lundi 19 décembre 2022

FIKA TSY MAHA TEZITRA

FIKA TSY MAHA TEZITRA


Raha mitora-bato anao Rasoa dia miarova tena
Avy eo saino kely:
FA @ iza ianao no tezitra? @ Vato sa @dRasoa? sa...?
Fitaovana ihany ny Vato ary AZA MAIKA fa mety fitaovana ihany koa Rasoa nitiraka.
Fantaro aloha hoe Inona no nanainga azy hitoraka.


1. Sao dia avy aminao ihany aloha? Sao misy tsy mety nataonao ka azonao ahitsy @ Manaraka?
2. Sao misy maniraka Rasoa?
2. A. Iza ary nahoana?
2. B. Sao mankahala anao Rasoa. Io fankahalana io no mety naniraka azy. Ka tsy ny olona Rasoa no tokony hotezeranao fa ilay fankahalana maniraka azy. Fitaovana ihany Rasoa eto, toy ilay vato...
Afaka miresaka aminy ve ianao?


EKEO na OVAY na IALAO

EKEO raha te hankahala anao Rasoa. Atao akory.

OVAY raha azonao ovaina io fankahalana io. Sao azonao resena lahatra Rasoa fa tsy izany no izy?
Sao tokony misy zavatra ovainao tokoa? Ohatra hoe tsy miantehatra @ izay fitiavana-drasoa intsony ny fifalianao.

IALAO: rehefa tsy misy azonao ovana dia alaviro @ fiainanao le fankahalana.
>>> SARINTENY IHANY RASOA sy ny VATO fa azonao ampiharina @ izay HASOSORANA rehetra mianjady aminao ity.

Tandremo fa ianao koa matetika RASOA @ny olona.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...