jeudi 27 avril 2023

Kilalao...Tsy Kilalao ?

Kilalao...Tsy Kilalao ?


"STEALTH HAWK" no anarany, misy fanampiny, "BLACK HORNET". Fahagagana vaovao nentin'ny teknolojia ity angindimby kely ity, jerena tahaka ireny kilalaon'ankizy vita amin'ny vifotsy mitobaka eny an-tsena ireny, kilalao... kanefa tena tsy kilalao. Indro, fintinina amin'ny teny fohy, ny tantaran'ny nahaterahany.


Amin'ny fifaninanan'ireo firenena vaventy hanana fitaovam-piadiana faran'izay raitra dia nanatona orinasa anankiray ny Ministeran'ny fiarovana amerikana, nampanamboatra angidimby lehibe mahazaka baomba am-polony maro, tsy misy mpanamory fa baikoina avy ety an-tanety, misy fiarovana manokana mba tsy hahafahan'ny fahavalo manova ny baiko ("anti-piratage"), tsy re tsaika, misy milina mpamokatra herinaratra ahafahany manidina mandritra ny ora maro, azo ampiasaina na maizin-kitroka aza, tsy matahotra tafiodrivotra na ora-mikija. Nisy fetra ny fifanarahana natao ("contrat") hany ka nony tapitra ny fe-potoana dia nisy hevitra niitsiry tao an-tsain'ny mpitondra ilay orinasa : hanamboatra "STEALTH HAWK" ho an'ny sarambabem-bahoaka, hamidy toy ny entam-barotra rehetra, tsy ngeda toy ny an'ny tafika fa bitika, toy ny kilalao, ary tsy hitondra baomba fa... fakan-tsary, "drone" toy ny efa fahitantsika ireny.

Natao ny andrana, nahafapo. Mbola nisy aza ny fanatsarana natao : azo ampidirina anaty efitrano ilay izy. Tezitra ny talen-dry zareo indray andro, tao amin'ny biraony, teo am-panoratana "message" ho an'ny vadiny tamin'ny findainy iny indrindra izy no nisosa teo ambony lohany, tsy re tsaika ilay angindimby, azo sary mazava tsara mbamin'ny hafatra teo amin'ny findainy. Nisafoaka ingahirainy, fa iny andrana farany iny no naha-tapa-kevitra azy fa azo amidy amin'ny daholobe amin'izay ilay "kilalao".

Ho an'ireo liana te-hahafantatra misimisy kokoa ny lafiny teknika mikasika ity "drone" ity dia indreto ny antsipiriany : bitika, faran'izay bitika, 33 grammes ny lanjany, tafiditra anaty felatanana iray, azo atao am-paosy toy ny finday rahefa aforitra ny elany, "caméra 4K Ultra HD no ao anatiny, "objectif grand angle", "zoom avant/arrière"; misy "batterie" ahafahany manidina mandritra ny 25 minitra; mandray baiko raha mbola ao anatin'ny faritra 2 kilaometatra manodidina.

Vao tamin'ny asabotsy lasa teo izahay no nanatrika mariazy tetsy amin'ny Yandy Bypass teto Antananarivo. Nampiasa "drone" ny tompon'ny hotely hakana sary tamin'ny nidirana hatreo ambavahady ka mandra-pizotra tany an-trano. Tsy azo natao kosa anefa ny nampiditra azy tao an'efitrano filanonana ndrao hampidi-doza raha mitontona eny ambony lohan'ny olo-nasaina. 
Misy lalàna mifehy ny fampiasana ireny "drone" ireny eto amintsika, voarakitra ao amin'ny "Décision N°75b ACM/DGE/DRG tamin'ny 15 mars 2015". Ny olon-drehetra te-hampiasa "drone" ao anatin'ny faritra voafetra dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana avy amin'ny ACM-Aviation Civile de Madagascar, dimy andro mialohan'ny hampiasana azy. Raha misy faniriana hampiasa "drone" ivelan'ny faritra voafetra dia ny Talen'n ACM irery ihany no manapa-kevitra rehefa avy nandinika ny atotan-taratasy momba izay hampiasana azy. Voalaza koa fa voarara ny fampiasana "drone" milanja mihoatra ny 25kg... ilay "STEALTH HAWK" anefa 33gr... fa tsy izay mihitsy akory no hahazoana alalana hampanidinana azy eny amin'ny habakabaka eto amintsika.

AZA MBOLA ALEFA LAVITRA IZANY ALOHA NY FANIRIANA.
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...