vendredi 22 septembre 2023

NY MORALE AMIN'NY MAGICK

NY MORALE AMIN'NY MAGICK



@Frater Sophos

Mipetraka mihitsy ny fanontaniana hoe : Misy ve ny fampiasana ny magick amin'ny ratsy sy tsara? Ny zavatra ara-nofo(ny toaka, ny fifohana sigara, ny sexualité, sns...) ve tsy maintsy hialana avokoa? Ireo fanontaniana ireo saika miverina ao an-dohan'olona foana, ary misy mihitsy aza mihevitra fa ny valiny "eny" amin'izy ireo ihany no fahamarinana tsy azo hivalozana. Nefa aoka ianareo haka seza sy hipetraka tsara aloha, fa misy zavatra mila hahitsy be dia be ao, ka izay indrindra no ndeha hojeretsika eo ambany.

I-TSY MISY HOE ITY MAGICK TSARA NA RATSY IZANY !!!

Efa voavaliko io ambony io ny fanontaniana voalohany, fa tsia, tsy misy resaka tsara sy ratsy izany mihitsy ny magick azafady! Resaka

fotsiny izany ary tsy misy fahamarinany na ny kely aza! Ny olona milaza an'izany zavatra izany dia tsy àry nikitika na indray minitra monja an'ity zavatra ity tamin'ny fiainany, na New age kely mihevitra ny tenany fa izy no hazavana ary ny hafa kosa dia haizina tanteraka toy ireny film jereny ireny, hoe misy ny deba dia misy ny rôle... Koa raha tsy vitan'izany ity fiainana ity !

Misy ny mihevitra fa ny famorihan'olona ihany no ratsy ao anatin'ny magick, fa ankoatr'izay mety avokoa. Mihevitra ve ianao fa ny fampiasainao ity karazana rituel hahazoanao asa ity dia mety? Mihevitra ve ianao fa ny fampiasainao ny fomba iray mba hiverina aminao ilay olon-tianao dia mety? Mihevitra tokoa ve ianao fa ny fampitomboanao ny olona hividy eo amin'ny fivarotanao dia mety? sns.... Ny valiny dia tsia tanteraka. Satria? Raha nampiasa fomba ianao mba hahazoanao asa iray, nefa fantatrao izao fa mbola misy olona mety qualifié alavitra noho ianao tokony hanao an'io asa io, nefa azonao ilay izy noho ny fikitihanao ny fomba dia mba misaina ve ianao hoe tsara izany? Fantatrao tsara fa tsia, noho izany anefa dia misy olona mahay no ianao any tsy miasa fa azonao ny toerany. Aza miteny amiko mihitsy hoe satria izaho izao na izao, fa iny olona iny koa angaha ahoana hoy ianao? Mandeha tsara be tsy misy ohatr'izany izany ny fiainan'iny olona iny fa ianao ihany no ory? Mino aho angamba fa tsia.

Eo amin'ny resaka ara-pitiavana indray, ahoana moa ny fiheritreretanao hoe mila miverina aminao iny olona efa lasa iny? Matoa izy efa niala teo aminao, dia fantany fa tsy mety aminy ny mijanona eo ankilanao, fa ny an-kafa no mety aminy. Ianao no tia azy fa tsy tiany intsony ianao, nefa nanao rituel kely tao ianao, dia niverina taminao indray izy. Inona moa izany, fa nanery ny sitrapon'olona amin'ity fomba ity ny zavatra nataonao. Ary aza miteny amiko mihitsy koa hoe:" ka iny lehilahy/vehivavy iny anie no fototrin'ny nialany tamiko e!", tsia! Rehefa iny no tiany dia iny no tiany! Ary ianao mpanery fotsiny ny sitrapony dia izay.

Tahak'izany ihany ny fampitomboana ny olona hividy eo aminao, iza no milaza aminao fa sitrapon'ireo mpanjifa ny hividy foana eo aminao? Tsy sitrapony izany fa fanerena avy amin'ilay zavatra nolalaovinao tao no nahatonga an'izany! Ary ihany koa amin'izay fotoana izay, betsaka arak'izany ny mpivarotra hafa very vola satria zara raha misy mpividy noho ny fampiasainao ny magick.

Arak'izany, ahoana no hahasahian'ny sasany hilaza fa ny famorihana ihany no ratsy, fa ankoatr'izay tsy misy resaka fa sady tsara no mety avokoa? Noho izany, hajanony dien'izao ny fiheverena fa misy ny tsara sy ny ratsy ao anatin'ny magick. Ny fitiavan-tena no mibahana ao anatin'ireo zavatra rehetra ireo, mety ho tsara ho anao ilay izy, fa ratsy ho an'ny hafa. Aza mamerina intsony ny hoe izaho mazava, ny hafa dia haizina, fa eto samy te ho velona sy hiaina tsara avokoa, ka rehefa nahazo asa ianao, niverina taminao ny olon-tianao, nitombo ny olona nividy eo aminao, dia aza miteny any an-tsaina hoe mety ny nataoko, fa noho ny zava-misy eto amiko dia tsy maintsy nataoko ilay izy.


II-TSY MAINTSY MIFADY NY ARA-NOFO VE?


Tsia, tsia, ary TENA TSIA !!! Atomboko amin'ny resaka sexualité ity zavatra ity. Ao misy milaza hoe mampiteraka voka-dratsy ny fanaovana fellation/cunnilingus, ny masturbation dia misintona succube/incube na fanahy manambady hoy ny sasany, ny fanaovana polyamour(izany hoe lehilahy miaraka amin'ny vehivavy maromaro, na vehivavy miaraka amin'ny lehilahy maromaro) dia antony iray tsy azo hanaovanao magick mihitsy! Ny fandehananao eny amin'ny mpiavaro-tena dia mahafaty hasina anao, na farany, aza mikitika momba ny ara-nofo akory fa arakarakin'ny tsy fikitihanao io zavatra io no masina be ianao. Sahiko ny milaza aminao fa ny olona rehetra izay milaza an'izany dia na olona minomino fotsiny fahatany izay resahana aminy; na olona iray faran'izay tsy nahita fahafafinaretana tamin'ny vehivavy na lehilahy mihitsy hatrizay niainany izay, ka tiany hitovy aminy ianao, izany hoe araka ny tenin'ireo vahiny izay hoe:"Looser".

Ekeko aloha, fa mety misy ny fifanekena tamin'ny fanahy iray izay mifady an'ity zavatra ity izay vitsy anefa ny fanahy mila an'izany, na koa ao anatin'ny fomba mystique be toy ny Yoga, na Bouddhisme be ianao ka mifady an'izany. Ankoatr'izay anefa, dia tsy misy tokony ho fadianao izany mihitsy! Ny sexualité dia tsy maloto na ny kely aza! Tsy manome anao izay vibration ratsy any, na vitan-dratsy, na ozona, na misintona fanahy ratsy any mihitsy akory!!!! Misy ny fifadiana ny sexe rehefa alohan'ny hanaovana ny fomba, fa izany fifadiana izany tompoko dia tsy noho ny hoe fahalotoan'io zavaboary io akory, fa natao mba hifantohan'ny saina sy ny fanahy amin'ilay asa atao... Noho izany, tsy misy tokony hatahoranao momba ny sexe mihitsy amin'ity zavatra ity, ataovy rehefa vita ny fomba tokony ataonao, na hiray amin'ny vehivavy/lehilahy izy ianao, na hanao cunni/fellation amin'izy ianao, na hanao masturbation ianao dia tsy misy olana izany io! Raha te hitovy amin'ireny looser ireny ianao dia lazao foana fa ratsy ny sexe ka forono foana aloha ny antony tsy hikitihanao azy io fa izaho kosa haka tsirony amin'ny fiainana.

Manarak'izany, ny sigara, ny toaka dia tsy misy voka-dratsy eo amin'ny tontolon'ny magick raha toa ka aoarian'ny/alohan'ny fanaovana azy io ianao no mikitika azy, fa tsy mandritrin'ny fiomanana akory. Misy foana ilay 3,7,9 andro hifadiana zavatra maro samihafa sy hivavahana ary hidiovana mandritrin'ny magick, nefa rehefa vita ny asanao, tsy misy olana intsony momba an'iny. Raha tsy hoe angaha araka ilay efa nolazaiko teo ambony hoe mety nivoady tamin'ny fanahy iray ianao izay tsy tia an'ireo zavatra ireo ka tsy maintsy mifady ianao amin'izay fotoana izay. Izany akory tsy midika hoe manaova alcooliques na fohy telo paquet isanandro... Tsia! Milaza fotsiny aho fa raha ao anatin'ny magick, ny fisotroana sy ny fifohana sigara dia tsy misy voka-dratsy, amin'ny vatan-tenanao izy no misy fiantraikany ratsy. Ary ity tiako tsipihina kely, fantatrareo ve fa ireo fanahy hiarahana miasa ihany koa dia hanaovana fanatitra sigara sy toaka? Ary rehefa manao fanatitra tompoko dia misy ho an'ny tena ary misy ho an'ireo fanahy. Izany hoe: tsy maintsy misy fifohana sy fisotroana kely toaka ao, raha tsy hoe angaha fanatitra ho an'ireo fanahy any ambanin'ny tany, izay tsy dia fatao ny fiarahana mihinana ny fanatitra atao amin'izy ireo...

Ho faranako eto ny teniko, ny magick tsy misy tsara sy ratsy izany satria toy ny fiainana ihany izy io, ny masoandro mety hahajamba raha dinihina ela, ny alina kosa no angalanao aina, nefa amin'ny fahazavana no tsy dia misy mpanendaka, ny alina kosa no feno azy ireny, nefa na atoandro na hariva dia possible ho hisy foana ny accident sy ny fahazoanao fisandratana eo amin'ny fiainana. Ny fiainana tsy misy Superman sy Darkside akory, ka hisy ny magick ho an'ny rôle na magie blanche, ary hisy ny magick ho an'ny deba ka hisy ny magie noire.... Ary ny fahafinaretana ara-nofo dia toy ny zavaboary rehetra ihany, tsy misy izay maharatsy sy mahatsara azy fa ianao no mijery sy mandanjalanja azy, ary tehafo amin'ny tongotra fotsiny ireo izay antsoin'ny Vahiny hoe: "LOOSER", fa izay no mba mendrika azy ireny.

@Frater Sophos

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...