DEBUNKAGE: KARMA & RÉINCARNATION, tohiny
![]() |
Frater Sophos |
Ireto Pythagoriciens sy ireto Orphiques ireto aza, dia tsy mba manome fanatitra biby ho an'ireo Andriamanitra(na fanahy hafa) izany mihitsy! Satria maninona? Satria mitovy amin'ny fanaovana soron'olona izany zavatra izany, ka aleony manome tantely, na ronono, na voan-kazo, na zava-manitra ho an'ireo fanahy. Fa miverina eo amin'ny resaka réincarnation ihany isika, raha araka ny lois de Manou, boky 12, dia ny fanahy raha zatra manao ratsy loatra, dia midina any amin'ny "afo be", ary ampijalian'i Yama(andriamanitrin'ny Elo ao anaty Hindouisme) mandritrin'ny fotoana voafetra ihany anefa, ka avy eo izy vao lasa biby.... Ary raha toa ilay olona ka nanao tsara sy niantehitra tamin'ny fifantohana amin'ny Véda, ny bakhati-yoga, dia azony ny paradisa na ny lanitra, nefa! Tsy mba mandrakizay izany fa voafetra ihany koa.
Miresaka an'ireto Pythagoriciens ireto isika, ho azy ireo ny fanahy dia avy amin'ny Masoandro, midina ao amin'ny volana, ary avy ao amin'ny volana midina ety an-tany. Misy varavarana roa ety an-tany arak'izy ireo, ny varavarana voalohany no antsoina hoe: vavahadin'Asorotany (Porte du Cancer), ny faharoa kosa no mitondra ny anarana vavahadin'Adijady (Porte du Capricorne). Ny volana no mandatsaka ny fanahy ety an-tany, ary ny masoandro kosa no misintona azy ireo hiakatra. Ny varavaran'Asorotany no volana, ary ny Andriamanitra mampidina izany fanahy izany dia i Hécate, ny varavaran'Adijady indray kosa dia masoandro, ary ny Andriamanitra mampisandratra ny fanahy dia i Dionysos. Io fanahy io avy eo, tsy voatery ho tonga dia olona, fa mety hidina any anaty biby sy zava-maniry, ka rehefa miverina miakatra indray iny fanahy iny, dia rehefa midina izy avy eo vao mety ho lasa olona amin'izay. Ka raha toa izy ka nanao ratsy indrindra tamin'ny fahavelomany, dia midina any ambanin'ny Tartare(afo be!), ka tsy miakatra indray raha toa ka tsy tapitra ny saziny. Ny olona kosa izay afaka miakatra any amin'ny masoandro kosa anefa, dia ireo izay nanaraka soa aman-tsara ny fomban'i Pythagore, izany hoe:"Mivavaka amin'ireo Andriamanitra, ireo Andriamanitra tapany, ireo Razana, manao ny marina, ary miala amin'ny ratsy, miheritreretra vao manao zavatra, ny fandanjalanjana ny mety amin'ny fanahy sy ny vatana, tsy mamono ary tsy mihinana biby satria mitovy amin'ny mamono sy mihinan'olona izany, alohan'ny atoriana dia miheritreretra ny zavatra natao nandritrin'ny tontolon'ny andro hoe inona no tsy natao? Inona no natao? Izay mety dia tazomy, izay ratsy kosa dia tsy hiverenana intsony,sns..." dia izy no afaka ampiakarin'i Apollon(Dionysos) hiverina any aminy, ka lazaina fa lasa Andriamanitra izy na Immortel ao arian'ny fandaozany ny vatany.
Hajaniko eto ny teniko. Araka ny hitanareo teo, ny Karma dia tsy mba zavatra tsotsotra araka ny heviny ny sasany ho toy ny Tody akory, ary ny réincarnation dia mbola miantehitra amin'ny finoana na Filizofia vohizina, tsy notanisaiko avokoa akory ny finoana momba ity zavatra ity, fa mbola hafa ihany koa ny réincarnation eo amin'ny bouddhisme Mahayana, Hinayana, ny Gnosticisme, ny Jiosy sy ny Kabbale, ny fomba Afrikanina, sns... Fa mba efa hitanareo ny fomban'ireo Védique, Vajrayana, ary ny Pythagorisme. Ka ankehitriny, ny fanontaniana tiako apetraka aminareo dia hoe:"Réincarnation inona izany no hinoanareo?", ankehitriny anefa, ny ankamaroan'ireo milaza ny incarnation dia tsy inona fa New age fotsiny ihany, izay adalana tsotr'izao tsy misy fangarony(noho izy mihevitra fa mitovy avokoa ny fijery... Nefa indrisy, voaporofo teo ambony teo fa tsy moramora toy izany ity zavatra ity). Ho ahy manokana, ao anatin'ny zavatra ataoko tsy misy
resaka réincarnation loatra ka tsy dia misy hidirako izany...
@
Frater Sophos
Loharano :
Raha momba ny Hindouisme sy ny Vajrayana(trantrisme Hindou ihany koa)
-Les lois de Manou: Mpandika azy i Auguste Loiseleur-Deslongchamps
-Baghavadgîtâ Upanishad: Mpandika azy i Émile Sénart
-Tantrisme~Doctrine, pratique, art, rituel... : Pierre Feuga
Raha momba ny Pythagorisme indray:
-Que sais-je? Pythagore et les Pythagoriciens: Jean-François Mathei
-L'Antre des Nymphes: Porphyre
-Les Vers Dorés: Antoine Fabre-d'Olivet
-Geosophia Volume I: Jake stratton-kent
-Les lois de Manou: Mpandika azy i Auguste Loiseleur-Deslongchamps
-Baghavadgîtâ Upanishad: Mpandika azy i Émile Sénart
-Tantrisme~Doctrine, pratique, art, rituel... : Pierre Feuga
Raha momba ny Pythagorisme indray:
-Que sais-je? Pythagore et les Pythagoriciens: Jean-François Mathei
-L'Antre des Nymphes: Porphyre
-Les Vers Dorés: Antoine Fabre-d'Olivet
-Geosophia Volume I: Jake stratton-kent



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire