FOMBA - FAHAZARANA - FINOANOAM-POANA
Teny telo toa milaza zavatra samy hafa kanefa toa misy ifandraisany. Jereo ange e. Singaniko ihany ireto. Mahita maro holazaina ianao koa mba ifampizarao eto.Rahefa avy mandevina
Rahefa avy mandevina na mamangy fahoriana ka mbola tao am-bohitra ny razana, tsy miditra ny trano fonenana raha tsy mandika afo nampirehetina teo amin'ny tokonam-baravarana.Rahefa avy mandevina ihany koa, ianao no farany indrindra amin'ireo olona mitanjozotra hamonjy fodiana, miondrika ianao, misabaka, mijery aoriana... indro tazanao ery aoriana ery ilay olona vao avy nasitrika tao am-pasana, miloloha tanana, malahelo fa nilaozan'ny havany.
Manapa-bolo voalohany ny zaza, volana aogositra.
Fiatombohan'ny lohataona hono io, ny ravinkazo nahitsan'ny ririnina dia miverina mitsimoka indray. Ho toa izay koa ny volon'ilay zaza. Tsy ariana ny volo, atao anaty sahafa miaraka amin'ny vatomamy... dia ifandrombahana.
Raha mitondra zaza menavava mivoaka ny trano aorian'ny mody masoandro
Raha mitondra zaza menavava mivoaka ny trano aorian'ny mody masoandro, mitondra zava-maranitra, antsy na hety... miaro ilay zaza amin'ny fanahy ratsy, hono.Raha hifindra monina, miala ny toerana nahalatsahan'ny tavonin'ny zaza
Raha hifindra monina, miala ny toerana nahalatsahan'ny tavonin'ny zaza : maka tany mena, fonosina taratasy, tahirizina. Raha sendra marofy ilay menaky ny aina amin'ny toerana vaovao ipetrahany, aretina tsy fantatra, mitomany lava, mifanintona... hosorana ilay tany mena ny vatany, na ranoina ilay tany mena dia anomezana azy hosotroina.Tsy eto amintsika ihany no ahitana tahaka itony. Atsy Afrika, Amerika atsimo, na any amin'ny firenena tandrefana aza, samy misy hotantaraina.
Ny fahatahorana ity tarehimarika "13"
Ny fahatahorana ity tarehimarika "13" ity ohatra. Misy anarany teknika moa izy io, "Triskaïdekaphobie." Avy amin'ny tantara fahagola, finoana kristiana, trangan-javatra maro samihafa no nipoirany. Ao amin'ny trano foiben'ny Firenena Mikambana ao New York izay niasako naharitra dia tsy misy ny rihana faha-13. Raha haka "ascenseur", tsy misy ny bokotra mifanandrify amin'ny 13ème étage. Avy amin'ny 12 dia 14. Ary na ilay rihana lazaina fa faha-14 aza, tsy nametrahana birao fiasana fa fitehirizana entana fotsiny ihany.
Mandatsaka vola madinika ao anaty rano rehefa hita ny tetezan'i Sofia ?
Fa hiverina eto an-tanindrazana aho. Ny tetezan'i Sofia, eo anelanelan'i Port-Bergé sy Antsohihy no tetezana lava indrindra eto Madagasikara. 810 metatra ny halavany, 30 volana no nanamboarana azy, notokanana ny 20 novembre 1974. Eo no vavahahadin'ny Faritra Sofia, koa raha mandika io tokonana io voalohany hono ianao ka te-ho tamana, hirotsahan'ny fahasoavana, dia mandatsaha anaty rano vola madinika izay tratra ary mivetso mangina ny fanirianao. Tsy dia hoe nentanim-pinoana manao ahoana aho akory fony izaho nisaka ny paosiko ka nanipy tanaty rano izay vola madinika rehetra taty amiko. 22 taona no tafajanona tao Antsohihy izahay sy Tsiky. Tao no nahalatsahan'ny tavonin'ny zanakay roa vavy. Tao no nandraisanay ny sakramentan'ny mariazy. Tao no nianaranay nanetri-tena, nihafy ka nahafahanay nanangana ny orinasanay izay mbola velona sy mirijarija mandrak'aondroany.MISY IHANY IREO MAHALASA SAINA AN !
@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina
Ny fahatsiarovana miafina indrindra amin'ny olombelona
Campagnol : Biby hafa kely
RAFOZANA ?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire