MITENY, MIHAINO, MANGINA...
Zavatra telo ataontsika isan'andro ireo, tsy mahay miaraka, samy manana ny fotoanany.
Efa fantatsika ny DALAI-LAMA, ilay filoha fara-tampon'ny bouddhiste any Tibet ary eken'izao tontolo izao ho mpandinika ikoizana ny fiainantsika olombelona. Nisy lahatsoratra efa navoaka teto nitanisana ny sasantsasany tamin'ireo hevi-dalana naposany mikasika lafim-piainana samihafa. Anio kosa dia izay fiheverany ireo zavatra telo loha nolazaina tetsy aloha no haseho eto. Anjaran'ny tsirairay ny mandalina izay tena tiany holazaina.
Efa fantatsika ny DALAI-LAMA, ilay filoha fara-tampon'ny bouddhiste any Tibet ary eken'izao tontolo izao ho mpandinika ikoizana ny fiainantsika olombelona. Nisy lahatsoratra efa navoaka teto nitanisana ny sasantsasany tamin'ireo hevi-dalana naposany mikasika lafim-piainana samihafa. Anio kosa dia izay fiheverany ireo zavatra telo loha nolazaina tetsy aloha no haseho eto. Anjaran'ny tsirairay ny mandalina izay tena tiany holazaina.
![]() |
| Dalai Lama (Dalaï-lama) |
NY MITENY
- "Ny miteny be loatra dia toy ny olona mamafy voa ifangaroan'ny ahi-dratsy sy ny sakafo mahavelona. Raha vitsy anefa ny teny miloaka ny vava dia ho mora kokoa ny manesotra izay mitsimoka ka mety hisy poizina mahafaty."
- "Ny teny miloaka ny vava dia tsy hafa fa taratr'izay ao anaty."
- "Namapianarin'ny raiamandrenintsika isika hiteny fa matetika dia ampianarin'ny fiaraha-monina hangina."
- "Ny olona mahay miteny dia ireo izay mahafantatra ny fotoana tokony hitenenany."
- "Atombeno tsara ny eritreritrao satria ny eritreritra dia hivadika ho teny, ny teny dia ho zary asa, ny asa ho tonga fahazarana, ny fahazarana no handrafitra ny toetra, ny toetra no hamaritra ny safidy, ny safidy anefa no hiantoka ny fiainanao."
NY MIHAINO
- "Rahefa miteny ianao dia tsy manao afa-tsy ny mamerina izay efa fantatrao, fa rahefa mihaino kosa ianao dia tsy maintsy hahafantatra zava-baovao".
- "Raha te-hahafantatra ny tena toetry ny olona anankiray ianao, aza izay teneniny no inoana, izay ataony no diniho."
- "Izay mahay mihaino anio no tena hohenoin'ny olona rahampitso."
- "Manolona ny olona hitanao fa be resaka loatra, aza omena lamosina izy, tsy fahalalam-pomba izany, meteza fotsiny ho toy ny vatan-kazo."
- "Ny fahaiza-mihaino no didy voalohany eo amin'ny fitiavana".
- "Tsara lavitra ny mihaino amin'ny alalan'ny fo toa izay mhaino amn'ny alalan'ny atidoha."
- "Mihainoa aloha vao miteny, mitsakoa vao mitelina."
NY MANGINA
- "Ao anatin'ny fahanginana no ahenoana ny marina rehetra."
- "Fadio ny manoka-bava raha tsy mbola matoky ianao fa izay hambaranao dia manan-danja kokoa noho ny fahanginana."
- "Ny fahanginana dia tsy midika na oviana na oviana ho fahalemena fa hery lehibe miboiboika ao anaty."
- "Matetika dia ny fahanginana no valin-teny mendrika indrindra."
- "Ny fahanginana no fomba fitenin'ny mpifankatia : tsy izay tenenina no zava-dehibe fa izay tsy tenenina."
- "Ny fahanginana no hany sakaiza mahatoky, tsy mba mamadika izy."
- "Ny fahanginana no firavaka volamena tsara indrindra, mahagaga fa vitsy ny vehivavy no tia azy."

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire