mercredi 3 mai 2023

Ratsiana mifoka sigara

Ratsiana mifoka sigara



SAROTRA HO AN'NY LEHILAHY, tena sarotra izany hoe hipetraka amin'ny toeran'ny vehivavy mitoe-jaza izany. Angamba aza tsy mbola nisy nanana eritreritra ny hanao izany. Izaho manoratra eto izao no hanandrana. Fanontaniana telo no ato an-tsaiko : 
  1. Manao ahoana re izany miteraka ê, mba ho haiko ve ? 
  2. Hanao ahoana izao ny zanako rahefa teraka, enga anie mba tsy hisy fahasembanana. 
  3. Hiova be ve izao ny vatako rahefa avy miteraka aho ? ... Mandra-pahatongan'izay anefa, tsy maintsy hatrehina ny telo volana voalohany izay hisian'ny fikorontanan'ny "hormones" ka mahatonga ilay hoe "ratsiana".

"RATSIANA" hoe ? 

Ahitana ny tsy fahita ny ataon'ny vehivavy, toy ny tsinahy, mandritra ireo telo volana voalohany itondrany vohoka ireo. Tahaka ity ramatoa iray amin'ny sary ity, ohatra. Teo aloha, ady be ny azy mivady raha vao miantefa any aminy ny setro-tsigara; izao, izy indray no tsy maty afo. Ary dia mitomany raha vao tenenin-drangahy fa hoe tsy mahasoa io : "Ianao angaha no hiteraka ?" hoy ny avaliny. Ny tena mahavariana dia ny hoe tsy misy fiantraikany aminy sy amin'ny zaza ao an-kibony io maha-ratsiana azy io.

I neninay, tamin'izy bevohoka ny zokiko narakarahiko dia saribao hono no naharatsiana azy, karepohiny na tsetsafiny toy ny vatomamy. Tamiko indray, tany mena. Izy moa rahefa matory dia ilay amin'ny sisiny mitohoka amin'ny rindrina iny no tiany. Koa indray andro ary, nasainy nividy tsihy i dadanay hanapenana ny rindrina fa mangatsiaka hono amin'ny alina. Hay inona no ataony ? Alohan'ny hatory dia efa novontosany rano ny biriky ao ambadiky ny tsihy, saromany ao. Nony henony miesona i dadanay, loahany amin'ny sotrokely ilay biriky efa malemilemy, sady tiany ny fofon'ilay tany mena no ankafiziny ny tsirony, ahalaniany eran'ny sotrokely isak'alina. Maraina ny andro, gaga i dada : "Nisy orana angaha akia halina ?"... nidofaka manko ny fofon'ny birika lena. Elaela taty aoriana vao tsikaritry dadanay ireo lavaka maro ampy hidiran'ny totohondry tao ambadik'ilay tsihy. Teraka soa aman-tsara aho, tsy sampona; i neny koa tsy nisy fiantraikany tamin'ny fahasalamany ny tany mena narapany.
I Tsiky, labiera no naha-ratsiana azy fony izy nanana ny vavimatoanay, tavoahangy roa fara-fahakeliny isaky ny misotro. Leo angamba, tsy te-hierika labiera mandrak'androany. Itompokvavy Jeanne vadiko voalohany no nampijaly ahy tamin'izy bevohoka ny zanakay faharoa. Teny Flushing (New York) izahay no nipetraka. "Gâteau" frantsay ao amin'ny "Chef Dubois" eny Manhattan hono no tiany, 15km avy teo aminay. Tsy olana amin'ny andavanandro fa itondrako isaky ny avy mirava aho. Indray alahady, tsy nisy "Gâteau Dubois" tao an-trano, iny aho no nandray métro, adiny iray mahery vao tafaverina. Toa izay hahazo fankasitrahana, loza, vao nahita ilay baoritra nisy ny gâteau i ramatoa dia nihoaka, nandoa ary natsipiny tery ambony "moquette" ilay zavatra tiany hatramin'izay... Misy fetrany tokoa hay moa ny maha-ratsiana.

Misy ny vehivavy ratsiana zavatra be sira, na marikivy, na mangidy akory aza. Fa tsy voatery ho zavatra ampidirina am-bava mandrakariva akory ny maha-ratsiana. Tsarako, misy tia fofo-na kabone. Ity koa mbola hafa : fahoriana no nampitondrain'i Nicole ny vadiny, i René, Chef d'Agence-n'ny Star, namanay tao Antsohihy. Mafana be moa any, hany ka "polo" sy "short" foana no anaovan'ny lehilahy. Jerena ity vatan'i René, feno mangana, misy faritra mbola mandeha ra akory aza : dia-na tsongo, ratra-na hareza... Hay ny mampijaly am-badiny no naha-ratsiana an'i Nicole. Tena mba loza.

ARY MBA TANTARAO HOE IZAY EFA NIAINANAO NA HENONAO.

@Xavier_Rakotoarson Gazety Rindrina

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...