lundi 25 septembre 2023

NY MAGIE NOIRE, NA NIGROMANCIE

NY MAGIE NOIRE, NA NIGROMANCIE

Frater Sophos


Izay efa namaky ahy taloha angamba dia efa mba mahafantatra ihany angamba ny hevitro momba azy ity, fa ho an'ny izay vao hamaky ahy, dia teneniko aminareo aloha fa izany:"magie blanche/noire" izany dia tsy misy! Fa ankehitriny kosa anefa, aoka isika hiresaka kely momba ny magie noire na nigromancie, izay midika ihany koa hoe:"l'art noire". Izy ity indrindra no natahoran'ny fiangonana fatratra fahiny, satria miantso ireo maty sy ireo demonia no tena fototrin'ny asa rehetra amin'izy ity. Hany ka, tsy ny fiangonana fotsiny ihany no mandrara azy, fa hatramin'ireo lazaina fa "mage" dia nitoraka vato azy avokoa, tao anatin'izany i Henri Corneille Agrippa. Taty afara dia mitovy ihany, tsia ka! Vao may lasa alavitra aza ny olona teo amin'ny taon-jato fahasivy ambin'ny folo, tahaka an'i Eliphas Lévi izay milaza fatratra fa zava-pady tanteraka ny magie noire, nanaraka azy avy eo ny Golden Dawn, i Aleister Crowley, Robert Ambelain, Franz Bardon, izay ity farany ao amin'ny Pratique de la Magie évocatoire dia mijery an'ireo izay mampihatra ny nigromancie ho toy ny fomba faran'izay hiva, tsy mendrika ho antsoina hoe "tena magy" mihitsy! Dia mbola mitohy ihany io hatraty amin'ny taon-jato fahairaik'ambin'ny roapolo, satria mbola misy avy amin'ireny magick moderne ireny(Golden Dawn, Argentum Astrum, B.O.T.A, O.T.O, Wicca,sns...) mbola manohatra ny magie noire ihany ankehitriny.... Ireo ao anatin'ny Left hand path(la voie de la main gauche), toy ny Church of Satan(Église de Satan) an'i Anton Szandor LaVey, ny naman'i E.A Koetting, ny ONA an'i Anton Long(David Myatt), ny Misanthropic Luciferian Order, ny Dragon Rouge an'i Thomas Karlsson,sns... Vao maika manaratsy ny endrikin'ny magie noire ho toy ny fomba iray hialana amin'ny "norme sociale", ary karazana fikomiana amin'izao fiainana izao. Arf! Tadidio aloha, fa ny LHP, izany hoe ny Satanisme sy ny Luciférisme dia tsy misy hifandraisany amin'ny nigromancie na ny kely aza! Ny magie noire natao hifandraisana amin'ny tontolo ety an-tany sy izay any ambaniny any, ny Satanisme kosa etsy an-daniny dia mihevitra ny tenany fa afaka mifandray amin'ilay Andriamanitra maizina mihoatra an'izao tontolo izao!(Ankoatran'ny hoe angaha ny Église de satan izay milaza fa athée, nefa dia milalao magick indray... Hum, tsy haiko izay tena tian'i LaVey hatongavana na ny kely aza...). Noho izany rehetra izany, dia mipetraha tsara amin'ny seza, fa ndeha hanome anareo misimisy momba ny magie noire aho, ka sao dia tsy arakareo ilay izy raha laozanareo mitsangana eo ihany.

I-MAGIE NOIRE=NÉCROMANCIE :


"Ary hoy i ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?....", 1 Samoela, toko 28: 9.
"...Dia hoy i Ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etý amiko." 1 Samoela, toko 28:11
Tantara teny nisy tamin'ny taon-jato fahaefatra ambin'ny folo hatramin'ny fahafito ambin'ny folo teo, ny famonoana nataon'ny fiangonana Kristianina(na Katolika io, na Protestanta io) ireo rehetra voatondro fa nécromant tao Eropa. Tamin'izany na dia manana "grimoire" iray fotsiny aza ianao tao amin'io Kontinanta io,
dia mampigadra anao izany fananana azy izany. Ary raha tena mpanao azy, na tononin'ny olona ho mpanao azy ianao, dia doran'ny fiangonana velona ianao... Izany indrindra no nanombohako azy ity tamin'ny 1 Samoela toko 28: 9, milaza ny fandroahana ireo olona rehetra "mahalala" sy ny mety hahafaty azy ireo. Vita izay tantara kely izay, hiditra amin'ny hoe inona tokoa aloha ilay nécromancie? Ka inona ny maha magie noire azy? Ny nécromancie dia fomba hiantsoana an'ireo maty(tsy ny Razana fotsiny no atao hoe maty azafady) mba hamantarana ny lasa, ny ankehitriny, ary ny ho avy, sy zavajavatra mahaliana anao(ny toerana misy ny harena miafina, ny nangalatra ny fanana, fahalalana miafina, sns...). Tsy izay fotsiny anefa, fa afaka ampiasaina ihany koa ireo maty mba hahazoana fitiavana, harena, fiarovana, fanasitranana, famorihana sy famosaviana, sns... Ary ihany koa izy ireo dia heverina fa any ambanin'ny tany any no fonenany, na amin'ny toerana iray(toy ny angatra mijanona amin'ny toerana nahafatesany), ka heverina indrindra indrindra ho magie noire tokoa ity fomba ity, satria miantso lolo izay noheverina fa devoly misandoka ho fanahin'olombelona ihany izy ireny fa tsy fanahin'olona izany intsony.

