lundi 25 septembre 2023

NY MAGIE NOIRE, NA NIGROMANCIE

NY MAGIE NOIRE, NA NIGROMANCIE

Frater Sophos


Izay efa namaky ahy taloha angamba dia efa mba mahafantatra ihany angamba ny hevitro momba azy ity, fa ho an'ny izay vao hamaky ahy, dia teneniko aminareo aloha fa izany:"magie blanche/noire" izany dia tsy misy! Fa ankehitriny kosa anefa, aoka isika hiresaka kely momba ny magie noire na nigromancie, izay midika ihany koa hoe:"l'art noire". Izy ity indrindra no natahoran'ny fiangonana fatratra fahiny, satria miantso ireo maty sy ireo demonia no tena fototrin'ny asa rehetra amin'izy ity. Hany ka, tsy ny fiangonana fotsiny ihany no mandrara azy, fa hatramin'ireo lazaina fa "mage" dia nitoraka vato azy avokoa, tao anatin'izany i Henri Corneille Agrippa. Taty afara dia mitovy ihany, tsia ka! Vao may lasa alavitra aza ny olona teo amin'ny taon-jato fahasivy ambin'ny folo, tahaka an'i Eliphas Lévi izay milaza fatratra fa zava-pady tanteraka ny magie noire, nanaraka azy avy eo ny Golden Dawn, i Aleister Crowley, Robert Ambelain, Franz Bardon, izay ity farany ao amin'ny Pratique de la Magie évocatoire dia mijery an'ireo izay mampihatra ny nigromancie ho toy ny fomba faran'izay hiva, tsy mendrika ho antsoina hoe "tena magy" mihitsy! Dia mbola mitohy ihany io hatraty amin'ny taon-jato fahairaik'ambin'ny roapolo, satria mbola misy avy amin'ireny magick moderne ireny(Golden Dawn, Argentum Astrum, B.O.T.A, O.T.O, Wicca,sns...) mbola manohatra ny magie noire ihany ankehitriny.... Ireo ao anatin'ny Left hand path(la voie de la main gauche), toy ny Church of Satan(Église de Satan) an'i Anton Szandor LaVey, ny naman'i E.A Koetting, ny ONA an'i Anton Long(David Myatt), ny Misanthropic Luciferian Order, ny Dragon Rouge an'i Thomas Karlsson,sns... Vao maika manaratsy ny endrikin'ny magie noire ho toy ny fomba iray hialana amin'ny "norme sociale", ary karazana fikomiana amin'izao fiainana izao. Arf! Tadidio aloha, fa ny LHP, izany hoe ny Satanisme sy ny Luciférisme dia tsy misy hifandraisany amin'ny nigromancie na ny kely aza! Ny magie noire natao hifandraisana amin'ny tontolo ety an-tany sy izay any ambaniny any, ny Satanisme kosa etsy an-daniny dia mihevitra ny tenany fa afaka mifandray amin'ilay Andriamanitra maizina mihoatra an'izao tontolo izao!(Ankoatran'ny hoe angaha ny Église de satan izay milaza fa athée, nefa dia milalao magick indray... Hum, tsy haiko izay tena tian'i LaVey hatongavana na ny kely aza...). Noho izany rehetra izany, dia mipetraha tsara amin'ny seza, fa ndeha hanome anareo misimisy momba ny magie noire aho, ka sao dia tsy arakareo ilay izy raha laozanareo mitsangana eo ihany.

I-MAGIE NOIRE=NÉCROMANCIE :


"Ary hoy i ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?....", 1 Samoela, toko 28: 9.
"...Dia hoy i Ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etý amiko." 1 Samoela, toko 28:11
Tantara teny nisy tamin'ny taon-jato fahaefatra ambin'ny folo hatramin'ny fahafito ambin'ny folo teo, ny famonoana nataon'ny fiangonana Kristianina(na Katolika io, na Protestanta io) ireo rehetra voatondro fa nécromant tao Eropa. Tamin'izany na dia manana "grimoire" iray fotsiny aza ianao tao amin'io Kontinanta io,
dia mampigadra anao izany fananana azy izany. Ary raha tena mpanao azy, na tononin'ny olona ho mpanao azy ianao, dia doran'ny fiangonana velona ianao... Izany indrindra no nanombohako azy ity tamin'ny 1 Samoela toko 28: 9, milaza ny fandroahana ireo olona rehetra "mahalala" sy ny mety hahafaty azy ireo. Vita izay tantara kely izay, hiditra amin'ny hoe inona tokoa aloha ilay nécromancie? Ka inona ny maha magie noire azy? Ny nécromancie dia fomba hiantsoana an'ireo maty(tsy ny Razana fotsiny no atao hoe maty azafady) mba hamantarana ny lasa, ny ankehitriny, ary ny ho avy, sy zavajavatra mahaliana anao(ny toerana misy ny harena miafina, ny nangalatra ny fanana, fahalalana miafina, sns...). Tsy izay fotsiny anefa, fa afaka ampiasaina ihany koa ireo maty mba hahazoana fitiavana, harena, fiarovana, fanasitranana, famorihana sy famosaviana, sns... Ary ihany koa izy ireo dia heverina fa any ambanin'ny tany any no fonenany, na amin'ny toerana iray(toy ny angatra mijanona amin'ny toerana nahafatesany), ka heverina indrindra indrindra ho magie noire tokoa ity fomba ity, satria miantso lolo izay noheverina fa devoly misandoka ho fanahin'olombelona ihany izy ireny fa tsy fanahin'olona izany intsony.

II-MAGIE NOIRE=DEMONIAKA

Hita teo ambony ny maha magie noire ny nécromancie, ny tena malaza anefa, dia ny fiheverana fa ny fiaraha-miasa amin'ireo karazana demony, na i Satana mihitsy aza, no antsoina hoe nigromancie na magie noire! Mipetraka ny fanontaniana hoe: Fa maninona no miantso demonia izany fa ny anjely anie misy e! Valiako eto izany teny ao ambavanareo izany, fa ny mahatonga ny olona hiasa amin'ny demony sy i Satana dia tsy inona fa heverin'ny olona sasany i
Satana fa fahiny sady hendry nefa faran'izay mandoza, ary leo ihany koa ny olona ny hiasa amin'ny zavatra mangeja azy teo foana(ny fivavahana lazain'ireo fiangonana, izany hoe amin'Andriamanitra sy ireo anjeliny) sy zara raha nahazoany tombontsoa. Ka noho izany, aleony ny mitodika amin'ny mpanjakan'izao tontolo izao amin'izay, mba hahazoany ny faniriany fa tsy hiandry an'izay Andriamanitra tsy hitan'ny masony akory. Amin'ny magie noire dia ireo demonia no antsoina sy hanaovana voady(pacte) mba hanatanterahana izay fikasana. Mila jerenareo akaiky ity! Ireo demony ireo dia tsy inona anefa fa fanahy rehetra ety amin'ny tontolo hianantsika izy ireo. Tsy diso mihitsy ny filazana fa demony ny Zazavavin-drano, ny Ikalanoro, ny Ikokolampy, ny Vazimba, eny! Hatramin'ireo Andriamanitrin'ny tany, ny habakabaka, ny rano, ny ala, sns... dia DEMONY avokoa! Hitako eto sahady fa betsaka ny ho tezitra amin'izany zavatra lazaiko izany, nefa dia marina izany teniko izany. Satria hoy ianareo? Satria, jereo kely anie ireny demony ao anaty grimoire ireny e! Saika fanahy ety ihany no antsoina hoe demony. Haka ohatra aho, ao amin'ny Ars Goetia, i Vepar an'isan'ireo demonia 72, dia tsy inona fa Zazavavin-drano, i Elelogap ao amin'ny Grimoirium Verum dia Zazavavin-drano ihany koa. I Bael dia tsy iza fa i Bala izay Andriamanitrin'ny Fenisiana, ary i Belzeboba dia Bala tao Zebola, Losifera dia Andriamanitra Romanina ny fahazavana mitovy amin'i Eosphoros ny Grika, i Nebiros dia i Cerbère ny Grika, i Koré dia anarana hiantsoana an'i Persephone nefa demonia ao amin'ny la magie d'Abramelin, sns... Tsy inona tokoa ireo demony, fa fanahy mipetraka amin'ny zavaboary rehetra eny ihany izy ireo, ary tahaka ny zavaboary, tsy mba tsara foana ho an'ny olombelona. Nefa ihany koa azo lazaina fa ny fanahy rehetra dia demony avokoa rehefa tsy anjely. Rehefa tsy mifantoka amin'ny fiantsoana ny maty ny magie noire, dia mifantoka amin'ny fiantsoana ireo demony na ireo fanahy ety ambany. Izany indrindra no nanenjehin'ny fiangonana izay rehetra mampihatra azy, satria ny hery ety ambany izay eo ambanin'ny fahefan'ilay ratsy no miasa amin'ireo "nigromancien", izany hoe ireto no Antichrist hatrizay naminanian'ny Apokalipsy, ka noho izany, andraikitrin'ny fiangonana Kristianina ny manafongotra azy ireo eto amin'ity tany ity... Amen hoy ny Kristianina tamin'izany, ka raikitra ny fampijaliana sy fandoroana an'izay rehetra tratra na voampanga fa mage noir! Raha any amin'ny firenena hafa ny fiantsoana ny maty sy ireo fanahy ety amin'ity tontolo ity dia zavatra mety ekena ihany, ho an'ireo izay teo ambanin'ny finoana Kristianina kosa anefa dia lavina tanteraka, ary aleon'izy ireo mijery mpamono olona toy izay olona mampihatra ny nigromancie izany. Fady faran'izay fady ny magie noire, nefa ihany koa na ny lazaina fa "magie naturelle" aza dia mety hampijabaka. Tsy lazaina aminareo intsony angamba fa hatramin'ny ankehitriny aza, dia izay milalao miaraka amin'ireo fanahy an'ireo maty sy ireo demony dia mbola heverina foana fa tsy maintsy ratsy, ary ny miaraka amin'ny anjely dia tsara... Tsy misy adalana tahak'izany !

Ho faranako eto ny teniko momba ny magie noire, ka hisaorana ianao nanaraka azy hatramin'ny farany, ary anjaranao ny mandinika ny momba azy io hoe:"Azo lazaina fa ny magie noire ve ratsy sa tsara?", ny ahy ny valinteniko dia tsotra! Sady tsy tsara no tsy ratsy.

@Frater Sophos


DEBUNKAGE: KARMA & RÉINCARNATION

DEBUNKAGE: KARMA & RÉINCARNATION

Frater Sophos
Malaza be tsy misy ohatr'izany ny resaka karma sy réincarnation, nefa dia mahakivy kosa ny mahita fa ny ankamaroan'ny olona rehefa miresaka azy ireo dia toy izao : raha karma no resahana dia hoy izy ireo:"ny karma dia cause à effet, ka rehefa manao zavatra tsara ianao dia mahazo tsara, ary raha manao ratsy dia ratsy kosa no azonao"; raha resaka réincarnation indray:"ny olona rehetra dia manao réincarnation avokoa rehefa ao arian'ny fahafatesany, ka mila mahavita ny "missiony"(inona?) izay tsy inona fa ny fahazoany ny 5ème dimension na 7ème plan atmique, dia tsy miréincarne intsony izy ireo fa lasa grand maître! ".... New age tsy misy fangarony moa koa! Atao ahoana? Ny nihavian'ireo fomba ireo aza angamba dia tsy hay akory fa maika hilaza fotsiny avy eo hoe:"avy any Atlantide, Lémurie, Mû, sns...", mahazendana fotsiny ilay fiheverana mba fahalalana hananana. 

Noho izany, aleo jerena soa aman-tsara ny atao hoe "karma" sy ny réincarnation, ho gaga ianareo fa tsy mba zavatra tsotsotra kely ohatran'io lazain'ny be sy ny maro io akory ny dikan'ireo teny ireo. Mila tsindriana arak'izany dien'ny ety, fa ny karma dia fomba Indianina na Karana, ary io tsy hoe avy ao anaty fomba Karana iray akory, fa maro faran'izay maro, ao anatin'ny izany ny Yoga, ny Véda, ny Pourana, ny Samkhya, ny Tantra,sns... Ka eto aloha dia ny fijerin'ny Yoga sy ny Véda, ary ny Tantra no alehatsika ao ambany. Momba ny réincarnation kosa, tsy hijanona amin'ny Vajrayana sy ny Tantra isika, fa ho jerentsika ihany koa ny momba azy teo amin'ny Pythagorisme.

I-KARMA:

Ny karma dia teny Hindi, izay midika hoe:"action", na hetsika. Ny hetsika rehetra dia miteraka fiantraikany avokoa, fa indrindra indrindra mila fantatrareo ny hoe io hetsika io tompoko tsy mivaly amin'ity fiainana ity fa any amin'ny fiainana manaraka (réincarnation). Ary nefa ihany koa raha toa ka mivaly izy io, tsy mba hoe namono moka arivo ianao nandritrin'ity fiainanao ity, ka amin'ny fiainanao manaraka ianao fatin'ny moka arivo.... Tsia! Tsy zavatra tsotra kely tahak'izany izy io, ary fanampiny izay tsy misy dikany izany na ny kely aza! Amin'ny réincarnation manaraka fotsiny dia mety hisy vokatra tsara ho tatazana raha toa ka manome ny mahantra, fa tsy hoe hahazo vola tahak'iny ihany koa! Ny karma dia tahaka ny olona iray mitifitra flèche, ka tsy mijanona intsony iny flèche iny raha tsy voadona na nahavoa zavatra. Noho izany, ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainanao ankehitriny, dia noho ny fiainanao fahiny izay tsy afaka ovainao intsony, fa ny hetsika ankehitriny kosa anefa no afaka hanamboranao ny fiainanao manaraka. Tsy tody akory io ka afaka ialana ihany, fa karma io! Ny zavatra nambolenao tamin'ny fiainanao tany aoriana no tatazano ny vokany ankehitriny, ary ny volinao ankehitriny dia ho tatazanao ny vokany amin'ny fiainanao manaraka! Izany hoe ny olona milaza fa tody=karma dia na izy tsy mahalala ny fomba Gasy, na izy tsy mahalala na inona na inona momba ny karma na ny kely aza, na koa tonga dia tsy misy na inona na inona hainy na ny andaniny na ny ankilany....

II-REINCARNATION:

Rehefa niresaka karma isika dia noho izany tsy maintsy miditra réincarnation ihany koa. Nefa na dia izany aza, ndao hojerena ny fomba Pythagorisme rehefa vitantsika ny mijery ny finoana ny réincarnation eo amin'ny fomba Hindou sy vajrayana.

Mila fantatrareo aloha, fa rehefa manao réincarnation ny velona iray(tsy ho olombelona foana akory ianao araka ny hindouisme, vajrayana, pythagorisme sy Orphisme) dia miova endrika foana izy, fa tsy mijanona ho zava-maniry, biby, olona, andriamanitra, demony,sns... Noho izany, tsy midika hoe olombelona ianao amin'ity fahavelomana ity, dia ho olombelona ihany koa ianao amin'ny manaraka eo, fa mety lasa biby, na zava-maniry mihitsy aza. Ny fahazoana ny fiainana ho olombelona no zava-dehibe indrindra, satria ny olona ihany no afaka mahazo ny moksha/nirvana(fialana amin'ny Samsara), fa ankoatr'izay dia tsy afaka. Aza manantena ho olombelona ianao amin'ny réincarnation anao manaraka raha toa ka tsy nitady fatratra ny fomba hialana amin'ny samsara(ho an'ny matory, ny samsra dia izao rehetra izao, ny tany, ny lanitra, ny any ambanin'ny tany sy ny any anaty rano, ny andriamanitra rehetra noho izany dia mbola ao anatin'ny samsara). 

Io fomba io mety amin'ny alalan'ny karazana yoga no hanaovana azy, na koa fomba tantrique, ka raha nanao an'izay ianao, dia mbola mety possible ho anao ny hiverina ho olombelona amin'ny réincarnation anao manaraka, fa raha toa ka tsia, dia hevero ny fiverenana ho toy ny biby. Ary arak'izay finoana izay, ny biby rehetra io dia efa mba olona ihany koa taloha, fa noho ny rendrarendrany momba ny nofo, dia lasa nidina ho biby izy. Izany indrindra, no mahatonga ny Yogi sy ny Pythagoricien/Orphique tsy mba mihinana biby, satria mitovy amin'ny fanaovana cannibalisme ihany izany zavatra ataon'ny olona izany.

@Frater Sophos



vendredi 22 septembre 2023

NY MORALE AMIN'NY MAGICK

NY MORALE AMIN'NY MAGICK



@Frater Sophos

Mipetraka mihitsy ny fanontaniana hoe : Misy ve ny fampiasana ny magick amin'ny ratsy sy tsara? Ny zavatra ara-nofo(ny toaka, ny fifohana sigara, ny sexualité, sns...) ve tsy maintsy hialana avokoa? Ireo fanontaniana ireo saika miverina ao an-dohan'olona foana, ary misy mihitsy aza mihevitra fa ny valiny "eny" amin'izy ireo ihany no fahamarinana tsy azo hivalozana. Nefa aoka ianareo haka seza sy hipetraka tsara aloha, fa misy zavatra mila hahitsy be dia be ao, ka izay indrindra no ndeha hojeretsika eo ambany.

I-TSY MISY HOE ITY MAGICK TSARA NA RATSY IZANY !!!

Efa voavaliko io ambony io ny fanontaniana voalohany, fa tsia, tsy misy resaka tsara sy ratsy izany mihitsy ny magick azafady! Resaka

fotsiny izany ary tsy misy fahamarinany na ny kely aza! Ny olona milaza an'izany zavatra izany dia tsy àry nikitika na indray minitra monja an'ity zavatra ity tamin'ny fiainany, na New age kely mihevitra ny tenany fa izy no hazavana ary ny hafa kosa dia haizina tanteraka toy ireny film jereny ireny, hoe misy ny deba dia misy ny rôle... Koa raha tsy vitan'izany ity fiainana ity !

Misy ny mihevitra fa ny famorihan'olona ihany no ratsy ao anatin'ny magick, fa ankoatr'izay mety avokoa. Mihevitra ve ianao fa ny fampiasainao ity karazana rituel hahazoanao asa ity dia mety? Mihevitra ve ianao fa ny fampiasainao ny fomba iray mba hiverina aminao ilay olon-tianao dia mety? Mihevitra tokoa ve ianao fa ny fampitomboanao ny olona hividy eo amin'ny fivarotanao dia mety? sns.... Ny valiny dia tsia tanteraka. Satria? Raha nampiasa fomba ianao mba hahazoanao asa iray, nefa fantatrao izao fa mbola misy olona mety qualifié alavitra noho ianao tokony hanao an'io asa io, nefa azonao ilay izy noho ny fikitihanao ny fomba dia mba misaina ve ianao hoe tsara izany? Fantatrao tsara fa tsia, noho izany anefa dia misy olona mahay no ianao any tsy miasa fa azonao ny toerany. Aza miteny amiko mihitsy hoe satria izaho izao na izao, fa iny olona iny koa angaha ahoana hoy ianao? Mandeha tsara be tsy misy ohatr'izany izany ny fiainan'iny olona iny fa ianao ihany no ory? Mino aho angamba fa tsia.

Eo amin'ny resaka ara-pitiavana indray, ahoana moa ny fiheritreretanao hoe mila miverina aminao iny olona efa lasa iny? Matoa izy efa niala teo aminao, dia fantany fa tsy mety aminy ny mijanona eo ankilanao, fa ny an-kafa no mety aminy. Ianao no tia azy fa tsy tiany intsony ianao, nefa nanao rituel kely tao ianao, dia niverina taminao indray izy. Inona moa izany, fa nanery ny sitrapon'olona amin'ity fomba ity ny zavatra nataonao. Ary aza miteny amiko mihitsy koa hoe:" ka iny lehilahy/vehivavy iny anie no fototrin'ny nialany tamiko e!", tsia! Rehefa iny no tiany dia iny no tiany! Ary ianao mpanery fotsiny ny sitrapony dia izay.

Tahak'izany ihany ny fampitomboana ny olona hividy eo aminao, iza no milaza aminao fa sitrapon'ireo mpanjifa ny hividy foana eo aminao? Tsy sitrapony izany fa fanerena avy amin'ilay zavatra nolalaovinao tao no nahatonga an'izany! Ary ihany koa amin'izay fotoana izay, betsaka arak'izany ny mpivarotra hafa very vola satria zara raha misy mpividy noho ny fampiasainao ny magick.

Arak'izany, ahoana no hahasahian'ny sasany hilaza fa ny famorihana ihany no ratsy, fa ankoatr'izay tsy misy resaka fa sady tsara no mety avokoa? Noho izany, hajanony dien'izao ny fiheverena fa misy ny tsara sy ny ratsy ao anatin'ny magick. Ny fitiavan-tena no mibahana ao anatin'ireo zavatra rehetra ireo, mety ho tsara ho anao ilay izy, fa ratsy ho an'ny hafa. Aza mamerina intsony ny hoe izaho mazava, ny hafa dia haizina, fa eto samy te ho velona sy hiaina tsara avokoa, ka rehefa nahazo asa ianao, niverina taminao ny olon-tianao, nitombo ny olona nividy eo aminao, dia aza miteny any an-tsaina hoe mety ny nataoko, fa noho ny zava-misy eto amiko dia tsy maintsy nataoko ilay izy.


II-TSY MAINTSY MIFADY NY ARA-NOFO VE?


Tsia, tsia, ary TENA TSIA !!! Atomboko amin'ny resaka sexualité ity zavatra ity. Ao misy milaza hoe mampiteraka voka-dratsy ny fanaovana fellation/cunnilingus, ny masturbation dia misintona succube/incube na fanahy manambady hoy ny sasany, ny fanaovana polyamour(izany hoe lehilahy miaraka amin'ny vehivavy maromaro, na vehivavy miaraka amin'ny lehilahy maromaro) dia antony iray tsy azo hanaovanao magick mihitsy! Ny fandehananao eny amin'ny mpiavaro-tena dia mahafaty hasina anao, na farany, aza mikitika momba ny ara-nofo akory fa arakarakin'ny tsy fikitihanao io zavatra io no masina be ianao. Sahiko ny milaza aminao fa ny olona rehetra izay milaza an'izany dia na olona minomino fotsiny fahatany izay resahana aminy; na olona iray faran'izay tsy nahita fahafafinaretana tamin'ny vehivavy na lehilahy mihitsy hatrizay niainany izay, ka tiany hitovy aminy ianao, izany hoe araka ny tenin'ireo vahiny izay hoe:"Looser".

Ekeko aloha, fa mety misy ny fifanekena tamin'ny fanahy iray izay mifady an'ity zavatra ity izay vitsy anefa ny fanahy mila an'izany, na koa ao anatin'ny fomba mystique be toy ny Yoga, na Bouddhisme be ianao ka mifady an'izany. Ankoatr'izay anefa, dia tsy misy tokony ho fadianao izany mihitsy! Ny sexualité dia tsy maloto na ny kely aza! Tsy manome anao izay vibration ratsy any, na vitan-dratsy, na ozona, na misintona fanahy ratsy any mihitsy akory!!!! Misy ny fifadiana ny sexe rehefa alohan'ny hanaovana ny fomba, fa izany fifadiana izany tompoko dia tsy noho ny hoe fahalotoan'io zavaboary io akory, fa natao mba hifantohan'ny saina sy ny fanahy amin'ilay asa atao... Noho izany, tsy misy tokony hatahoranao momba ny sexe mihitsy amin'ity zavatra ity, ataovy rehefa vita ny fomba tokony ataonao, na hiray amin'ny vehivavy/lehilahy izy ianao, na hanao cunni/fellation amin'izy ianao, na hanao masturbation ianao dia tsy misy olana izany io! Raha te hitovy amin'ireny looser ireny ianao dia lazao foana fa ratsy ny sexe ka forono foana aloha ny antony tsy hikitihanao azy io fa izaho kosa haka tsirony amin'ny fiainana.

Manarak'izany, ny sigara, ny toaka dia tsy misy voka-dratsy eo amin'ny tontolon'ny magick raha toa ka aoarian'ny/alohan'ny fanaovana azy io ianao no mikitika azy, fa tsy mandritrin'ny fiomanana akory. Misy foana ilay 3,7,9 andro hifadiana zavatra maro samihafa sy hivavahana ary hidiovana mandritrin'ny magick, nefa rehefa vita ny asanao, tsy misy olana intsony momba an'iny. Raha tsy hoe angaha araka ilay efa nolazaiko teo ambony hoe mety nivoady tamin'ny fanahy iray ianao izay tsy tia an'ireo zavatra ireo ka tsy maintsy mifady ianao amin'izay fotoana izay. Izany akory tsy midika hoe manaova alcooliques na fohy telo paquet isanandro... Tsia! Milaza fotsiny aho fa raha ao anatin'ny magick, ny fisotroana sy ny fifohana sigara dia tsy misy voka-dratsy, amin'ny vatan-tenanao izy no misy fiantraikany ratsy. Ary ity tiako tsipihina kely, fantatrareo ve fa ireo fanahy hiarahana miasa ihany koa dia hanaovana fanatitra sigara sy toaka? Ary rehefa manao fanatitra tompoko dia misy ho an'ny tena ary misy ho an'ireo fanahy. Izany hoe: tsy maintsy misy fifohana sy fisotroana kely toaka ao, raha tsy hoe angaha fanatitra ho an'ireo fanahy any ambanin'ny tany, izay tsy dia fatao ny fiarahana mihinana ny fanatitra atao amin'izy ireo...

Ho faranako eto ny teniko, ny magick tsy misy tsara sy ratsy izany satria toy ny fiainana ihany izy io, ny masoandro mety hahajamba raha dinihina ela, ny alina kosa no angalanao aina, nefa amin'ny fahazavana no tsy dia misy mpanendaka, ny alina kosa no feno azy ireny, nefa na atoandro na hariva dia possible ho hisy foana ny accident sy ny fahazoanao fisandratana eo amin'ny fiainana. Ny fiainana tsy misy Superman sy Darkside akory, ka hisy ny magick ho an'ny rôle na magie blanche, ary hisy ny magick ho an'ny deba ka hisy ny magie noire.... Ary ny fahafinaretana ara-nofo dia toy ny zavaboary rehetra ihany, tsy misy izay maharatsy sy mahatsara azy fa ianao no mijery sy mandanjalanja azy, ary tehafo amin'ny tongotra fotsiny ireo izay antsoin'ny Vahiny hoe: "LOOSER", fa izay no mba mendrika azy ireny.

@Frater Sophos

lundi 18 septembre 2023

IREO DEMONY TELO FANTAN-DAZA ANKEHITRINY !

IREO DEMONY TELO FANTAN-DAZA ANKEHITRINY !

Frater Sophos


Ndao indray hojerena miandalana eny ny momba ireto demony telo ireto: Paimon, Asmodaï, ary i Lucifer. Ireo tokoa mantsy izao no malaza amin'ny fahitalavitra, amin'ny finday, amin'ny boky mirakitra horera na fantaisie. Tsy ho be resaka aho, fa tonga dia ndao àry :

I-Paimon :

    Ny ahy ny film mba tena hitako hoe tsara raha film épouvante izany dia tsy inona fa ny hereditary na héréditée izay nivoaka tamin'ny 2018 teo. Ny tena nitiavako azy ity, dia tsy mba tahaka ny film horera hatrizay toy ny Exorciste, Insidious, Annabelle, Conjuring, the nun, ity film iray ity, satria tsy mba misy fanafodiny ilay loza manjo, fa tonga dia rava hatramin'ny farany ilay fianakaviana kely. Izaho aloha dia miteny aminareo fa tsara io film io ka mba jereo ihany rehefa sendra malalaka ianao. Ny demony tena mibahana ao anatin''izy io dia tsy iza fa i Paimon. Ka eto ny resaka dia hoe: noforonin'ilay nanoratra an'ilay horonan-tsary ve izy io sa efa nisy tany anaty zavatra hafa? Valiako aloha ianao fa saika misy avokoa ireny demony hitanao anaty horera ireny any anaty grimoire na fomba iray. Ka ankehitriny, ndao ho resahana ary i Paimon. Izy aloha dia hitanao ao amin'ny Book of Obéron(BoO), Livre des esperitz(LdE), Clavicules de Salomon(Kos), Clavis inferni(CI), a book of the office of the spirits(BoOS), ary Ars Goetia. Izy aloha raha ny BoO, ny LdE, ny Kos, ny CI, ary ny BoOS no jerena, i Paimon dia Mpanjaka mifehy ny Andrefana.

    Raha ao amin'ny BoOS sy ny LdE, ary ny Ars Goetia fotsiny no sokajiana dia miseho toy ny vehivavy misatroka satroboninahitra izy, izay mitangina rameva, ka misy karazana olona maro eo hanoloany mitsoaka trompetra. Izy hono dia miteny amin'ny fitenin'ireo demony ka rehefa tonga izy dia tsy misy na inona na inona azon'ilay niantso azy, noho izany dia mampiseho taratasy misy soratra hoe afaka miteny soa aman-tsara amin'ilay niantso azy i Paimon, ka izay ity farany vao ho azon'ilay évocateur ny zavatra ho lazainy. Tahak'izany hono ny fisehony raha sendra ka antsoina hipoitra izy. Ny anjara toerany kosa anefa dia samihafa avokoa, raha amin'ny Ars goetia izao dia tsy mba voalaza hoe mpanjaka miandraikitra ny Andrefana izy, fa laharana mpanjaka fotsiny no nanaovany azy. Raha asany indray,
mampianatra momba ny arts sy sciences ary zava-mihafina rehetra izy; mampiakatra ny voninahitrao, mahatonga ny olona iray handeha araka ny sitraponao, etc... Izay izy raha Ars Goetia no resahana, amin'ny BoO sy BoOS kosa anefa dia antsoina fotsiny izy io, noho izy mifehy ireo demony toy i Belfreth, Belial sy Baasan izay afaka mampanjavona olona. Hatreo ny momba an'i Paimon. Manaraka indray i:

II-Lucifer :

    Na mijery film ianao, na mihaino hira ianao, na mamaky roman ianao, na mivavaka ao anaty fiangonana aza, dia tsy maintsy efa naheno ny anarana hoe: LUCIFER... Ity zavatra iray ity dia atombontsika amin'ny dikan'io teny io. Ny teny hoe Lucifer dia teny latina, izay azo avy amin'ny Lux na hoe fahazavana, ary ny ferre na koa mpitondra, noho izany ny teny hoe Lucifer dia midika hoe ilay mpitondra ny fahazavana. Hafa kely e? Ny anaran'ilay demony malaza indrindra dia mpitondra ny fahazavana... Tamin'ny Romanina fahiny hono, izy ity dia Andriamanitra soa aman-tsara mitovy amin'i Eosphoros ny Grika, izay mifandray amin'ny kintana mazava indrindra rehefa alohan'ny hiposahan'ny masoandro. Tsy inona io kintana io fa dia i Vénus. Taty ao ariana izy io noho ny fisian'ny tenin'i Isaia 14:12-15, izay tsy novakian'ny sasany hatramin'ny voalohany akory, na namaky ny tao ariany, dia noheverina fa demonia lehibe indrindra no resahana eto, izay tsy iza fa i Lucifer. Kanjo diso izany, ny mpanjakan'ny Babylona iray no atao mitovy amin'io kintan'ny maraina io(Lucifer), izay maty sy niala tamin'ny fitondrany ny fiafarany... Izany hoe misy Lucifer ve ao anaty baiboly? Raha toa ka ilay kintan'ny maraina io, izay antsoina hoe Helel, Andriamanitrin'ny kintana Venus, dia ekena tanteraka izany, fa ankoatr'izay, dia tsia! Tsy misy. Vita iny, ao anaty grimoire indray, hitanao ao amin'ny Livre d'Abramelin le mage, Grimorium Verum(GV), Grand Grimoire(GG) na Dragon Rouge, Ars Goetia an'i Dr.Rudd, Book of Oberon, Livre des esperitz, Grimoire d'Armadel, le grimoire du Pape Honorius, Hygromanteia, Clavicule de Salomon. Saika ny grimoire rehetra dia hahitanao an'i Lucifer avokoa! Nefa izao, mila fantatrao fa i Lucifer tsy dia antsoina hiseho mivantana aminao izany raha vao miresaka ny magick fahiny, fa ampiasaina ny anarany hifehezana an'ireo fanahy rehetra.

    Amin'ny Hygromanteia izy, izay ity farany aloha dia Clavicules de Salomon fahiny indrindra hita hatreto, dia fanahy manapaka ny Atsinanana(roi démon de l'Est), ary mitoetra amin'ny andro Alarobia. Amin'ny Livre des esperitz sy book of the office of the spirits ary BoO indray dia izy no lehibe indrindra amin'ireo demony ka manaiky azy avokoa izy rehetra ireo, na ireo eny amin'ny rivotra, na any ambanin'ny tany, na any anaty rano dia manaiky azy avokoa.



    Izany hoe tenim-pahefana eo amin'ireo fanahy rehetra izay ho antsoina ny anarany noho ny laharana izay tazominy amin'izy ireo. Tsy dia fiantso mivantana izy, satria izy dia mitovy laharana amin'ireo Anjely/Andriamanitra avo. Dia raha ny fantatra araka ny Livre des Esperitz, i Lucifer hono dia nikomy noho ny hatsarany nihoatra noho ny anjely hafa, ka avy eo izy dia nazera tety an-tany. Raha mifindra any amin'ny Grimoire du Pape Honorius kosa, dia azo antsoina mivantana izy io, amin'ny andro Alatsinainy, nefa kosa ny anjara asany dia tsy fantatra mazava hoe inona... Emperora izy ao amin'ny Grimoirum Verum, mifehy ny kontinanta Eropeanina sy Aziatika, ary mety hiseho amin'ilay miantso azy amin'ny endrika zazalahy kely, mila omena fanatitra totozy, ka rehefa tezitr'izy dia mivadika afo ny tarehiny ary lasa mampatahotra tanteraka ny endriny. Any amin'ny Grimoire d'Armadel ianao vao mahita anjara asany miaraka amin'i Belzebuth sy i Astaroth, izay tsy inona fa mampahafantatra anao ny zavatra nitranga tamin'ny fikomiana nataon'ireo anjely, ary inona ny antony izany fikomiana izany. Fehiny, tenim-pahefana ny fampiasana ny anaran'ity fanahy lehibe ity, ary ankoatran'izay izy dia natao hanome fahalalana sombiny kely fotsiny ihany... Saika tsy azo atao na inona na inona izy.

III-Asmodai/Asmodée/Asmodeus...

Matetika heno kosa angamba izany anarana izany e! Ny ahy ny nahenoiko azy voalohany dia tsy inona fa série nalaza iray izay, izay fantastique aloha ilay izy, tsy inona izy izay fa ny Supernatural! Eny tokoa! Saison 12 izy izay sa 13 no misy an'ingahy Asmodaï misandoka ho avy amin'i Lucifer ka haka an'i Jack izay Nefilim an'ingahy mpitondra ny hazavana(izany hoe zanak'i Lucifer). Fa vita aloha iny nostalgie keliko iny, iza moa ity Asmodeus? Efa tany amin' ny fivavahana Persianina na ny Zoroastrisme, antsoina hoe Aeshma-Daeva na ilay demonin'ny fahatezerana(informations kely fotsiny, ny Deva/Daeva ho an'ny Karana no midika hoe Andriamanitra, nefa ho an'ny Persianina dia devoly, ny Ahura/Ashura indray no Andriamanitra ho an'ireo Persianina, nefa ho an'ireo Karana indray dia devoly...) izy tamin'izany, ary efa demonia izy fa tsy hoe akory hoe ny Jiosy no namadika azy. Rehefa tonga taty amin'ny Jiosy izy ity dia natao hoe Ashmodaï, na ilay Mpandringana, ka rehefa tonga ao amin'ny Bokin'i Tobia, izay ity farany aloha dia boky neken'ny Katolika sy ny Orthodoxe ihany, fa tsy noraisin'ny Jiosy sy ny Protestanta, nosoratana teo anelanelan'ny taon-jato fahatelo sy taon-jato faharoa alohan'ny J.C. Vita izay, ahoana indray ny momba azy any anaty magie salomonienne? Hitanareo ao amin'ny Ars Goetia, Hygromanteia, livre des esperitz.

    Manana toerana avo ao anatin'ireo Grimoires i Asmodaï, amin'ny Hygromanteia izy dia Mpanjaka mifehy ny Avaratra. Amin'ny fomba hafa izy, toy ny Ars Goetia dia mitondra ny laharana mpanjaka fotsiny ihany. Ny asany ao amin'ny livre des esperitz dia ny manome peratra izay manana fahefana ny hahazoana ny fifaliana amin'ny zavatra rehetra atao, sy mamaly ny fanontanianao rehetra. Amin'ny Ars Goetia teo kosa dia eo ambanin'i Amaymon hono izy(lasa Atsinanana indray izy izany no mitoetra), ary manome peratra ihany koa fa lazainy fotsiny hoe feno hasiny, mampianatra Arithmétique, géométrie, Astronomie sy ny asa-tanana maro hafa, mamaly marina amin'izay fangatahana sy mampanjavona...

@Frater Sophos

IREO ROA LAHY MALAZA INDRINDRA AMIN'NY MAGICK

IREO ROA LAHY MALAZA INDRINDRA AMIN'NY MAGICK :

Frater Sophos


Ireo roa lahy iza hoy ianareo ?

    Tsy tonga dia ho teneniko eto aloha. Fa izy roa ireo no tena malaza indrindra amin'ny tontolon'ny ésotérisme iray manontolo, izany hoe na hatramin'ny franc-maçonnerie aza dia hahitana azy ireo. Teneniko aminareo fa na hatramin'ny kolon-tsaina andavanandro aza misy azy ireo, na film io, na literatiora io, na ireny jeux vidéos ankehitriny ireny io, na déssin animée io, dia hitanao ao avokoa izy roa lahy ireo. Izy ireo aloha dia légendes tanteraka, ny fisiany ara-tantara dia faran'izay ratsy fototra, nefa dia na ny tamin'ny kolon-tsaina Greco-Egyptien, na tamin'ny kolon-tsaina Arabo dia hahitana soa aman-tsara azy ireo. 

    Tsy mbola azonareo an-tsaina ihany ve? Ireto azy ireto, ireo mandrak'ity ny androany dia mbola feno ny lazany ihany erakin'ny tanàna, tsy iza izany ry tompokolahy sy tompokovavy fa ilay mpanjaka mitondra ny anarana Solomona, ary ilay olona niavian'ny fahendrena i Hermès Trismegiste!! Ndao ho resahana izy ireo ao anatin'ny tontolon'ny magick ihany, tsy hojerentsika ny momba azy ireo any amin'ny franc-maçonnerie, na any amin'ny kabbale Occidentale/Hébraïque, na any amin'ny resaka alchimie, ny hojerentsika eto dia ny lanjan'izy ireo amin'ny magick.

SAMAEL! POIZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA VA IANAO?

I-SOLOMONA, HATRAIZA NY FAHENDRENAO ?

    Raha mamaky tsara ny baiboly aloha ianao, dia fantatra fa i Solomona no zanak'i Davida tamin'i Batseba(ilay vadin'i Oria Hetita, ilay lehilahy mpiady nalefan'i Davida namono tena tany rehefa bevohakan'ity farany i Batseba...), hitanao amin'ny II Samoela toko 12:24 izany zavatra izany. Tonga dia misaoty any amin'ny andro iray nivavahan'i Solomona isika.

    Inona moa ny zavatra nangatahin'i Solomona? Iza no tsy mahalala an'iny tsianjery hoe Fahendrena izany ? Nefa aoka ho lazaiko anareo, fa ny fahendren'i Solomona izany dia tsy fahendrena tsotra fotsiny, fa indrindra indrindra ny fahefana amin'ireo fanahy rehetra eny amin'ny rivotra, ety an-tany, any anaty rano, ary any ambanin'ny tany any. Rehefa nivavaka tamin'i Jéhovah/Yahvé/Yhvh hono i Solomona, dia indro fa namaly azy i Jéhovah, ka i Mikaela ilay Andrian-dehibe no tonga teo aminy. Nomen'ity Anjely iray ity peratra izy, izay peratra misy ny anaran'Andriamanitra masina sy kintana manana ratsana dimy, ary io peratra io dia mampanaiky ny fanahy rehetra. Ny demony azony voalohany dia i Ornias(mety ilay Oriens/Urieus ao anatin'ireny grimoires ireny izy io), ity demony ity hono dia mampijaly mpanompon'i Solomona iray izay, ka nomen'i Solomona azy io peratra io, dia natsipiny teny amin'ilay demony ilay izy, ary tsy tafihetsika ity farany, raha tsy mandeha any amin'ny Solomona. Nony nipoitra teo hanatrehan'ny Mpanjaka izy, dia nanontanian'i Solomona ny momba momba azy rehetra, ny Anjely mifehy azy, ny Vintana hitoerany, ny asany. Namaly tokoa i Ornias fa fehezin'i Auriel izy, ary ny Adalo no hitoerany. Mijanona kely eto aloha. Misy fahalalana ilaina eto, ny ankehitriny mantsy rehefa hitongavan'ilay zavatra nantsoina dia tonga dia milaza fotsiny ny zavatra ilaina dia tapitra hatreo. Tsy hoe tsy mety akory, fa tsy ampy zavatra be dia be izany atao izany. Tonga tokoa mantsy ilay izy, ny tena fatao dia fantarina ny mombamomba an'ilay zavatra nantsoina, iza ny anarany? Inona ny mifehy azy? Inona ny soniany? Inona ny fanatitra atao aminy? Inona ny fadiny? Ary inona ny andro sy ora, na volana hiantsoana azy indray? Izany no tokony mibahana amin'io zavatr'io, izay ataon'i Solomona ilay izy eto, ka nahazoany fahalalana momba an'i Ornias, ary ny fahalalana midika fahefana, noho izany izy afaka ny hiasa miaraka amin'io demony iray hatramin'ny andro fahafatesany raha ohatra ka...

    Ilay fahalalana azy ihany koa mantsy avy eo, tsy mila protocole be tahaka ny tamin'ny voalohany intsony, fa efa akaiky anao eo izy, noho ny fanomezany ny sonia anao(ny sonia tompoko dia marika sy ihany koa azo lazaina ho nofon'ilay zavatra iny! Tahaka ny karazana hazo izay nofon'ireo fanahy amin'ny fomba Malagasy). Miverina amin'izay isika, tao arian'i Ornias, ny demony manaraka dia mazava be fa i Beelzebut na Belzeboba hoy ny Gasy, ka mbola nahazo demony maro faran'izay maro ihany solomona tao arian'io. Hany ka, ny fahefany dia avo faran'izay avo raha oharina amin'izay Mpanjaka rehetra tamin'ny androny. Tsy nisy tahaka an'i Solomona hono, na voninahitra io, na harena io, na fahendrena io, noho ireo demony rehetra teo ampelatanany(aza adino, fa ireo demony ireo dia tsy inona fa Andriamanitrin'ny tany avokoa, i Belzeboba dia mifehy ny ambanin'ny tany iray manontolo, i Ornias ny fanahy rehetra mihitsy no sady tsy iza aloha izy ity fa dia ilay antsoina ihany koa hoe Lucifer, ireo demony fito izay tsy inona fa ireo kintana antsoina hoe Pleiades, sns...). Fantatsika rehetra anefa ny fiafaran'i Solomona... Tsy mandrakizay ny fanjakany... Ny demony voalohany naminany ny hifaranan'ny fanjakany anefa dia tsy iza fa i Asmodée/Asmodeus/Asmodaï, ary ny tena nanisy précision dia i Enépsigos nilaza fa io tempoly ao Jerosalema io dia ho rava, ary ny Jiosy dia ho eo ambanin'ny fahefan'ireo mpanjakan'ny Persa, Midiana sy Kaldeana; ary ny siny izay nataon'i Solomona higadran'ireo fanahy rehetra ireo dia ho potehin'ny olombelona ka hiverina amin'ny toerany izy rehetra ireo. Tonga tokoa ny andro iray, izay andro nitiavan'i Solomona vehivavy Sonamita, nefa tsy nanaiky ho vadiny ity farany raha tsy mandohalika sy manome fanatitra an'i Moloka sy i Raphan ilay mpanjaka. Nataony tokoa izany anefa, ka dia fongotra teo aminy avokoa ny fahamasinany rehetra teo, ary ho rava ny fanjakan'Israely, nefa tsy ho amin'ny androny izany fa ho ao ariany.

    Tapitra iny tantara iny, hamaranako momba ity Mpanjaka "légendaire" ity, ny fisiany eo amin'ny sehatrin'ny fomba maro samihafa. Mila fantatrareo fa ny antsoina hoe hermétisme alexandrin dia misy azy io soa aman-tsara, izany hoe any amin'ny fomba Greco-Egyptien dia mbola manan-daza be izy io, hany ka ny PGM IV.850-929 dia manome fomba izay hahazoana faminaniana mitondra ny anarany. Mbola ao ihany koa ny fampiasana ny anarany mba hahazoana fandresena sy voninahitra ao amin'ny PGM XCII.1-16, ary ny fanalana demony amin'ny anarany(noho ny fahefany efa hitantsika teo) ao amin'ny PGM XCIV.17-21. Avy eo, saika ny grimoires rehetra hitanareo dia milaza fa avy aminy avokoa, ka izay indrindra no hanaovana ny fomba raketin'izy ireny hoe: magie Salomonienne. Izy ireny dia mifantoka amin'ny fiantsoana demonia, ary na manao fifanekena moramora aminy(Ny sanctum regnum ao amin'ny Dragon Rouge, ny ampahan'ny Clavicules de Salomon, ny Grimorium Verum, sy fomba sasatsasany amin'ny Hygromanteia), na tonga dia amin'ny teny mahery sy fanerena an'ireo demonia(Ars Goetia, ny Tapany voalohany amin'ny Dragon Rouge, ny ampahany amin'ny Clavicules de Salomon). Ny magie Salomonienne any amin'ny Arabo kosa indray anefa mbola hafa ihany koa, raha araka ny Book of deadly Names as revealed to king Solomon by jinn King Fiqitush(lava a!) indray dia tsy mba miantso ireo Jiny(fantaro kely ity, amin'ny fomba Arabo ny Jiny no mitovitovy amin'ny demony, nefa tadidio ny zavatra nolazaiko tany ambony tany, fa ny demony rehetra akory tsy Jiny fotsiny ihany) fa mifantoka amin'ny fomba fanasitranana ampianarin'ireo fanahy ireo. Mbola ela ity vao tapitra raha toa ka tsy hajaniko eto ny resaka momba an'i Solomona, noho izany dia ndao amin'izay àry hiditra amin'ny fahalalana ny fahalebiazan'i Hermès Trismegiste ao anatin'ny magick.

II-HERMÈS NIHAVIAN'NY FAHENDRENA...

    Iza no tsy mahalala an'i Hermès Trismegiste tamin'ny andro fahiny? Ary iza no tsy nilaza fa izy no loharanon'ny fahendrena rehetra ?

    Mila hay anefa hoe i Hermès dia Andriamanitra Grika tamin'ny voalohany. Andriamanitrin'ny hafetsena izy, ny halatra, ny fiarovana an'ireo mandeha alavitra, ny fahasalamana, mitarika an'ireo fanahin'ny maty rehefa tonga any amin'ny Hadès, mpitondra hafatr'ireo Andriamanitra izany no anjara asany fahiny, taty ao ariana izy dia lasa io Hermès Trismegiste io, izay noheverin'ny Grika fa mitovy amin'i Thot an'ireo Egyptianina, ary lasa personnage légendaire amin'ny resaka ésotérisme. Ny anarana hoe Hermès trismegiste dia midika hoe ilay Hermès in-telo lehibe, in-telo izy satria izy no Mpanjaka lehibe, Pretra lehibe ary Filozofa lehibe. Izy io araka ny efa nolazaiko teo dia nalaza indrindra amin'ny resaka ésotérisme, ary indrindra moa ny magick, satria hono i Thot-Hermès ihany koa tompon'io zavatra iray io noho izy mifandray amin'ireo Andriamanitra rehetra na amin'ny tany ambany, na amin'ny lanitra ambony. I Jamblique dia milaza ao amin'ny Des mystères des Égyptiens, Tapany voalohany, andininy voalohany manao hoe:"Le dieu qui commande à la parole, Hermès, fut considéré jadis avec raison comme commun à tous les prêtres; celui qui préside à la vraie science des dieux est un et identique en tous : c'est à lui que nos ancêtres dédiaient toutes les trouvailles de leur sagesse, en donnant le nom de Hermès à leurs propres écrits." Inona ny tiana hatongavana amin'izany? Izany hoe izay fahendrena sy fahalalana(magick no tena resahana eto) rehetra azo dia heverina fa avy any amin'i Hermès avokoa. Izy no lalana mitondra amin'ny fahalalana ara-panahy rehetra, na magie io, na mysticisme io, na alchimie io, na astrologie io. Ireo rehetra ireo dia eo ambanin'ny fahefan'i Hermès Trismegiste avokoa ! Lazaiko aminareo fa na hatramin'ireo Kristianina aza dia nalaza tany aminy io olona iray io, i Lactance dia nilaza fa nisy olona teo amin'ireo Mpanompo sampy izay mitondra ny anarana Hermès Trismegiste naminany ny amin'ny fomba Kristianina. Aty amin'ny fomba Arabo izy dia miverina hita ao amin'ny Balînus, Kitab Sirr al-khaliqa wa San 'at al-Tabi'a izay boky mirakitra ny antsointsika ankehitriny hoe Table d'émeraude, ho raisintsika fotsiny ity fehezan-teny farany ity:"Et à cela a aspiré Hermès qui fut trois fois grand en sagesse. Et ceci est son livre qui est dissimulé dans la chambre". Arabo, ny finoana Kristianina, ny Grika, ny Egyptianina, ny Gaulois, ny Jiosy dia nahalala ny fahamasinan'i Hermès Trismegiste. Amin'ny resaka fampiasana ny anarany indray eo amin'ny tontolon'ny magick dia izy ity hita ao amin'ny PGM IV.296-466 sy PGM IV.1390-1495 miresaka momba ny fomba hisaritana fitiavan'olona iray, ny PGM IV. 2373-2440 indray dia milaza fa ity fomba iray ity izay misarika mpividy dia namboarin'i Hermès, ny PGM IV.2967-3006 dia manambara fomba iray fangalana karazana tapa-kazo na hahitra amin'ny anaran'i Hermès, etc...

    Hajaniko eto aloha ny androany, amin'ny manaraka aho miresadresaka momba ny Hermétisme, fa ankehitriny taperiko eo amin'ny resaka Hermès Trismegiste ihany izy ity. Efa noresahatsika teo ambony teo ihany koa ny momba an'i Solomona mpanjaka, ka raha ny momba ny magie salomonienne dia efa nomeko kely ihany ny momba momba azy iny ao, isakin'ny miresaka momba ny magick aho dia ity fomba ity foana no saika resahako, ka noho izany amin'ireny ranty nosoratako rehetra ireny indray ianareo no mijery momba an'izay, amin'ny manaraka angamba aho vao hanoratra ranty iray manokana mihitsy amin'ity resaka ity. Ka izao tapitra hatreo ny teniko, misaotra anao namaky azy hatramin'ny farany.

Loharano :

-F.C. Conybeare, Testament of Solomon
-Nineveh Shadrach, book of deadly names as revealed to king Solomon by Jinn King Fiqitush
-Joseph H.Peterson, The lesser key of Solomon
-Jake Stratton-kent, True Grimoire
-Le Dragon Rouge
-David Rankine & Stephen Skinner, The veritable key of Solomon
-Ezooccult, Dossier La table d'émeraude
-Jamblique, Des mystères des Égyptiens
-Stephen Edred Flowers, Hermetic Magic
-Hans Dieter Betz, The Greek Magical Papyri


AZAZEL?

AZAZEL?

Frater Sophos


Betsaka aminareo angamba no efa naheno ity anarana hoe: Azazel ity. Inona marina moa izy ao anatin'ny finoan'ny Tandrefana sy ny Moyen-Orient? Devoly hatrizay sa anjely nivadika? Mba hamaliana izay fanontaniana roa manitikitika izay, androany dia ndao hojerena ny momba momba azy, amin'ny fomba Jiosy sy ao anatin'ny magick Kristianina.

I-AO ANATY FINOANA JIOSY :


Hanomboako azy dia ny fijery azy ao anatin'ny ity finoana iray manaraka ity. Ity entité iray ity dia hita ao amin'ny Levitikosy toko fahaenina ambin'ny folo. Ny resaka eto amin'ny ity toko ity dia momba ny fomba iray antsoina hoe ny andro fanavotana, izay andro iray hanalana ny ota rehetra an'ireo Jiosy. Rehefa mandritrin'ny io andro io, ny pretra dia manao sorona osy roa, ny voalohany dia natao ho an'i Jéhovah na Yahvé, izay sorona atao maty, ny faharoa kosa dia sorona velona ho an'i Azazel. Amin'ny ity sorona faharoa ity dia atao ao amin'ny io osy io avokoa ny otan'ny Zanak'Israely, ka alefa any amin'ny tany efitra izay neverina sy nitoeran'io fanahy iray io. Azo lazaina eto izany fa i Azazel no isan'ny ireo fanahy miandraikitra ny ota.
 
Mbola hita ihany koa izy io ao amin'ny bokin'i Enoka I na Enoka Etiopianina. Ao amin'ny ity farany dia an'isan'ireo anjely nivadika izay niray ara-nofo tamin'ny ireo vehivavy tety ambonin'ny tany. Izy moa izany no nanoro ny olona ny fomba fanefena vy, sy ny fanamboarana ireo fitaovam-piadina sy fiarovana toy ny sabatra, lefona, aro-vatana,sns... ka rehefa avy eo izy dia nidian'i Raphael tany amin'ny tany efitra, ary miandry ny fitsarana farany. Eto izy dia voamarika indray fa anjely nivadika izany izy io fa tsy demony akory.

Raha fintinina izany ny fijerin'ny Jiosy azy ity dia anjely nivadika mitoetra any amin'ny tany efitra, ary ny asany dia fandefasana ireo fahotana sy miandraikitra ny fahalalana momba ny fitaovam-piadina.
Raha izay ny fijerin'ny Jiosy azy, ahoana indray ny fijerin'ny Kristianina azy ity ?



SAMAEL! POIZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA VA IANAO?



II-FIJERY KRISTIANINA :

Amin'ny Kristianina indray dia miampy kely noho ny fijerin'ny Jiosy ny momba ity anjely nivadika ity. Raha ny fantatra ao amin'ny Testamenta vaovao dia nisy fotoana i Jesosy na Jesoa nifady hanina tany amin'ny tany efitra nandritrin'ny 40 andro. Ka rehefa feno ela hono ny ela dia indro fa tonga hono i Satana naka fanahy azy. Maninona aho no miresaka an'izany ?

Satria, araka ny fantatsika, i Azazel dia mitoetra any amin'ny tany efitra, ka noho izany dia mety hoe ilay Satana naka fanahy an'i Jesosy tamin'ny io fotoana io dia tsy iza fa i Azazel.
Ankoatra izay, dia raha ny hita ao amin'ny Agrippa, i Azazel dia isan'ny ireo roi-démons mifehy ny zoron'ny efatra amin'ny izao tontolo izao, izay mitovy lanja amin'i Amaymon ao anaty magick chrétienne.

Farany, amin'ny Grimoire sasatsany dia tsy mba antsoina hoe devoly izy io, fa isan'ireo anjely azo antsoina. Hita ao anatin'ny Grimoire de Turiel (izay tsy iza ity Turiel ity fa hita ao amin'ny bokin'i Enoka I ho isan'ireo anjely nivadika) fa ity Azazel ity dia anjely miandraikitra ny kintan'ny Alakamisy na i Jupiter. Noho izany, izy dia antsoina mba hahazoana harena sy voninahitra. Mbola hita ao amin'ny Heptameron, book of Oberon, Maphteah Shelomo,etc... izy io. Ao anatin'ny ireny grimoires ireny moa izany dia indraindray izy io anjely, indraindray izy io jerena toy ny demonia lehibe. Ny antony izany dia izao, ny fanahy rehetra ambanin'ny volana dia azo lazaina ho chtoniennes avokoa, nefa indrisy, ny chtoniennes tsy voatery ho devoly avokoa, fa misy ihany koa ny anjely miandraikitra izany. Ohatra hoe Auriel dia mifehy ny elo raha ny hita ao amin'ny Grimoirium Verum. Ny olana eto amin'ny ity dia anjely tokoa sa demonia i Azazel ao anatin'ny fomba ny Grimoire? Mazava ho azy fa anjely nivadika izy, izay nilatsaka tety an-tany, ka lasa anjely very toerana, ary mifehy ireo demony maro be izay ety amin'ny ity tontolo ity.

Izany hoe mila fantarina tsara ny grimoire iray, fa tsy hoe manondro hoe:"ity anjely" dia mino tokoa ianao fa anjely iny, fa jereo tsara ilay anarana dia ho fantatrao ny momba momba azy.

Source:
-Enoch I
-Levitikosy 16
-Grimoire de Turiel
-Jake Stratton-Kent: The testament of Cyprian the mage
-Agrippa: la philosophie occulte III
-Grimorium Verum

SAMAEL! POIZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA VA IANAO?

SAMAEL! POIZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA VA IANAO?

Frater Sophos


Ô ry Samael mpandrava, mpandringana, alokin'ny fahafatesana, nihavian'ny ratsy! Iza tlkoa moa ianao? Eny, aleo indray hofakafakaina ny momba ity entité iray ity, izy ity ve misy hidiran'i Satana? Anjely ve izy? Demonia ve izy? Sa anjely nidavika sy nianjera fotsiny ihany? Mahatoky aho angamba fa mahaliana anareo izay fanontaniana rehetra izay mahakasika ity fanahy iray ity... Ka izao, tsy hi lava rzsaka aho fa dia ndao hojerena eo ambany ny valin'ny izay fanontaniana rehetra izay.
 

I - SAMAEL SY I SATANA DIA IRAY IHANY!


Fa ahoana izany? Satana=Samael ihany tokoa ve? Amin'ny fomba Jiosy sasatsasany dia marina tokoa izany tent izany. ... Fantatrareo moa fa i Samael dia raha jerena ny lazain'i Gustav Davidson ao amin'ny Dictionnaire des anges dia io Samael io no antsoian hoe Satana tamin'ny andron'ny Joba, ka izy io indrindra indrindra no nampidin-kizo azy(maty ny zanany, very ny harenany, voan'ny vay izy sy ny vadiny, etc... izany hoe nihinana ny tsy fihinanana mihitsy izy...). Ary ao anatin'ny Pardesh Rimonim an'i Moshe de Cordovero dia lazaina fa i Samael no nihavian'ny ratsy noho izy miandraikitra ny sephira Guevorah, izay hery iray hiavian'ny fandringanana sy ny loza rehetra, ka mazava hoa azy fa azo lazaina ho Satana mihitsy izy eto. Manaraka izany, araka ny hita ao amin'ny Traité de l'émanation Gauche nosoratan'i Rabbi Isaac Ben-Jakob ha-Kohen, dia i Samael no vadin'i Lilith, ary izy io no naka fanahy an'i Eva tao Edena ka nampihinana azy ny voankazon'ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ary lazaina ihany koa fa izy no niray tamin'i Eva ka rain'i Kaina i Satana antsika iray ity, ao amin'ny the legend of the Jews an'i Louis Gizenberg. Raha araka ny hita ao amin'ny Midrash toy ny Exode de Rabba dia i Samael no manondro ny fahotan'ny olona eo anatrehan'i Jéhovah (izay asan'i Satana soa aman-tsara). Bref, azo ambara amin'ny izany aloha fa eny tokoa, na i Samael tokoa no azo lazaina ho Satana ao anatin'ny baiboly, izy no raindahin'ny devoly rehetra izay hitanao ao amin'ny Traité de l'émanation gauche, ary mpandringana sy mitondra ny fahoriana eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona.

AZAZEL ?


II-SAMAEL IHANY NO JÉHOVAH! AMEN!

Odry! Inona a? Samael ahoana no Jéhovah? Calme ihany aloha ianao, fa amin'ny fijery hafa dia azo ekena ihany koa izany fomba fijery izany.
Eny, Samael ihany no Jéhovah raha ny fijerin'ny sasany amin'ireo Gnostiques fahiny. Araka ny lazain'ny Traité de l' Origine du monde dia i Samael naterak'i Sophia na Barbelo, izay endrika vehivavin'ilay Dieu absolu. Nefa izy irery no niteraka azy io(tsy nila firaisana tamin'ny endrik'Andriamanitra iray mitondra ny anarana hoe Thelema), ka ny zanany dia tsy tonga lafatra no sady sampona, ary nafeniny tany amin'ny toerana iray hitoeran'ny haizina. Ka rehefa lehibe io zaza io, izay mitondra ny anarana hoe Saclas na Samael na i Ialdabaoth na i Jéhovah, dia nihezaka ny namorona tontolo ho azy tao. Ka niteny izy dia saika nisy ny zava-drehetra, ary nanao tao am-pony hoe:"Tsy misy Andriamanitra hafa tsy izaho ihany".... Noho izy, tsy tonga lafatra anefa, dia ny tontolo noforoniny dia ohatr'azy ihany, mifangaro ao ny tsara sy ny ratsy rehetra...

III-SAMAEL ANDRIAMANITRIN'NY ADY SY NY MAGIE!!!!

Vita izay teny tetsy ambony rehetra izay, dia hampahafantarina anareo amin'ity farany ity fa i Samael dia anjely mifehy ny ady, ny fandriganana, ny ambanin'ny Gorodona, ny magick. Eny tokoa, i Samael izao dia hita ao amin'ny Kabbale fa izy no mifehy ny herin'ny sephira Guevorah, izay hitoeran'ny hery manimba sy mandrava. Ary ao amin'ny Grimoire de Turiel ihany koa anefa dia izy no mifehy ny Planeta Mars izay kintana iray miandraikitra ny ady. Ary mbola hita ao amin'ny grimoire iray mitondra ny anarana: opérations des septs esprits planétaires. Ato amin'izy ity indray dia manome hery an'ireo miantso azy izy, ary tsy handairan'ny fitaovam-piadin'ny fahavalo, farany ato anatin'ity boky iray ity ihany koa dia afaka ny mampihorohoro an'ireo fahavalon'izay miasa miaraka aminy izy.
Raha iny ny momba ny ady, i Samael ihany koa dia miandraikitra ny magick, indrindra ny hery ambanin'ny Gorodona, ao anatin'ny izany ny fiantsoana ireo olona efa maty na ny Nécromancie. Izay azo lazaina fa mifanaraka soa aman-tsara amin'ny maha mpiandraikitra ny ady azy. Fa nahoana hoy ianareo? Fantatatrareo ve fa i Nergal izay andriamanitrin'ny ady avy any Mésopotamie dia andriamanitrin'ny fiainan-tsihita ihany koa? Ka toa izany i Samael, noho ny fifehezany ny herin'ny ady, dia izy ihany koa no miandraikitra ny ambany gorodona. Hita ao amin'ny Grimoire d'Armadel izany zavatra izany, hoe izy ity dia mampianatra ny Nécromancie sy ny magick i Samael.
Izay no azoko atolotra ka misaotra namaky hatramin'ny farany.

Source :

-Rat Holes: Traité de l'émanation gauche
-Wikipedia: Samael
-Louis Gizenberg: The legend of the Jews
-Exode de Rabba
-Traité des origines du monde
-Grimoire de Turiel
-Grimoire d'Armadel
-Joba

Tout le monde mérite d'être riche

Tout le monde mérite d'être riche Le livre "Tout le monde mérite d'être riche" est une œuvre révolutionnaire écrite par O...