DEBUNKAGE: KARMA & RÉINCARNATION
Malaza be tsy misy ohatr'izany ny resaka karma sy réincarnation, nefa dia mahakivy kosa ny mahita fa ny ankamaroan'ny olona rehefa miresaka azy ireo dia toy izao : raha karma no resahana dia hoy izy ireo:"ny karma dia cause à effet, ka rehefa manao zavatra tsara ianao dia mahazo tsara, ary raha manao ratsy dia ratsy kosa no azonao"; raha resaka réincarnation indray:"ny olona rehetra dia manao réincarnation avokoa rehefa ao arian'ny fahafatesany, ka mila mahavita ny "missiony"(inona?) izay tsy inona fa ny fahazoany ny 5ème dimension na 7ème plan atmique, dia tsy miréincarne intsony izy ireo fa lasa grand maître! ".... New age tsy misy fangarony moa koa! Atao ahoana? Ny nihavian'ireo fomba ireo aza angamba dia tsy hay akory fa maika hilaza fotsiny avy eo hoe:"avy any Atlantide, Lémurie, Mû, sns...", mahazendana fotsiny ilay fiheverana mba fahalalana hananana.
Noho izany, aleo jerena soa aman-tsara ny atao hoe "karma" sy ny réincarnation, ho gaga ianareo fa tsy mba zavatra tsotsotra kely ohatran'io lazain'ny be sy ny maro io akory ny dikan'ireo teny ireo. Mila tsindriana arak'izany dien'ny ety, fa ny karma dia fomba Indianina na Karana, ary io tsy hoe avy ao anaty fomba Karana iray akory, fa maro faran'izay maro, ao anatin'ny izany ny Yoga, ny Véda, ny Pourana, ny Samkhya, ny Tantra,sns... Ka eto aloha dia ny fijerin'ny Yoga sy ny Véda, ary ny Tantra no alehatsika ao ambany. Momba ny réincarnation kosa, tsy hijanona amin'ny Vajrayana sy ny Tantra isika, fa ho jerentsika ihany koa ny momba azy teo amin'ny Pythagorisme.
I-KARMA:
Ny karma dia teny Hindi, izay midika hoe:"action", na hetsika. Ny hetsika rehetra dia miteraka fiantraikany avokoa, fa indrindra indrindra mila fantatrareo ny hoe io hetsika io tompoko tsy mivaly amin'ity fiainana ity fa any amin'ny fiainana manaraka (réincarnation). Ary nefa ihany koa raha toa ka mivaly izy io, tsy mba hoe namono moka arivo ianao nandritrin'ity fiainanao ity, ka amin'ny fiainanao manaraka ianao fatin'ny moka arivo.... Tsia! Tsy zavatra tsotra kely tahak'izany izy io, ary fanampiny izay tsy misy dikany izany na ny kely aza! Amin'ny réincarnation manaraka fotsiny dia mety hisy vokatra tsara ho tatazana raha toa ka manome ny mahantra, fa tsy hoe hahazo vola tahak'iny ihany koa! Ny karma dia tahaka ny olona iray mitifitra flèche, ka tsy mijanona intsony iny flèche iny raha tsy voadona na nahavoa zavatra. Noho izany, ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainanao ankehitriny, dia noho ny fiainanao fahiny izay tsy afaka ovainao intsony, fa ny hetsika ankehitriny kosa anefa no afaka hanamboranao ny fiainanao manaraka. Tsy tody akory io ka afaka ialana ihany, fa karma io! Ny zavatra nambolenao tamin'ny fiainanao tany aoriana no tatazano ny vokany ankehitriny, ary ny volinao ankehitriny dia ho tatazanao ny vokany amin'ny fiainanao manaraka! Izany hoe ny olona milaza fa tody=karma dia na izy tsy mahalala ny fomba Gasy, na izy tsy mahalala na inona na inona momba ny karma na ny kely aza, na koa tonga dia tsy misy na inona na inona hainy na ny andaniny na ny ankilany....II-REINCARNATION:
Rehefa niresaka karma isika dia noho izany tsy maintsy miditra réincarnation ihany koa. Nefa na dia izany aza, ndao hojerena ny fomba Pythagorisme rehefa vitantsika ny mijery ny finoana ny réincarnation eo amin'ny fomba Hindou sy vajrayana.Mila fantatrareo aloha, fa rehefa manao réincarnation ny velona iray(tsy ho olombelona foana akory ianao araka ny hindouisme, vajrayana, pythagorisme sy Orphisme) dia miova endrika foana izy, fa tsy mijanona ho zava-maniry, biby, olona, andriamanitra, demony,sns... Noho izany, tsy midika hoe olombelona ianao amin'ity fahavelomana ity, dia ho olombelona ihany koa ianao amin'ny manaraka eo, fa mety lasa biby, na zava-maniry mihitsy aza. Ny fahazoana ny fiainana ho olombelona no zava-dehibe indrindra, satria ny olona ihany no afaka mahazo ny moksha/nirvana(fialana amin'ny Samsara), fa ankoatr'izay dia tsy afaka. Aza manantena ho olombelona ianao amin'ny réincarnation anao manaraka raha toa ka tsy nitady fatratra ny fomba hialana amin'ny samsara(ho an'ny matory, ny samsra dia izao rehetra izao, ny tany, ny lanitra, ny any ambanin'ny tany sy ny any anaty rano, ny andriamanitra rehetra noho izany dia mbola ao anatin'ny samsara).
Io fomba io mety amin'ny alalan'ny karazana yoga no hanaovana azy, na koa fomba tantrique, ka raha nanao an'izay ianao, dia mbola mety possible ho anao ny hiverina ho olombelona amin'ny réincarnation anao manaraka, fa raha toa ka tsia, dia hevero ny fiverenana ho toy ny biby. Ary arak'izay finoana izay, ny biby rehetra io dia efa mba olona ihany koa taloha, fa noho ny rendrarendrany momba ny nofo, dia lasa nidina ho biby izy. Izany indrindra, no mahatonga ny Yogi sy ny Pythagoricien/Orphique tsy mba mihinana biby, satria mitovy amin'ny fanaovana cannibalisme ihany izany zavatra ataon'ny olona izany.
Tohiny : DEBUNKAGE: KARMA & RÉINCARNATION



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire