mercredi 28 décembre 2022

Mentalité : mpanakarena vs mahantra

Mentalité : mpanakarena vs mahantra

Ireto misy karazana "mentalité" dimy mampiavaka ny mahantra sy ny manan-karena ara-tsaina. (Mindset)

 
1- Ny manan-karena dia miresadresaka hevitra, miresadresaka fomba hampandroso.
Ny mahantra kosa miresadresaka ny namany, mifosafosa ny havany.

 
2- Ny manan-karena dia mifantoka amin'ny fomba hampitomboana loharanom-bola, fomba hampiasàna sy hanodinana vola (investissement).
Ny mahantra kosa mitady zavatra hanakalozany ny fotoany amin'ny volany, mitady zavatra handaniany ny volany (dépense)
 
3- Ny manan-karena dia olona mihoatra azy, hampandroso azy ary hisintona azy hiakatra no ataony manodidina azy.
Ny mahantra kosa dia ny mahantra mitovy "niveau de vie" aminy no hiarahany.
 
4- Ny manan-karena dia manomana ny hoaviny, mitsinjo ny rahampitsony.
Ny mahantra kosa dia ny mamerimberina ny lasany ihany no fantany.
 
5- Ny manan-karena dia mihetsika haingana.
Fa ny mahantra kosa dia miteny haingana.

Ry namana,
Ny entourage-nao (manodidina anao) androany no image-nao rahampitso.

Soyez selectif.
Ndao hanova zavatra (Joël Razafindralema)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...