IREO DEMONY TELO FANTAN-DAZA ANKEHITRINY !
![]() |
| Frater Sophos |
I-Paimon :
Ny ahy ny film mba tena hitako hoe tsara raha film épouvante izany dia tsy inona fa ny hereditary na héréditée izay nivoaka tamin'ny 2018 teo. Ny tena nitiavako azy ity, dia tsy mba tahaka ny film horera hatrizay toy ny Exorciste, Insidious, Annabelle, Conjuring, the nun, ity film iray ity, satria tsy mba misy fanafodiny ilay loza manjo, fa tonga dia rava hatramin'ny farany ilay fianakaviana kely. Izaho aloha dia miteny aminareo fa tsara io film io ka mba jereo ihany rehefa sendra malalaka ianao. Ny demony tena mibahana ao anatin''izy io dia tsy iza fa i Paimon. Ka eto ny resaka dia hoe: noforonin'ilay nanoratra an'ilay horonan-tsary ve izy io sa efa nisy tany anaty zavatra hafa? Valiako aloha ianao fa saika misy avokoa ireny demony hitanao anaty horera ireny any anaty grimoire na fomba iray. Ka ankehitriny, ndao ho resahana ary i Paimon. Izy aloha dia hitanao ao amin'ny Book of Obéron(BoO), Livre des esperitz(LdE), Clavicules de Salomon(Kos), Clavis inferni(CI), a book of the office of the spirits(BoOS), ary Ars Goetia. Izy aloha raha ny BoO, ny LdE, ny Kos, ny CI, ary ny BoOS no jerena, i Paimon dia Mpanjaka mifehy ny Andrefana.Raha ao amin'ny BoOS sy ny LdE, ary ny Ars Goetia fotsiny no sokajiana dia miseho toy ny vehivavy misatroka satroboninahitra izy, izay mitangina rameva, ka misy karazana olona maro eo hanoloany mitsoaka trompetra. Izy hono dia miteny amin'ny fitenin'ireo demony ka rehefa tonga izy dia tsy misy na inona na inona azon'ilay niantso azy, noho izany dia mampiseho taratasy misy soratra hoe afaka miteny soa aman-tsara amin'ilay niantso azy i Paimon, ka izay ity farany vao ho azon'ilay évocateur ny zavatra ho lazainy. Tahak'izany hono ny fisehony raha sendra ka antsoina hipoitra izy. Ny anjara toerany kosa anefa dia samihafa avokoa, raha amin'ny Ars goetia izao dia tsy mba voalaza hoe mpanjaka miandraikitra ny Andrefana izy, fa laharana mpanjaka fotsiny no nanaovany azy. Raha asany indray,
mampianatra momba ny arts sy sciences ary zava-mihafina rehetra izy; mampiakatra ny voninahitrao, mahatonga ny olona iray handeha araka ny sitraponao, etc... Izay izy raha Ars Goetia no resahana, amin'ny BoO sy BoOS kosa anefa dia antsoina fotsiny izy io, noho izy mifehy ireo demony toy i Belfreth, Belial sy Baasan izay afaka mampanjavona olona. Hatreo ny momba an'i Paimon. Manaraka indray i:
II-Lucifer :
Na mijery film ianao, na mihaino hira ianao, na mamaky roman ianao, na mivavaka ao anaty fiangonana aza, dia tsy maintsy efa naheno ny anarana hoe: LUCIFER... Ity zavatra iray ity dia atombontsika amin'ny dikan'io teny io. Ny teny hoe Lucifer dia teny latina, izay azo avy amin'ny Lux na hoe fahazavana, ary ny ferre na koa mpitondra, noho izany ny teny hoe Lucifer dia midika hoe ilay mpitondra ny fahazavana. Hafa kely e? Ny anaran'ilay demony malaza indrindra dia mpitondra ny fahazavana... Tamin'ny Romanina fahiny hono, izy ity dia Andriamanitra soa aman-tsara mitovy amin'i Eosphoros ny Grika, izay mifandray amin'ny kintana mazava indrindra rehefa alohan'ny hiposahan'ny masoandro. Tsy inona io kintana io fa dia i Vénus. Taty ao ariana izy io noho ny fisian'ny tenin'i Isaia 14:12-15, izay tsy novakian'ny sasany hatramin'ny voalohany akory, na namaky ny tao ariany, dia noheverina fa demonia lehibe indrindra no resahana eto, izay tsy iza fa i Lucifer. Kanjo diso izany, ny mpanjakan'ny Babylona iray no atao mitovy amin'io kintan'ny maraina io(Lucifer), izay maty sy niala tamin'ny fitondrany ny fiafarany... Izany hoe misy Lucifer ve ao anaty baiboly? Raha toa ka ilay kintan'ny maraina io, izay antsoina hoe Helel, Andriamanitrin'ny kintana Venus, dia ekena tanteraka izany, fa ankoatr'izay, dia tsia! Tsy misy. Vita iny, ao anaty grimoire indray, hitanao ao amin'ny Livre d'Abramelin le mage, Grimorium Verum(GV), Grand Grimoire(GG) na Dragon Rouge, Ars Goetia an'i Dr.Rudd, Book of Oberon, Livre des esperitz, Grimoire d'Armadel, le grimoire du Pape Honorius, Hygromanteia, Clavicule de Salomon. Saika ny grimoire rehetra dia hahitanao an'i Lucifer avokoa! Nefa izao, mila fantatrao fa i Lucifer tsy dia antsoina hiseho mivantana aminao izany raha vao miresaka ny magick fahiny, fa ampiasaina ny anarany hifehezana an'ireo fanahy rehetra.Amin'ny Hygromanteia izy, izay ity farany aloha dia Clavicules de Salomon fahiny indrindra hita hatreto, dia fanahy manapaka ny Atsinanana(roi démon de l'Est), ary mitoetra amin'ny andro Alarobia. Amin'ny Livre des esperitz sy book of the office of the spirits ary BoO indray dia izy no lehibe indrindra amin'ireo demony ka manaiky azy avokoa izy rehetra ireo, na ireo eny amin'ny rivotra, na any ambanin'ny tany, na any anaty rano dia manaiky azy avokoa.
Izany hoe tenim-pahefana eo amin'ireo fanahy rehetra izay ho antsoina ny anarany noho ny laharana izay tazominy amin'izy ireo. Tsy dia fiantso mivantana izy, satria izy dia mitovy laharana amin'ireo Anjely/Andriamanitra avo. Dia raha ny fantatra araka ny Livre des Esperitz, i Lucifer hono dia nikomy noho ny hatsarany nihoatra noho ny anjely hafa, ka avy eo izy dia nazera tety an-tany. Raha mifindra any amin'ny Grimoire du Pape Honorius kosa, dia azo antsoina mivantana izy io, amin'ny andro Alatsinainy, nefa kosa ny anjara asany dia tsy fantatra mazava hoe inona... Emperora izy ao amin'ny Grimoirum Verum, mifehy ny kontinanta Eropeanina sy Aziatika, ary mety hiseho amin'ilay miantso azy amin'ny endrika zazalahy kely, mila omena fanatitra totozy, ka rehefa tezitr'izy dia mivadika afo ny tarehiny ary lasa mampatahotra tanteraka ny endriny. Any amin'ny Grimoire d'Armadel ianao vao mahita anjara asany miaraka amin'i Belzebuth sy i Astaroth, izay tsy inona fa mampahafantatra anao ny zavatra nitranga tamin'ny fikomiana nataon'ireo anjely, ary inona ny antony izany fikomiana izany. Fehiny, tenim-pahefana ny fampiasana ny anaran'ity fanahy lehibe ity, ary ankoatran'izay izy dia natao hanome fahalalana sombiny kely fotsiny ihany... Saika tsy azo atao na inona na inona izy.
III-Asmodai/Asmodée/Asmodeus...
Matetika heno kosa angamba izany anarana izany e! Ny ahy ny nahenoiko azy voalohany dia tsy inona fa série nalaza iray izay, izay fantastique aloha ilay izy, tsy inona izy izay fa ny Supernatural! Eny tokoa! Saison 12 izy izay sa 13 no misy an'ingahy Asmodaï misandoka ho avy amin'i Lucifer ka haka an'i Jack izay Nefilim an'ingahy mpitondra ny hazavana(izany hoe zanak'i Lucifer). Fa vita aloha iny nostalgie keliko iny, iza moa ity Asmodeus? Efa tany amin' ny fivavahana Persianina na ny Zoroastrisme, antsoina hoe Aeshma-Daeva na ilay demonin'ny fahatezerana(informations kely fotsiny, ny Deva/Daeva ho an'ny Karana no midika hoe Andriamanitra, nefa ho an'ny Persianina dia devoly, ny Ahura/Ashura indray no Andriamanitra ho an'ireo Persianina, nefa ho an'ireo Karana indray dia devoly...) izy tamin'izany, ary efa demonia izy fa tsy hoe akory hoe ny Jiosy no namadika azy. Rehefa tonga taty amin'ny Jiosy izy ity dia natao hoe Ashmodaï, na ilay Mpandringana, ka rehefa tonga ao amin'ny Bokin'i Tobia, izay ity farany aloha dia boky neken'ny Katolika sy ny Orthodoxe ihany, fa tsy noraisin'ny Jiosy sy ny Protestanta, nosoratana teo anelanelan'ny taon-jato fahatelo sy taon-jato faharoa alohan'ny J.C. Vita izay, ahoana indray ny momba azy any anaty magie salomonienne? Hitanareo ao amin'ny Ars Goetia, Hygromanteia, livre des esperitz.Manana toerana avo ao anatin'ireo Grimoires i Asmodaï, amin'ny Hygromanteia izy dia Mpanjaka mifehy ny Avaratra. Amin'ny fomba hafa izy, toy ny Ars Goetia dia mitondra ny laharana mpanjaka fotsiny ihany. Ny asany ao amin'ny livre des esperitz dia ny manome peratra izay manana fahefana ny hahazoana ny fifaliana amin'ny zavatra rehetra atao, sy mamaly ny fanontanianao rehetra. Amin'ny Ars Goetia teo kosa dia eo ambanin'i Amaymon hono izy(lasa Atsinanana indray izy izany no mitoetra), ary manome peratra ihany koa fa lazainy fotsiny hoe feno hasiny, mampianatra Arithmétique, géométrie, Astronomie sy ny asa-tanana maro hafa, mamaly marina amin'izay fangatahana sy mampanjavona...



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire