mercredi 28 décembre 2022



TSY MILA FREINS À MAIN NY FIARA MANDEHA!
hoy Hasina Samoelinanja - Angano Mampisaina


1 - ACCELERATEUR: Doka sy Motivation (65%)

2 -FREINS: Anatra manoka-tsaina (30%)

3 - FREINS À MAIN: Kapoka (5%)

Fanabeazana hitako tany alavitra be ity ka zaraiko fa mahasoa. Mitonia kely, makà fotoana ka saino ity…
Sao TSY MAHAY MIDERA nefa MAIKA HIKAPOKA???

1

Mila mampiasa accelerateur foana raha tiana handroso ny fiara.
Ry mpanabe: Mila aseho ny olona beazina ny METY IZAY NATAONY, manome HERY sy FAHATOKISAN-TENA azy ianao RAD midera azy.
Tsoriko fa ny tehaka azoko teny an-tsehatra rehefa mikabary sy ny dokan’ny olona tia no nahasahiko niavaka t@ maro ary HERY nahombiazako.
>>> firifiry ny RAD sy Mpampianatra tsy mba MIDERA mihintsy fa manasazy sy mibedy fotsiny?
Manitsaka freins fotsiny izy ireny ka izay no maha be ny embouteillage @ fanabeazana.
>>> tsy lasa alavitra ny beazina / tsy ambony tsy ambany / tsy mivelatra satria ZATRA MIFITSAKA sao BEDY.

2

NY REHEFA MANANANTRA na mimbedy dia tsy miady aminy na sy afotetaka ilay beazina FA ASONDOTRA ARY SOKAFANA NY SAINY. Mila mitady language hiresahana aminy mba ho azony. NY HAFATRA NO AMBONY FA TSY NY SANDRY. Ny olona motivé dia mandeha ho azy tsy mila mpibaiko.
OH: raha manao firaisana tsy misy fitandremana @ periode d’ovulation de bevohoka, tapaka ny fianarana, jereo ranona (!) sns.. Fa tsy hoe: Tsy mahazo manao fa BEDY… hangalatra izy rehefa any @ takona de hidofotra.
Ny TAHOTRA dia hitsindalan’ny mpanabe kamo nefa eniergie negative MANAKANA FAHASAHINA. Jereo fa ny tany mampiasa jadona dia be olona farany mahantra!
Ary rehefa tsy eo ny mpibedy de mangalatra le zazabe. Jereo ny TAXIBE rehefa tsy misy polisy fa mangalatra.

3

VAHAOLANA TENA FARANY INDRINDRA NY KAPOKA rehefa tsy mahita le language ianao.
Ny zavatra tiana hijanona ihany no kapohana. TSY MILA FREINS À MAIN NY FIARA MANDEHA, raha tsy @ tena sarotra dia ny démarrage en côte ihany (3%-5% ihany)
Ny omby na ny andevo no tsy miasa tsara raha tsy karavasina.
Tokony hidresy ny zanaka ho toy ny OMBY ve ny RAD? Izay no maha mora ny fanandevozana antsika any ampiasana: zatra ampitahorina.
Io anefa no fombandrazana tsy hay izay naharatsy azy. LOVA t@ MPANJANAKA io, tsy manporisihina isika fa NOPEMPONA LAVA.
Atsipy ny teny amponao mahalala.


Mentalité : mpanakarena vs mahantra

Mentalité : mpanakarena vs mahantra

Ireto misy karazana "mentalité" dimy mampiavaka ny mahantra sy ny manan-karena ara-tsaina. (Mindset)

 
1- Ny manan-karena dia miresadresaka hevitra, miresadresaka fomba hampandroso.
Ny mahantra kosa miresadresaka ny namany, mifosafosa ny havany.

 
2- Ny manan-karena dia mifantoka amin'ny fomba hampitomboana loharanom-bola, fomba hampiasàna sy hanodinana vola (investissement).
Ny mahantra kosa mitady zavatra hanakalozany ny fotoany amin'ny volany, mitady zavatra handaniany ny volany (dépense)
 
3- Ny manan-karena dia olona mihoatra azy, hampandroso azy ary hisintona azy hiakatra no ataony manodidina azy.
Ny mahantra kosa dia ny mahantra mitovy "niveau de vie" aminy no hiarahany.
 
4- Ny manan-karena dia manomana ny hoaviny, mitsinjo ny rahampitsony.
Ny mahantra kosa dia ny mamerimberina ny lasany ihany no fantany.
 
5- Ny manan-karena dia mihetsika haingana.
Fa ny mahantra kosa dia miteny haingana.

Ry namana,
Ny entourage-nao (manodidina anao) androany no image-nao rahampitso.

Soyez selectif.
Ndao hanova zavatra (Joël Razafindralema)

lundi 19 décembre 2022

FIKA TSY MAHA TEZITRA

FIKA TSY MAHA TEZITRA


Raha mitora-bato anao Rasoa dia miarova tena
Avy eo saino kely:
FA @ iza ianao no tezitra? @ Vato sa @dRasoa? sa...?
Fitaovana ihany ny Vato ary AZA MAIKA fa mety fitaovana ihany koa Rasoa nitiraka.
Fantaro aloha hoe Inona no nanainga azy hitoraka.


1. Sao dia avy aminao ihany aloha? Sao misy tsy mety nataonao ka azonao ahitsy @ Manaraka?
2. Sao misy maniraka Rasoa?
2. A. Iza ary nahoana?
2. B. Sao mankahala anao Rasoa. Io fankahalana io no mety naniraka azy. Ka tsy ny olona Rasoa no tokony hotezeranao fa ilay fankahalana maniraka azy. Fitaovana ihany Rasoa eto, toy ilay vato...
Afaka miresaka aminy ve ianao?


EKEO na OVAY na IALAO

EKEO raha te hankahala anao Rasoa. Atao akory.

OVAY raha azonao ovaina io fankahalana io. Sao azonao resena lahatra Rasoa fa tsy izany no izy?
Sao tokony misy zavatra ovainao tokoa? Ohatra hoe tsy miantehatra @ izay fitiavana-drasoa intsony ny fifalianao.

IALAO: rehefa tsy misy azonao ovana dia alaviro @ fiainanao le fankahalana.
>>> SARINTENY IHANY RASOA sy ny VATO fa azonao ampiharina @ izay HASOSORANA rehetra mianjady aminao ity.

Tandremo fa ianao koa matetika RASOA @ny olona.



𝐕𝐨𝐢𝐜𝐢 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐫𝐫𝐞̂𝐭𝐞𝐫 𝐝’𝐚𝐛𝐬𝐨𝐫𝐛𝐞𝐫 𝐥’𝐞́𝐧𝐞𝐫𝐠𝐢𝐞 𝐧𝐞́𝐠𝐚𝐭𝐢𝐯𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐚𝐮𝐭𝐫𝐞𝐬

𝖭𝗈𝗎𝗌 𝗇𝗈𝗎𝗌 𝗋𝖾𝗍𝗋𝗈𝗎𝗏𝗈𝗇𝗌 𝗌𝗈𝗎𝗏𝖾𝗇𝗍 𝖿𝖺𝖼𝖾 𝖺̀ 𝖽𝖾𝗌 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾𝗌 𝗊𝗎𝗂 𝖽𝖾́𝗀𝖺𝗀𝖾𝗇𝗍 𝖽𝖾 𝗅’𝖾́𝗇𝖾𝗋𝗀𝗂𝖾 𝗇𝖾́𝗀𝖺𝗍𝗂𝗏𝖾. 𝖫𝖾𝗎𝗋𝗌 𝗌𝖾𝗇𝗍𝗂𝗆𝖾𝗇𝗍𝗌 𝗌𝗈𝗇𝗍 𝗍𝖾𝗅𝗅𝖾𝗆𝖾𝗇𝗍 𝖿𝗈𝗋𝗍𝗌 𝖾𝗍 𝗉𝖾𝗌𝖺𝗇𝗍𝗌 𝗊𝗎𝖾 𝗇𝗈𝗎𝗌 𝗋𝖾𝗌𝗌𝖾𝗇𝗍𝗈𝗇𝗌 𝗅’𝗂𝗇𝖿𝗅𝗎𝖾𝗇𝖼𝖾 𝖽𝖾 𝗅𝖾𝗎𝗋 𝖽𝗈𝗎𝗅𝖾𝗎𝗋 𝖾𝗍 𝖽𝖾 𝗅𝖾𝗎𝗋 𝗌𝗈𝗎𝖿𝖿𝗋𝖺𝗇𝖼𝖾 𝗌𝗎𝗋 𝗇𝗈𝗍𝗋𝖾 𝖾́𝗍𝖺𝗍 𝖽’𝖾𝗌𝗉𝗋𝗂𝗍. 𝖣𝖺𝗇𝗌 𝖼𝖾 𝗀𝖾𝗇𝗋𝖾 𝖽𝖾 𝗌𝗂𝗍𝗎𝖺𝗍𝗂𝗈𝗇𝗌, 𝗂𝗅 𝖽𝖾𝗏𝗂𝖾𝗇𝗍 𝖼𝗋𝗎𝖼𝗂𝖺𝗅 𝖽’𝖺𝗉𝗉𝗋𝖾𝗇𝖽𝗋𝖾 𝖼𝗈𝗆𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗌𝖾 𝖽𝖾́𝖿𝖾𝗇𝖽𝗋𝖾 𝖼𝗈𝗇𝗍𝗋𝖾 𝗅𝖺 𝗍𝗈𝗑𝗂𝖼𝗂𝗍𝖾́ 𝖽𝖾 𝖼𝖾𝗍𝗍𝖾 𝖾́𝗇𝖾𝗋𝗀𝗂𝖾 𝗇𝖾́𝗀𝖺𝗍𝗂𝗏𝖾 𝗊𝗎𝗂 𝖺𝖿𝖿𝖾𝖼𝗍𝖾 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝖾́𝗍𝖺𝗍 𝗆𝖾𝗇𝗍𝖺𝗅, 𝗌𝗉𝗂𝗋𝗂𝗍𝗎𝖾𝗅 𝖾𝗍 𝗉𝗁𝗒𝗌𝗂𝗊𝗎𝖾.

𝟏. 𝐀𝐫𝐫𝐞̂𝐭𝐞𝐫 𝐝𝐞 𝐭𝐨𝐮𝐣𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐟𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐩𝐥𝐚𝐢𝐬𝐢𝐫 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐭 𝐥𝐞 𝐦𝐨𝐧𝐝𝐞 : 𝖱𝖾𝗌𝗉𝖾𝖼𝗍𝖾𝗓-𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖾𝗍 𝗌𝗈𝗒𝖾𝗓 𝗀𝖾𝗇𝗍𝗂𝗅 𝖺𝗏𝖾𝖼 𝗏𝗈𝗎𝗌-𝗆𝖾̂𝗆𝖾.
 
𝟐. 𝐈𝐧𝐭𝐞𝐫𝐝𝐢𝐫𝐞 𝐥’𝐚𝐜𝐜𝐞̀𝐬 𝐚𝐮𝐱 𝐩𝐞𝐫𝐬𝐨𝐧𝐧𝐞𝐬 𝐩𝐚𝐫𝐚𝐬𝐢𝐭𝐞𝐬 : 𝖢𝖾𝗌 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾𝗌 𝖺𝗌𝗉𝗂𝗋𝖾𝗇𝗍 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝖻𝗂𝖾𝗇-𝖾̂𝗍𝗋𝖾. 𝖰𝗎𝖺𝗇𝖽 𝗎𝗇 𝗂𝗇𝖽𝗂𝗏𝗂𝖽𝗎 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝗆𝖾𝗍 𝗆𝖺𝗅 𝖺̀ 𝗅’𝖺𝗂𝗌𝖾, 𝗉𝗋𝖾𝗇𝖾𝗓 𝗏𝗈𝗌 𝖽𝗂𝗌𝗍𝖺𝗇𝖼𝖾𝗌 𝖺𝗎𝗍𝖺𝗇𝗍 𝗊𝗎𝖾 𝗉𝗈𝗌𝗌𝗂𝖻𝗅𝖾. 𝖫𝖾 𝖿𝖺𝗂𝗍 𝖽𝖾 𝗇𝖾 𝗉𝖺𝗌 𝖾̂𝗍𝗋𝖾 𝖺𝗂𝗆𝖾́ 𝗈𝗎 𝖺𝗉𝗉𝗋𝖾́𝖼𝗂𝖾́ 𝖽𝖾 𝗍𝗈𝗎𝗌 𝖾𝗌𝗍 𝗎𝗇𝖾 𝖼𝗁𝗈𝗌𝖾 𝖺𝖻𝗌𝗈𝗅𝗎𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗇𝗈𝗋𝗆𝖺𝗅𝖾. 𝖵𝗈𝗎𝗌 𝖾̂𝗍𝖾𝗌 𝗎𝗇𝖾 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾 𝖺̀ 𝗉𝖺𝗋𝗍 𝖾𝗇𝗍𝗂𝖾̀𝗋𝖾, 𝖺𝗏𝖾𝖼 𝖽𝖾𝗌 𝗉𝗈𝗂𝗇𝗍𝗌 𝖿𝗈𝗋𝗍𝗌 𝖾𝗍 𝖽𝖾𝗌 𝗉𝗈𝗂𝗇𝗍𝗌 𝖿𝖺𝗂𝖻𝗅𝖾𝗌.
 
𝟑. 𝐒𝐚𝐯𝐨𝐢𝐫 𝐝𝐢𝐫𝐞 « 𝐧𝐨𝐧 » : 𝖭𝖾 𝗅𝖺𝗂𝗌𝗌𝖾𝗓 𝗉𝖺𝗌 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝗀𝖾́𝗇𝖾́𝗋𝗈𝗌𝗂𝗍𝖾́ 𝗉𝗋𝖾𝗇𝖽𝗋𝖾 𝗅𝖾 𝖽𝖾𝗌𝗌𝗎𝗌. 𝖢𝗁𝖺𝖼𝗎𝗇 𝖺 𝗌𝖾𝗌 𝗉𝗋𝗈𝗉𝗋𝖾𝗌 𝗅𝗂𝗆𝗂𝗍𝖾𝗌 𝖽𝖾 𝗍𝗈𝗅𝖾́𝗋𝖺𝗇𝖼𝖾 𝖾𝗍 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖽𝖾𝗏𝖾𝗓 𝗅𝖾𝗌 𝗂𝗆𝗉𝗈𝗌𝖾𝗋 𝖿𝖾𝗋𝗆𝖾𝗆𝖾𝗇𝗍 ! 𝖭’𝖺𝖼𝖼𝖾𝗉𝗍𝖾𝗓 𝗉𝖺𝗌 𝗅𝖾𝗌 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾𝗌 𝗉𝖾𝗌𝗌𝗂𝗆𝗂𝗌𝗍𝖾𝗌, 𝖾́𝗆𝗈𝗍𝗂𝗈𝗇𝗇𝖾𝗅𝗅𝖾𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗂𝗇𝗌𝗍𝖺𝖻𝗅𝖾𝗌 𝖾𝗍 𝗊𝗎𝗂 𝗉𝗋𝖾𝗇𝗇𝖾𝗇𝗍 𝖻𝖾𝖺𝗎𝖼𝗈𝗎𝗉 𝗌𝖺𝗇𝗌 𝗋𝗂𝖾𝗇 𝖽𝗈𝗇𝗇𝖾𝗋 𝖾𝗇 𝗋𝖾𝗍𝗈𝗎𝗋 𝖺̀ 𝗉𝖺𝗋𝗍 𝗋𝗎𝗂𝗇𝖾𝗋 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝗓𝗈𝗇𝖾 𝖽𝖾 𝖼𝗈𝗇𝖿𝗈𝗋𝗍. 𝖨𝗅 𝗇𝖾 𝖿𝖺𝗎𝗍 𝗉𝖺𝗌 𝖽𝗎 𝗍𝗈𝗎𝗍 𝖺𝗏𝗈𝗂𝗋 𝗉𝖾𝗎𝗋 𝖽𝖾 𝖽𝗂𝗋𝖾 « 𝗇𝗈𝗇 » 𝖾𝗍 𝗂𝗅 𝗇’𝖾𝗌𝗍 𝖺𝖻𝗌𝗈𝗅𝗎𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗉𝖺𝗌 𝗆𝖺𝗅 𝖽𝖾 𝗅𝖾 𝖽𝗂𝗋𝖾 𝖺̀ 𝖼𝗁𝖺𝗊𝗎𝖾 𝖿𝗈𝗂𝗌 𝗊𝗎𝖾 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖾𝗇 𝖺𝗏𝖾𝗓 𝖻𝖾𝗌𝗈𝗂𝗇.
 
𝟒. 𝐑𝐞𝐧𝐟𝐨𝐫𝐜𝐞𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐥𝐢𝐞𝐧𝐬 𝐚𝐯𝐞𝐜 𝐥𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐮𝐫𝐞 : 𝖯𝗋𝗈𝖿𝗂𝗍𝖾𝗋 𝖽𝖾 𝗅𝖺 𝗇𝖺𝗍𝗎𝗋𝖾 𝖽𝖾 𝗍𝖾𝗆𝗉𝗌 𝖺̀ 𝖺𝗎𝗍𝗋𝖾 𝖾𝗌𝗍 𝗍𝗋𝖾̀𝗌 𝖻𝖾́𝗇𝖾́𝖿𝗂𝗊𝗎𝖾. 𝖯𝗋𝖾𝗇𝖾𝗓 𝗎𝗇 𝗆𝗈𝗆𝖾𝗇𝗍 𝖽𝖾 𝗋𝖾́𝗉𝗂𝗍 𝖾𝗍 𝖾́𝗅𝗈𝗂𝗀𝗇𝖾𝗓-𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖽𝗎 𝖼𝗁𝖺𝗈𝗌 𝖽𝖾 𝗅𝖺 𝗏𝗂𝗅𝗅𝖾 𝖾𝗍 𝖽𝖾 𝗅’𝖾́𝗇𝖾𝗋𝗀𝗂𝖾 𝗇𝖾́𝗀𝖺𝗍𝗂𝗏𝖾 𝗊𝗎𝗂 𝗌’𝖺𝖼𝖼𝗎𝗆𝗎𝗅𝖾. 𝖢𝗁𝖾𝗋𝖼𝗁𝖾𝗓 𝗎𝗇 𝗆𝗈𝗆𝖾𝗇𝗍 𝖽𝖾 𝗉𝖺𝗂𝗑 𝗅𝗈𝗂𝗇 𝖽𝖾 𝗍𝗈𝗎𝗍 𝖼𝖾𝗅𝖺 𝖾𝗍 𝗅𝖺𝗂𝗌𝗌𝖾𝗓 𝗅𝖺 𝗇𝖺𝗍𝗎𝗋𝖾 𝖼𝖺𝗅𝗆𝖾𝗋 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝖾𝗌𝗉𝗋𝗂𝗍. 𝖱𝖾𝗌𝗉𝗂𝗋𝖾𝗓 𝗉𝗋𝗈𝖿𝗈𝗇𝖽𝖾́𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗅’𝖺𝗂𝗋 𝗉𝗋𝗈𝗉𝗋𝖾, 𝗈𝖻𝗌𝖾𝗋𝗏𝖾𝗓 𝗅𝖺 𝖻𝖾𝖺𝗎𝗍𝖾́ 𝖽𝗎 𝗆𝗈𝗇𝖽𝖾 𝖺𝗎𝗍𝗈𝗎𝗋 𝖽𝖾 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖾𝗍 𝗆𝖾́𝖽𝗂𝗍𝖾𝗓.

𝟓. 𝐕𝐨𝐮𝐬 𝐞̂𝐭𝐞𝐬 𝐫𝐞𝐬𝐩𝐨𝐧𝐬𝐚𝐛𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐯𝐨𝐬 𝐜𝐡𝐨𝐢𝐱 : 𝖵𝗈𝗎𝗌 𝖾̂𝗍𝖾𝗌 𝗅𝖺 𝗌𝖾𝗎𝗅𝖾 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾 𝖺̀ 𝖽𝖾́𝖼𝗂𝖽𝖾𝗋 𝖽𝖾 𝖼𝖾 𝗊𝗎𝗂 𝗂𝗇𝖿𝗅𝗎𝖾𝗇𝖼𝖾 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝗏𝗂𝖾. 𝖲𝗂 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖾̂𝗍𝖾𝗌 𝗆𝖺𝗅𝗁𝖾𝗎𝗋𝖾𝗎𝗑, 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝖾̂𝗍𝖾𝗌 𝗅𝖾 𝗌𝖾𝗎𝗅 𝖺̀ 𝗉𝗈𝗎𝗏𝗈𝗂𝗋 𝗒 𝗋𝖾𝗆𝖾́𝖽𝗂𝖾𝗋. 𝖢𝖾 𝗊𝗎𝖾 𝗏𝗈𝗎𝗌 𝗋𝖾𝗌𝗌𝖾𝗇𝗍𝖾𝗓 𝖾𝗌𝗍 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝗈𝗉𝗂𝗇𝗂𝗈𝗇 𝗏𝗂𝗌-𝖺̀-𝗏𝗂𝗌 𝖽𝖾 𝗏𝗈𝗎𝗌-𝗆𝖾̂𝗆𝖾 𝗌𝗈𝗇𝗍 𝗅𝖾𝗌 𝗌𝖾𝗎𝗅𝗌 𝖾́𝗅𝖾́𝗆𝖾𝗇𝗍𝗌 𝗊𝗎𝗂 𝗈𝗇𝗍 𝗅𝖾 𝗉𝗈𝗎𝗏𝗈𝗂𝗋 𝖽𝖾 𝗏𝖺𝗂𝗇𝖼𝗋𝖾 𝗅’𝗂𝗇𝖿𝗅𝗎𝖾𝗇𝖼𝖾 𝗇𝖾́𝗀𝖺𝗍𝗂𝗏𝖾 𝖽𝖾𝗌 𝗈𝗉𝗂𝗇𝗂𝗈𝗇𝗌 𝖽𝖾𝗌 𝖺𝗎𝗍𝗋𝖾𝗌. 𝖯𝗋𝖾𝗇𝖾𝗓 𝖽𝖾𝗌 𝖽𝖾́𝖼𝗂𝗌𝗂𝗈𝗇𝗌 𝗂𝗇𝗍𝖾𝗅𝗅𝗂𝗀𝖾𝗇𝗍𝖾𝗌 𝗊𝗎𝗂 𝖺𝗆𝖾́𝗅𝗂𝗈𝗋𝖾𝗋𝗈𝗇𝗍 𝗅𝖺 𝗊𝗎𝖺𝗅𝗂𝗍𝖾́ 𝖽𝖾 𝗏𝗈𝗍𝗋𝖾 𝗏𝗂𝖾 𝖾𝗍 𝖼𝗁𝗈𝗂𝗌𝗂𝗌𝗌𝖾𝗓 𝗌𝗈𝗂𝗀𝗇𝖾𝗎𝗌𝖾𝗆𝖾𝗇𝗍 𝗅𝖾𝗌 𝗉𝖾𝗋𝗌𝗈𝗇𝗇𝖾𝗌 𝗊𝗎𝗂 𝖾𝗇 𝖿𝖾𝗋𝗈𝗇𝗍 𝗉𝖺𝗋𝗍𝗂𝖾.
Également 𝗌𝖾 𝗆𝗎𝗇𝗂𝗋 𝖽𝖾 𝗉𝗂𝖾𝗋𝗋𝖾𝗌 𝖽𝖾 𝗉𝗋𝗈𝗍𝖾𝖼𝗍𝗂𝗈𝗇 (𝗍𝖾𝗅𝗅𝖾𝗌 𝗊𝗎𝖾 œ𝗂𝗅 𝖽𝖾 𝗍𝗂𝗀𝗋𝖾, 𝗅𝖺𝖻𝗋𝖺𝖽𝗈𝗋𝗂𝗍𝖾, 𝗍𝗈𝗎𝗋𝗆𝖺𝗅𝗂𝗇𝖾 𝗇𝗈𝗂𝗋𝖾, 𝗃𝖺𝗂𝗌, 𝗈𝖻𝗌𝗂𝖽𝗂𝖾𝗇𝗇𝖾 𝗈𝖾𝗂𝗅 𝖼𝖾́𝗅𝖾𝗌𝗍𝖾, 𝗈𝖻𝗌𝗂𝖽𝗂𝖾𝗇𝗇𝖾 𝗇𝗈𝗂𝗋𝖾 …)
𝖭𝖾𝗍𝗍𝗈𝗒𝖾𝗋 𝗌𝗈𝗇 𝖾𝗇𝗏𝗂𝗋𝗈𝗇𝗇𝖾𝗆𝖾𝗇𝗍 :
𝖺̀ 𝗅’𝖺𝗂𝖽𝖾 𝖽’𝖾𝗇𝖼𝖾𝗇𝗌 (𝗌𝖺𝗎𝗀𝖾, 𝗉𝖺𝗅𝗈 𝗌𝖺𝗇𝗍𝗈 …) 𝖾𝗇 𝖽𝗂𝖿𝖿𝗎𝗌𝖾𝗋 𝖽𝖺𝗇𝗌 𝖼𝗁𝖺𝗊𝗎𝖾 𝗉𝗂𝖾̀𝖼𝖾𝗌 𝖽𝖾 𝗅𝖺 𝗆𝖺𝗂𝗌𝗈𝗇, 𝗌𝗎𝗋 𝗌𝗈𝗇 𝗅𝗂𝖾𝗎 𝖽𝖾 𝗍𝗋𝖺𝗏𝖺𝗂𝗅 𝗌𝗂 𝗉𝗈𝗌𝗌𝗂𝖻𝗅𝖾 (𝖻𝗎𝗋𝖾𝖺𝗎), 𝖽𝖺𝗇𝗌 𝗌𝗈𝗇 𝗏𝖾́𝗁𝗂𝖼𝗎𝗅𝖾, 𝗌𝗎𝗋 𝗌𝗈𝗂-𝗆𝖾̂𝗆𝖾.


jeudi 15 décembre 2022

Manonofisa foana, miasa hatrany

Manonofisa foana, miasa hatrany (motivation)

Tsy lavitra ny fahatanterahan'ny nofinofinao raha miady mafy hatrany ianao 

Ireo izay mandray anao ho mpanonofy dia tsy mahafantatra ny tanjona izay tianao hotratrarina rahatrizay. Noho izany, tsy tokony hilavo lefona mihitsy ianao.

Raha manohy miady amin'ny fo sy fanahinao ianao mba hahatratrarana ireo tanjona napetrakao, dia ho lasa Sefo (patron) ianao rahatrizay.

 Tsy mandainga ny asa fa rehefa miasa ianao dia mahazo karama. Aza miraharaha ny fanakianana sy ny tabataban'ireo manodidina anao, ary miezaha mankany amin'ny tanjonao sy ny tetikasanao.

Mahery fo ianao ary tsy maintsy manamarika ny tantaranao. 
Tsy mino anao izy ireo manodidina anao, raha tsy efa tafita ianao, ka ho avy hangataka torohevitra indray avy eo.

Fa raha mihaino azy ireo ianao izao, dia tsy handeha na aiza na aiza ary dia h tahaka azy ireo koa. 

Koa mitsangàna, sahia manatanteraka ny nofinao fa ho tonga tompondaka ianao

Tu veux le succès. Mais est-ce que tu veux les galères, les coups durs, les sacrifices ?

Tsy misy olona ho avy hamonjy anao, fa eo an-tananao ny hoavinao, misy aza olona tsy ho tia anao fa mamiratra loatra amindrizareo ny hazavana avy aminao, fa na izay aza, ampitomboy hatrany ny hazavana aparitakao (continue de rayonner)


Ny tsiambaratelon'ny fahasambarana

Ny tsiambaratelon'ny fahasambarana (La recette du bonheur) : Pablo Picasso





Aza mieritreritra izay rehetra tsy ilaina amin'ny fahavelomanao. Anisan'izany ny taona, ny lanja (poids), ny haavo (taille). Avelao ho an'ny dokotera ihany izany, fa efa izany no asany.


Aleo namana falifaly matetika no iarahana, tsy mety aminao ny pesimista.
 
Tohizo ny fitaizana ny tenanao… mianatra momba ny solosaina, ny asa tanana, ny zaridaina, sns. Aza avela ho simba ny ati-doha fa ny saina tsy ampiasaina no asan'ny devoly. Ary ny anaran'ny devoly dia Alzheimer ! 

Mihomeheza matetika araka izay azo atao ary indrindra amin'ny tenanao. Rehefa tonga ny ranomaso dia ekeo ny fisiany... fa mandrosoa hatrany. 

Raiso ohatry ny fahafahanao manao zavatra tsara ny masoandro mipoitra isa-maraina : koa amin'izany mahaiza manatanteraka ny vina nokasainao.

Azanony ny lalana mahazatra anao, mitadiava lalana vaovao mbola tsy nalehanao !

Fafao ireo rehetra manamaloka ny fiainanao, ary arehetony afo anananao ao anatinao ao.

Asehoy ny fihetse-po anananao mba tsy hanarianao ny hatsarana manodidina anao.

Enga anie hamirapiratra manodidina anao ny hafaliana anananao. Ary esory ny elenelana misy aminao sy ny lasanao.

Tadidio ary fa : ny olona tokana izay niaraka taminao teo amin'ny andrompiainao dia tsy misy afa-tsy ianao (toi-même)

Aoka ianao ho velona (vivant) amin'izay rehetra ataonao.

Izay rehetra tianao no aoka hanodidina anao : fianakaviana, biby, fahatsiarovana, mozika, zavamaniry, fialamboly…  izay rehetra tianao.

Ny tranonao no fialofanao, fa aza atao ohatra ny any am-pigadrana.

Ny fahasalama no renivolanao voalohany. Hararaoty ny fanananao fahasalamana fa aza potehina, raha tsy dia salama ianao, dia aza manao izay hankarary anao bebe kokoa, 

Mandehandehana mivoaka eny amin'ny arabe, na mitsidika tanàna na firenena hafa, fa aza miherika ireo fahatsiarova ratsy (mauvais souvenir).

"Misy ireo olona mamadika ny masoandro ho lasa loko mavomavo, fa misy kosa ireo olona mamadika ny loko mavomavo ho lasa tena masoandro"

Il y a des êtres qui font d’un soleil une simple tâche jaune, mais il y en a qui font d’une simple tâche jaune, un véritable soleil.
Pablo Picasso


La recette du bonheur
Laisse de côté tous les chiffres non indispensables à ta survie.
Ceci inclut l’âge, le poids, la taille.
Que cela préoccupe seulement le médecin, il est payé pour ça.
Fréquente de préférence des amis joyeux, les pessimistes ne te conviennent pas.
Continue de t’instruire… apprends sur les ordinateurs, l’artisanat, le jardinage, etc.
Ne laisse pas ton cerveau inoccupé, un mental inutilisé est l’officine du diable. Et le nom du diable est Alzheimer !
Ris le plus souvent possible et surtout de toi-même.
Quand viennent les larmes, accepte, souffre et … continue d’avancer.
Accueille chaque jour qui se lève comme une opportunité, et pour cela, ose entreprendre.
Laisse tomber la routine, préfère les nouvelles routes aux chemins mille fois empruntés !
Efface le gris de ta vie et allume les couleurs que tu possèdes à l’intérieur.
Exprime tes sentiments pour ne jamais rien perdre des beautés qui t’entourent.
Que ta joie rejaillisse sur ton entourage et abats les frontières personnelles que le passé t’a imposées. Mais rappelle-toi : l’unique personne qui t’accompagne toute ta vie, c’est toi-même.
Sois vivant dans tout ce que tu fais.
Entoure-toi de tout ce que tu aimes : famille, animaux, souvenirs, musique, plante, un hobby… tout ce que tu veux…
Ton foyer est ton refuge, mais n’en deviens pas prisonnier.
Ton meilleur capital, la santé. Profites –en si elle est bonne ne la détruis pas, si elle ne l’est pas, ne l’abime pas davantage.
Sors dans la rue, visite une ville ou un pays étranger, mais ne t’attarde pas sur les mauvais souvenirs.
Il y a des êtres qui font d’un soleil une simple tâche jaune, mais il y en a qui font d’une simple tache jaune, un véritable soleil.
Pablo Picasso

mercredi 7 décembre 2022

Izany ka Zatovo Vanona

MANAN-JO AHO 

Ny zo dia ny fahafahana na fahefana ananan’ny olona hanatanteraka na tsia zavatra na asa iray. 
Ny zo koa dia izay zavatra azon’ny olona takina amin’ny fiarahamonina na amin’ny Fanjakana. 
Noho izany ny zo dia tombontsoa azon’ny olona avy amin’ny fiarahamonina na ny Fanjakana ka ny lalàna no mametra azy. 

1. Eo amin’ny tenako 

Zoko ny hotsaboina rehefa marary ka andraikitry ny ray aman-dreniko sy ny dokotera ny mikarakara ahy sy manara-maso ny toe-pahasalamako. 
Zoko ny hampiasa tanteraka ny hasina mahaolona ahy, ny haranitantsaiko, ny talenta ananako ary ny feon’ny fieritreretako hahazoako mampivelatra ny tenako, 
Zoko ny hilalao sy hiala voly
Zoko ny hanana nofinofy sy faniriana ary idealy hotratrariko eo amin’ny fiainako
Mba hiainako ao anaty fandriampahalemana dia Zoko ny tsy hampijalina na hampiharana herisetra (amin’ny alalan’ny fiteny, na fihetsika, arabatana na ara -tsaina) ary zo harovana sy hovonjena eo anatrehan’ny herisetra sy ny fampijaliana).




Mandala vaky boky 

Betsaka aminareo zatovo no fatra-pandany andro mijery televiziônina na video na mihaino radio. Mba fantatrareo ve anefa fa na ny fahafinaretana na ny fahalalana entin’ireny tantara na horonan-tsary fampahafantarana na fandaharana ireny dia mandalo fotsiny ? Mandalo satria tsy mba azo ajanona sy iverimberenana izy ireny fa rehefa lasa dia izay, hany ka sarotra tadidina. 

Tsy mba tahaka izany anefa ny boky fa manaraka izay tiantsika hatao. Te hijanona kely dia afa-mijanona ! Te hiverina dia afa-miverina ! Te hanohy dia afa-manohy ! Te handalina dia afa-mandalina ! Sakaiza malemy fanahy mantsy, hono, ny boky ka manaiky hanatanteraka izay faniriantsika rehetra. 

Maro karazana koa, ry zatovo, ny boky. Ao ny mirakitra tantara tena nisy, ao ny ahitana tantara noforonina, ao ny misy sary, ao ny soratra fotsiny. Misy ny amelabelaran-kevitra samihafa fa misy koa ny mitahiry tononkalo mampamelovelo. Misy ny boky natao hianarana fa betsaka koa ny natao ho fialam-boly. Fa ny tena mampiavaka ny boky, rankizy sy tanora, dia ity : na toa inona na toa inona karazany dia misy lesona sy fampianarana azo avy aminy foana. 


Mora hita koa ny boky satria na ao an-trano, na any an-tsekoly, na any amin’ny tranomboky, na any amin’ny fivarotam-boky dia maro isafidianana. Koa sady afaka mividy na afaka mindrana. 

Tsy mba mitaky fitaovana manokana koa ny boky, tsy mba mila herinaratra fa hazavana sy maso dia ampy. 

Ny mpianatra rehetra àry dia tokony ho sakaizan’ny boky. Tsy azo sarahina amin’ny fandrantoam-pahaizana amam-pahalalana mantsy ny boky fa sady fototry ny fianarana no famenon’izay omen’ny mpampianatra. Manginy fotsiny àry amin’izay ny fahafinaretana azo eo ampamakiana azy! 

Hanin’ny saina ny boky, hoy Ravelojaona mpitandrina. Izany hoe raha tianao ho voky ny saina, raha tianao hitombo koa ny sainao dia mahereza mamaky boky. 

Sady tsy mba mifidy toerana sy fotoana koa ange, ry zatovo, ny vaky boky e ! Na anaty trano na ankalamanjana, na eny an-jaridaina na any anaty fiara, eny fa na dia eo am-piandrasana ny fanombohan’ny rindran-kira na ny sarimihetsika aza dia afaka mamaky boky foana ianao. Tahaka izany koa na ny maraina vao mifoha, na ny alina alohan’ny hatoriana na mandritra ny andro dia tsy mba mandà ny boky. 
Namana be fitiavana, ry zatovo, ny boky, ka tokony hotiavina koa. Koa raha mbola tsy nahare ny tsiron’ny boky àry ianao dia araraoty izao fialan-tsasatra izao. Mino aho fa ho raiki-pitia amin’ny boky ianao ka ho tonga mpandala vaky boky! 

Dia mahazoa soa sy fahafinaretana àry e!

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...