Manonofisa foana, miasa hatrany (motivation)
Tsy lavitra ny fahatanterahan'ny nofinofinao raha miady mafy hatrany ianao
Ireo izay mandray anao ho mpanonofy dia tsy mahafantatra ny tanjona izay tianao hotratrarina rahatrizay. Noho izany, tsy tokony hilavo lefona mihitsy ianao.
Raha manohy miady amin'ny fo sy fanahinao ianao mba hahatratrarana ireo tanjona napetrakao, dia ho lasa Sefo (patron) ianao rahatrizay.
Tsy mandainga ny asa fa rehefa miasa ianao dia mahazo karama. Aza miraharaha ny fanakianana sy ny tabataban'ireo manodidina anao, ary miezaha mankany amin'ny tanjonao sy ny tetikasanao.
Mahery fo ianao ary tsy maintsy manamarika ny tantaranao.
Tsy mino anao izy ireo manodidina anao, raha tsy efa tafita ianao, ka ho avy hangataka torohevitra indray avy eo.
Fa raha mihaino azy ireo ianao izao, dia tsy handeha na aiza na aiza ary dia h tahaka azy ireo koa.
Koa mitsangàna, sahia manatanteraka ny nofinao fa ho tonga tompondaka ianao
Tu veux le succès. Mais est-ce que tu veux les galères, les coups durs, les sacrifices ?
Tsy misy olona ho avy hamonjy anao, fa eo an-tananao ny hoavinao, misy aza olona tsy ho tia anao fa mamiratra loatra amindrizareo ny hazavana avy aminao, fa na izay aza, ampitomboy hatrany ny hazavana aparitakao (continue de rayonner)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire