lundi 18 septembre 2023

AZAZEL?

AZAZEL?

Frater Sophos


Betsaka aminareo angamba no efa naheno ity anarana hoe: Azazel ity. Inona marina moa izy ao anatin'ny finoan'ny Tandrefana sy ny Moyen-Orient? Devoly hatrizay sa anjely nivadika? Mba hamaliana izay fanontaniana roa manitikitika izay, androany dia ndao hojerena ny momba momba azy, amin'ny fomba Jiosy sy ao anatin'ny magick Kristianina.

I-AO ANATY FINOANA JIOSY :


Hanomboako azy dia ny fijery azy ao anatin'ny ity finoana iray manaraka ity. Ity entité iray ity dia hita ao amin'ny Levitikosy toko fahaenina ambin'ny folo. Ny resaka eto amin'ny ity toko ity dia momba ny fomba iray antsoina hoe ny andro fanavotana, izay andro iray hanalana ny ota rehetra an'ireo Jiosy. Rehefa mandritrin'ny io andro io, ny pretra dia manao sorona osy roa, ny voalohany dia natao ho an'i Jéhovah na Yahvé, izay sorona atao maty, ny faharoa kosa dia sorona velona ho an'i Azazel. Amin'ny ity sorona faharoa ity dia atao ao amin'ny io osy io avokoa ny otan'ny Zanak'Israely, ka alefa any amin'ny tany efitra izay neverina sy nitoeran'io fanahy iray io. Azo lazaina eto izany fa i Azazel no isan'ny ireo fanahy miandraikitra ny ota.
 
Mbola hita ihany koa izy io ao amin'ny bokin'i Enoka I na Enoka Etiopianina. Ao amin'ny ity farany dia an'isan'ireo anjely nivadika izay niray ara-nofo tamin'ny ireo vehivavy tety ambonin'ny tany. Izy moa izany no nanoro ny olona ny fomba fanefena vy, sy ny fanamboarana ireo fitaovam-piadina sy fiarovana toy ny sabatra, lefona, aro-vatana,sns... ka rehefa avy eo izy dia nidian'i Raphael tany amin'ny tany efitra, ary miandry ny fitsarana farany. Eto izy dia voamarika indray fa anjely nivadika izany izy io fa tsy demony akory.

Raha fintinina izany ny fijerin'ny Jiosy azy ity dia anjely nivadika mitoetra any amin'ny tany efitra, ary ny asany dia fandefasana ireo fahotana sy miandraikitra ny fahalalana momba ny fitaovam-piadina.
Raha izay ny fijerin'ny Jiosy azy, ahoana indray ny fijerin'ny Kristianina azy ity ?



SAMAEL! POIZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA VA IANAO?



II-FIJERY KRISTIANINA :

Amin'ny Kristianina indray dia miampy kely noho ny fijerin'ny Jiosy ny momba ity anjely nivadika ity. Raha ny fantatra ao amin'ny Testamenta vaovao dia nisy fotoana i Jesosy na Jesoa nifady hanina tany amin'ny tany efitra nandritrin'ny 40 andro. Ka rehefa feno ela hono ny ela dia indro fa tonga hono i Satana naka fanahy azy. Maninona aho no miresaka an'izany ?

Satria, araka ny fantatsika, i Azazel dia mitoetra any amin'ny tany efitra, ka noho izany dia mety hoe ilay Satana naka fanahy an'i Jesosy tamin'ny io fotoana io dia tsy iza fa i Azazel.
Ankoatra izay, dia raha ny hita ao amin'ny Agrippa, i Azazel dia isan'ny ireo roi-démons mifehy ny zoron'ny efatra amin'ny izao tontolo izao, izay mitovy lanja amin'i Amaymon ao anaty magick chrétienne.

Farany, amin'ny Grimoire sasatsany dia tsy mba antsoina hoe devoly izy io, fa isan'ireo anjely azo antsoina. Hita ao anatin'ny Grimoire de Turiel (izay tsy iza ity Turiel ity fa hita ao amin'ny bokin'i Enoka I ho isan'ireo anjely nivadika) fa ity Azazel ity dia anjely miandraikitra ny kintan'ny Alakamisy na i Jupiter. Noho izany, izy dia antsoina mba hahazoana harena sy voninahitra. Mbola hita ao amin'ny Heptameron, book of Oberon, Maphteah Shelomo,etc... izy io. Ao anatin'ny ireny grimoires ireny moa izany dia indraindray izy io anjely, indraindray izy io jerena toy ny demonia lehibe. Ny antony izany dia izao, ny fanahy rehetra ambanin'ny volana dia azo lazaina ho chtoniennes avokoa, nefa indrisy, ny chtoniennes tsy voatery ho devoly avokoa, fa misy ihany koa ny anjely miandraikitra izany. Ohatra hoe Auriel dia mifehy ny elo raha ny hita ao amin'ny Grimoirium Verum. Ny olana eto amin'ny ity dia anjely tokoa sa demonia i Azazel ao anatin'ny fomba ny Grimoire? Mazava ho azy fa anjely nivadika izy, izay nilatsaka tety an-tany, ka lasa anjely very toerana, ary mifehy ireo demony maro be izay ety amin'ny ity tontolo ity.

Izany hoe mila fantarina tsara ny grimoire iray, fa tsy hoe manondro hoe:"ity anjely" dia mino tokoa ianao fa anjely iny, fa jereo tsara ilay anarana dia ho fantatrao ny momba momba azy.

Source:
-Enoch I
-Levitikosy 16
-Grimoire de Turiel
-Jake Stratton-Kent: The testament of Cyprian the mage
-Agrippa: la philosophie occulte III
-Grimorium Verum

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...