IREO ROA LAHY MALAZA INDRINDRA AMIN'NY MAGICK :
 |
| Frater Sophos |
Ireo roa lahy iza hoy ianareo ?
Tsy tonga dia ho teneniko eto aloha. Fa izy roa ireo no tena malaza indrindra amin'ny tontolon'ny ésotérisme iray manontolo, izany hoe na hatramin'ny franc-maçonnerie aza dia hahitana azy ireo. Teneniko aminareo fa na hatramin'ny kolon-tsaina andavanandro aza misy azy ireo, na film io, na literatiora io, na ireny jeux vidéos ankehitriny ireny io, na déssin animée io, dia hitanao ao avokoa izy roa lahy ireo. Izy ireo aloha dia légendes tanteraka, ny fisiany ara-tantara dia faran'izay ratsy fototra, nefa dia na ny tamin'ny kolon-tsaina Greco-Egyptien, na tamin'ny kolon-tsaina Arabo dia hahitana soa aman-tsara azy ireo.
Tsy mbola azonareo an-tsaina ihany ve? Ireto azy ireto, ireo mandrak'ity ny androany dia mbola feno ny lazany ihany erakin'ny tanàna, tsy iza izany ry tompokolahy sy tompokovavy fa ilay mpanjaka mitondra ny anarana Solomona, ary ilay olona niavian'ny fahendrena i Hermès Trismegiste!! Ndao ho resahana izy ireo ao anatin'ny tontolon'ny magick ihany, tsy hojerentsika ny momba azy ireo any amin'ny franc-maçonnerie, na any amin'ny kabbale Occidentale/Hébraïque, na any amin'ny resaka alchimie, ny hojerentsika eto dia ny lanjan'izy ireo amin'ny magick.
I-SOLOMONA, HATRAIZA NY FAHENDRENAO ?
Raha mamaky tsara ny baiboly aloha ianao, dia fantatra fa i Solomona no zanak'i Davida tamin'i Batseba(ilay vadin'i Oria Hetita, ilay lehilahy mpiady nalefan'i Davida namono tena tany rehefa bevohakan'ity farany i Batseba...), hitanao amin'ny II Samoela toko 12:24 izany zavatra izany. Tonga dia misaoty any amin'ny andro iray nivavahan'i Solomona isika.
Inona moa ny zavatra nangatahin'i Solomona? Iza no tsy mahalala an'iny tsianjery hoe Fahendrena izany ? Nefa aoka ho lazaiko anareo, fa ny fahendren'i Solomona izany dia tsy fahendrena tsotra fotsiny, fa indrindra indrindra ny fahefana amin'ireo fanahy rehetra eny amin'ny rivotra, ety an-tany, any anaty rano, ary any ambanin'ny tany any. Rehefa nivavaka tamin'i Jéhovah/Yahvé/Yhvh hono i Solomona, dia indro fa namaly azy i Jéhovah, ka i Mikaela ilay Andrian-dehibe no tonga teo aminy. Nomen'ity Anjely iray ity peratra izy, izay peratra misy ny anaran'Andriamanitra masina sy kintana manana ratsana dimy, ary io peratra io dia mampanaiky ny fanahy rehetra. Ny demony azony voalohany dia i Ornias(mety ilay Oriens/Urieus ao anatin'ireny grimoires ireny izy io), ity demony ity hono dia mampijaly mpanompon'i Solomona iray izay, ka nomen'i Solomona azy io peratra io, dia natsipiny teny amin'ilay demony ilay izy, ary tsy tafihetsika ity farany, raha tsy mandeha any amin'ny Solomona. Nony nipoitra teo hanatrehan'ny Mpanjaka izy, dia nanontanian'i Solomona ny momba momba azy rehetra, ny Anjely mifehy azy, ny Vintana hitoerany, ny asany. Namaly tokoa i Ornias fa fehezin'i Auriel izy, ary ny Adalo no hitoerany. Mijanona kely eto aloha. Misy fahalalana ilaina eto, ny ankehitriny mantsy rehefa hitongavan'ilay zavatra nantsoina dia tonga dia milaza fotsiny ny zavatra ilaina dia tapitra hatreo. Tsy hoe tsy mety akory, fa tsy ampy zavatra be dia be izany atao izany. Tonga tokoa mantsy ilay izy, ny tena fatao dia fantarina ny mombamomba an'ilay zavatra nantsoina, iza ny anarany? Inona ny mifehy azy? Inona ny soniany? Inona ny fanatitra atao aminy? Inona ny fadiny? Ary inona ny andro sy ora, na volana hiantsoana azy indray? Izany no tokony mibahana amin'io zavatr'io, izay ataon'i Solomona ilay izy eto, ka nahazoany fahalalana momba an'i Ornias, ary ny fahalalana midika fahefana, noho izany izy afaka ny hiasa miaraka amin'io demony iray hatramin'ny andro fahafatesany raha ohatra ka...
Ilay fahalalana azy ihany koa mantsy avy eo, tsy mila protocole be tahaka ny tamin'ny voalohany intsony, fa efa akaiky anao eo izy, noho ny fanomezany ny sonia anao(ny sonia tompoko dia marika sy ihany koa azo lazaina ho nofon'ilay zavatra iny! Tahaka ny karazana hazo izay nofon'ireo fanahy amin'ny fomba Malagasy). Miverina amin'izay isika, tao arian'i Ornias, ny demony manaraka dia mazava be fa i Beelzebut na Belzeboba hoy ny Gasy, ka mbola nahazo demony maro faran'izay maro ihany solomona tao arian'io. Hany ka, ny fahefany dia avo faran'izay avo raha oharina amin'izay Mpanjaka rehetra tamin'ny androny. Tsy nisy tahaka an'i Solomona hono, na voninahitra io, na harena io, na fahendrena io, noho ireo demony rehetra teo ampelatanany(aza adino, fa ireo demony ireo dia tsy inona fa Andriamanitrin'ny tany avokoa, i Belzeboba dia mifehy ny ambanin'ny tany iray manontolo, i Ornias ny fanahy rehetra mihitsy no sady tsy iza aloha izy ity fa dia ilay antsoina ihany koa hoe Lucifer, ireo demony fito izay tsy inona fa ireo kintana antsoina hoe Pleiades, sns...). Fantatsika rehetra anefa ny fiafaran'i Solomona... Tsy mandrakizay ny fanjakany... Ny demony voalohany naminany ny hifaranan'ny fanjakany anefa dia tsy iza fa i Asmodée/Asmodeus/Asmodaï, ary ny tena nanisy précision dia i Enépsigos nilaza fa io tempoly ao Jerosalema io dia ho rava, ary ny Jiosy dia ho eo ambanin'ny fahefan'ireo mpanjakan'ny Persa, Midiana sy Kaldeana; ary ny siny izay nataon'i Solomona higadran'ireo fanahy rehetra ireo dia ho potehin'ny olombelona ka hiverina amin'ny toerany izy rehetra ireo. Tonga tokoa ny andro iray, izay andro nitiavan'i Solomona vehivavy Sonamita, nefa tsy nanaiky ho vadiny ity farany raha tsy mandohalika sy manome fanatitra an'i Moloka sy i Raphan ilay mpanjaka. Nataony tokoa izany anefa, ka dia fongotra teo aminy avokoa ny fahamasinany rehetra teo, ary ho rava ny fanjakan'Israely, nefa tsy ho amin'ny androny izany fa ho ao ariany.
Tapitra iny tantara iny, hamaranako momba ity Mpanjaka "légendaire" ity, ny fisiany eo amin'ny sehatrin'ny fomba maro samihafa. Mila fantatrareo fa ny antsoina hoe hermétisme alexandrin dia misy azy io soa aman-tsara, izany hoe any amin'ny fomba Greco-Egyptien dia mbola manan-daza be izy io, hany ka ny PGM IV.850-929 dia manome fomba izay hahazoana faminaniana mitondra ny anarany. Mbola ao ihany koa ny fampiasana ny anarany mba hahazoana fandresena sy voninahitra ao amin'ny PGM XCII.1-16, ary ny fanalana demony amin'ny anarany(noho ny fahefany efa hitantsika teo) ao amin'ny PGM XCIV.17-21. Avy eo, saika ny grimoires rehetra hitanareo dia milaza fa avy aminy avokoa, ka izay indrindra no hanaovana ny fomba raketin'izy ireny hoe: magie Salomonienne. Izy ireny dia mifantoka amin'ny fiantsoana demonia, ary na manao fifanekena moramora aminy(Ny sanctum regnum ao amin'ny Dragon Rouge, ny ampahan'ny Clavicules de Salomon, ny Grimorium Verum, sy fomba sasatsasany amin'ny Hygromanteia), na tonga dia amin'ny teny mahery sy fanerena an'ireo demonia(Ars Goetia, ny Tapany voalohany amin'ny Dragon Rouge, ny ampahany amin'ny Clavicules de Salomon). Ny magie Salomonienne any amin'ny Arabo kosa indray anefa mbola hafa ihany koa, raha araka ny Book of deadly Names as revealed to king Solomon by jinn King Fiqitush(lava a!) indray dia tsy mba miantso ireo Jiny(fantaro kely ity, amin'ny fomba Arabo ny Jiny no mitovitovy amin'ny demony, nefa tadidio ny zavatra nolazaiko tany ambony tany, fa ny demony rehetra akory tsy Jiny fotsiny ihany) fa mifantoka amin'ny fomba fanasitranana ampianarin'ireo fanahy ireo. Mbola ela ity vao tapitra raha toa ka tsy hajaniko eto ny resaka momba an'i Solomona, noho izany dia ndao amin'izay àry hiditra amin'ny fahalalana ny fahalebiazan'i Hermès Trismegiste ao anatin'ny magick.
II-HERMÈS NIHAVIAN'NY FAHENDRENA...
Iza no tsy mahalala an'i Hermès Trismegiste tamin'ny andro fahiny? Ary iza no tsy nilaza fa izy no loharanon'ny fahendrena rehetra ?
Mila hay anefa hoe i Hermès dia Andriamanitra Grika tamin'ny voalohany. Andriamanitrin'ny hafetsena izy, ny halatra, ny fiarovana an'ireo mandeha alavitra, ny fahasalamana, mitarika an'ireo fanahin'ny maty rehefa tonga any amin'ny Hadès, mpitondra hafatr'ireo Andriamanitra izany no anjara asany fahiny, taty ao ariana izy dia lasa io Hermès Trismegiste io, izay noheverin'ny Grika fa mitovy amin'i Thot an'ireo Egyptianina, ary lasa personnage légendaire amin'ny resaka ésotérisme. Ny anarana hoe Hermès trismegiste dia midika hoe ilay Hermès in-telo lehibe, in-telo izy satria izy no Mpanjaka lehibe, Pretra lehibe ary Filozofa lehibe. Izy io araka ny efa nolazaiko teo dia nalaza indrindra amin'ny resaka ésotérisme, ary indrindra moa ny magick, satria hono i Thot-Hermès ihany koa tompon'io zavatra iray io noho izy mifandray amin'ireo Andriamanitra rehetra na amin'ny tany ambany, na amin'ny lanitra ambony. I Jamblique dia milaza ao amin'ny Des mystères des Égyptiens, Tapany voalohany, andininy voalohany manao hoe:"Le dieu qui commande à la parole, Hermès, fut considéré jadis avec raison comme commun à tous les prêtres; celui qui préside à la vraie science des dieux est un et identique en tous : c'est à lui que nos ancêtres dédiaient toutes les trouvailles de leur sagesse, en donnant le nom de Hermès à leurs propres écrits." Inona ny tiana hatongavana amin'izany? Izany hoe izay fahendrena sy fahalalana(magick no tena resahana eto) rehetra azo dia heverina fa avy any amin'i Hermès avokoa. Izy no lalana mitondra amin'ny fahalalana ara-panahy rehetra, na magie io, na mysticisme io, na alchimie io, na astrologie io. Ireo rehetra ireo dia eo ambanin'ny fahefan'i Hermès Trismegiste avokoa ! Lazaiko aminareo fa na hatramin'ireo Kristianina aza dia nalaza tany aminy io olona iray io, i Lactance dia nilaza fa nisy olona teo amin'ireo Mpanompo sampy izay mitondra ny anarana Hermès Trismegiste naminany ny amin'ny fomba Kristianina. Aty amin'ny fomba Arabo izy dia miverina hita ao amin'ny Balînus, Kitab Sirr al-khaliqa wa San 'at al-Tabi'a izay boky mirakitra ny antsointsika ankehitriny hoe Table d'émeraude, ho raisintsika fotsiny ity fehezan-teny farany ity:"Et à cela a aspiré Hermès qui fut trois fois grand en sagesse. Et ceci est son livre qui est dissimulé dans la chambre". Arabo, ny finoana Kristianina, ny Grika, ny Egyptianina, ny Gaulois, ny Jiosy dia nahalala ny fahamasinan'i Hermès Trismegiste. Amin'ny resaka fampiasana ny anarany indray eo amin'ny tontolon'ny magick dia izy ity hita ao amin'ny PGM IV.296-466 sy PGM IV.1390-1495 miresaka momba ny fomba hisaritana fitiavan'olona iray, ny PGM IV. 2373-2440 indray dia milaza fa ity fomba iray ity izay misarika mpividy dia namboarin'i Hermès, ny PGM IV.2967-3006 dia manambara fomba iray fangalana karazana tapa-kazo na hahitra amin'ny anaran'i Hermès, etc...
Hajaniko eto aloha ny androany, amin'ny manaraka aho miresadresaka momba ny Hermétisme, fa ankehitriny taperiko eo amin'ny resaka Hermès Trismegiste ihany izy ity. Efa noresahatsika teo ambony teo ihany koa ny momba an'i Solomona mpanjaka, ka raha ny momba ny magie salomonienne dia efa nomeko kely ihany ny momba momba azy iny ao, isakin'ny miresaka momba ny magick aho dia ity fomba ity foana no saika resahako, ka noho izany amin'ireny ranty nosoratako rehetra ireny indray ianareo no mijery momba an'izay, amin'ny manaraka angamba aho vao hanoratra ranty iray manokana mihitsy amin'ity resaka ity. Ka izao tapitra hatreo ny teniko, misaotra anao namaky azy hatramin'ny farany.
Loharano :
-F.C. Conybeare, Testament of Solomon
-Nineveh Shadrach, book of deadly names as revealed to king Solomon by Jinn King Fiqitush
-Joseph H.Peterson, The lesser key of Solomon
-Jake Stratton-kent, True Grimoire
-Le Dragon Rouge
-David Rankine & Stephen Skinner, The veritable key of Solomon
-Ezooccult, Dossier La table d'émeraude
-Jamblique, Des mystères des Égyptiens
-Stephen Edred Flowers, Hermetic Magic
-Hans Dieter Betz, The Greek Magical Papyri