II-MAGIE NOIRE=DEMONIAKA

Hita teo ambony ny maha magie noire ny nécromancie, ny tena malaza anefa, dia ny fiheverana fa ny fiaraha-miasa amin'ireo karazana demony, na i Satana mihitsy aza, no antsoina hoe nigromancie na magie noire! Mipetraka ny fanontaniana hoe: Fa maninona no miantso demonia izany fa ny anjely anie misy e! Valiako eto izany teny ao ambavanareo izany, fa ny mahatonga ny olona hiasa amin'ny demony sy i Satana dia tsy inona fa heverin'ny olona sasany i
Satana fa fahiny sady hendry nefa faran'izay mandoza, ary leo ihany koa ny olona ny hiasa amin'ny zavatra mangeja azy teo foana(ny fivavahana lazain'ireo fiangonana, izany hoe amin'Andriamanitra sy ireo anjeliny) sy zara raha nahazoany tombontsoa. Ka noho izany, aleony ny mitodika amin'ny mpanjakan'izao tontolo izao amin'izay, mba hahazoany ny faniriany fa tsy hiandry an'izay Andriamanitra tsy hitan'ny masony akory. Amin'ny magie noire dia ireo demonia no antsoina sy hanaovana voady(pacte) mba hanatanterahana izay fikasana. Mila jerenareo akaiky ity! Ireo demony ireo dia tsy inona anefa fa fanahy rehetra ety amin'ny tontolo hianantsika izy ireo. Tsy diso mihitsy ny filazana fa demony ny Zazavavin-drano, ny Ikalanoro, ny Ikokolampy, ny Vazimba, eny! Hatramin'ireo Andriamanitrin'ny tany, ny habakabaka, ny rano, ny ala, sns... dia DEMONY avokoa! Hitako eto sahady fa betsaka ny ho tezitra amin'izany zavatra lazaiko izany, nefa dia marina izany teniko izany. Satria hoy ianareo? Satria, jereo kely anie ireny demony ao anaty grimoire ireny e! Saika fanahy ety ihany no antsoina hoe demony. Haka ohatra aho, ao amin'ny Ars Goetia, i Vepar an'isan'ireo demonia 72, dia tsy inona fa Zazavavin-drano, i Elelogap ao amin'ny Grimoirium Verum dia Zazavavin-drano ihany koa. I Bael dia tsy iza fa i Bala izay Andriamanitrin'ny Fenisiana, ary i Belzeboba dia Bala tao Zebola, Losifera dia Andriamanitra Romanina ny fahazavana mitovy amin'i Eosphoros ny Grika, i Nebiros dia i Cerbère ny Grika, i Koré dia anarana hiantsoana an'i Persephone nefa demonia ao amin'ny la magie d'Abramelin, sns... Tsy inona tokoa ireo demony, fa fanahy mipetraka amin'ny zavaboary rehetra eny ihany izy ireo, ary tahaka ny zavaboary, tsy mba tsara foana ho an'ny olombelona. Nefa ihany koa azo lazaina fa ny fanahy rehetra dia demony avokoa rehefa tsy anjely. Rehefa tsy mifantoka amin'ny fiantsoana ny maty ny magie noire, dia mifantoka amin'ny fiantsoana ireo demony na ireo fanahy ety ambany. Izany indrindra no nanenjehin'ny fiangonana izay rehetra mampihatra azy, satria ny hery ety ambany izay eo ambanin'ny fahefan'ilay ratsy no miasa amin'ireo "nigromancien", izany hoe ireto no Antichrist hatrizay naminanian'ny Apokalipsy, ka noho izany, andraikitrin'ny fiangonana Kristianina ny manafongotra azy ireo eto amin'ity tany ity... Amen hoy ny Kristianina tamin'izany, ka raikitra ny fampijaliana sy fandoroana an'izay rehetra tratra na voampanga fa mage noir! Raha any amin'ny firenena hafa ny fiantsoana ny maty sy ireo fanahy ety amin'ity tontolo ity dia zavatra mety ekena ihany, ho an'ireo izay teo ambanin'ny finoana Kristianina kosa anefa dia lavina tanteraka, ary aleon'izy ireo mijery mpamono olona toy izay olona mampihatra ny nigromancie izany. Fady faran'izay fady ny magie noire, nefa ihany koa na ny lazaina fa "magie naturelle" aza dia mety hampijabaka. Tsy lazaina aminareo intsony angamba fa hatramin'ny ankehitriny aza, dia izay milalao miaraka amin'ireo fanahy an'ireo maty sy ireo demony dia mbola heverina foana fa tsy maintsy ratsy, ary ny miaraka amin'ny anjely dia tsara... Tsy misy adalana tahak'izany !

Ho faranako eto ny teniko momba ny magie noire, ka hisaorana ianao nanaraka azy hatramin'ny farany, ary anjaranao ny mandinika ny momba azy io hoe:"Azo lazaina fa ny magie noire ve ratsy sa tsara?", ny ahy ny valinteniko dia tsotra! Sady tsy tsara no tsy ratsy.

@Frater Sophos


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...