" isan-karazany manko dia mitaky fitandremana hentitra koa ny sakafony : tsy maintsy misy "glucides" (katsaka, mangahazo, apombo); "protides" (soja, trondro maina, voanjo); "minéraux" (akorandriaka, taolana)... Ary dia mandany fotoana ihany koa satria ampanaovina fanazaran-tena toy ny mpanao fanatanjahantena rehetra izy ireny.
... KOA MAZOTO ARY VE IANAO ?
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire